EksĂ´dy
Toko faha-4
9 Ary raha mbola tsy mino anao izy ka tsy mihaino anao amin'ireo famantarana roa ireo, dia maka rano avy ao Neily ka aidino amin'ny tany maina, fa ho tonga ra eo amin'ny tany io rano io.10 Ary hoy i Mosesy tamin'ny TOMPO: -Indrisy, ry Tompo, fa tsy mba olona mahay mandaha-teny aho na taloha na hatramin'izao nitenenanao tamiko izao, fa votsa vava sady bada miambakavaka.
11 Namaly azy kosa ny TOMPO hoe: -Iza no nanome vava ny olona? Iza no mahatonga azy ho moana na ho marenina na ho mahiratra na ho jamba? Moa tsy Izaho TOMPO ve?
12 Koa mandehana ianao ankehitriny, fa homba anao Aho rehefa hiteny ianao, ka Izaho no hanoro anao izay tokony holazainao.
13 Fa hoy i Mosesy hoe: -Mifona aho, Tompo o, mba olon-kafa re irahina!
14 Dia tezitra tamin'i Mosesy ny TOMPO ka nanao hoe: -Manana rahalahy ianao, dia i Aharona levita. Fantatro fa mahay mandaha-teny mihitsy izy. Indro efa eny an-dalana izy izao hitsena anao, koa raha vao mahita anao, dia ho faly tokoa.
15 Holazainao azy ary hampitainao aminy izay tokony holazainy. Izaho kosa homba anareo; ka rehefa hiteny ianareo, dia Izaho no hanoro anareo izay hataonareo.
16 Izy no hiteny amin'ny vahoaka hisolo anao, izy no hisolo vava anao; ary ianao kosa aminy dia ho tahaka an'Andriamanitra manolo-tsaina.
17 Ankoatra izany, dia ento eny an-tananao iny tehina iny mba hanaovanao zava-mahagaga.
18 Nandeha niverina tany amin'i Jetrao rafozany i Mosesy ka nanao taminy hoe: -Mba avelao aho handeha hiverina any amin'ireo mpiray firenena amiko any Ejipta, hijery raha mbola velona ihany izy ireo na tsia. Dia hoy i Jetrao taminy: -Mandehana soa aman-tsara!
19 Ary hoy ny TOMPO tamin'i Mosesy tao Midiana hoe: -Ndeha tokoa miverina any Ejipta ianao satria efa maty ireo olona nifofo ny ainao.
20 Koa nalain'i Mosesy ny vadiny aman-janany, natainginy teo amin'ny borikiny, dia niverina ho any Ejipta izy. Ary nataony an-tanana koa ilay tehina nasain'Andriamanitra nentiny.
21 Hoy indray ny TOMPO tamin'i Mosesy: -Diniho fa efa nataoko eo am-pelatananao ireo zava-mahagaga isan-karazany. Koa rehefa tafaverina any Ejipta ianao, dia ataovy eo anatrehan'ny Farao ireny; Izaho kosa hanamafy ny fony ka tsy handefa ny Israelita izy.
22 Dia ambarao amin'ny Farao hoe: Izao no lazain'ny TOMPO: Zanako lahimatoa ny vahoaka Israely.
23 Efa nandidy anao Aho mba handefa ny zanako hanao fanompoam-pivavahana amiko, nefa nolavinao; koa hovonoiko ho faty ny zanakao lahimatoa.
24 Nony teny an-dalana, indray alina tao an-tranombahiny, dia nanatona an'i Mosesy ny TOMPO ka nitady hamono hahafaty azy.
25 Koa nalain'i Tsipora ny vato maranitra, dia noforany ny zanany lahy; ary natehiny teo anelanelam-pen'i Mosesy ilay vato, sady hoy izy tamin'ny vadiny: Eny, vady azo tamin'ny ra ianao ho ahy.
26 Dia nialan'Andriamanitra tsy nataony inona i Mosesy. Nolazain'i Tsipora hoe vady azo tamin'ny ra i Mosesy noho ny famorana.
27 Dia niteny tamin'i Aharona ny TOMPO hoe: -Mandehana mankany an-taniefitra hitsena an'i Mosesy. Dia nandeha i Aharona ary nifanehatra taminy tao an-tendrombohitr'Andriamanitra, ka nanoroka azy.
28 Notantarain'i Mosesy an'i Aharona avokoa ny teny rehetra nanirahan'ny TOMPO azy sy ny famantarana rehetra izay nasainy nataony.
29 Avy teo dia niara-nandeha izy mirahalahy, ka namory ny loholona rehetra tao amin'i Israely.
30 Nambaran'i Aharona azy ireo avokoa ny teny rehetra izay nolazain'ny TOMPO tamin'i Mosesy, ary notanterahiny teo imason'ny Israelita ny famantarana.
31 Nino ny vahoaka ary nahatakatra fa efa nahita ny fahoriany tokoa ny TOMPO, ka nanao izay hanafahana azy. Dia niondrika ny Israelita mba hitsaoka ny Tompo.
Toko faha-5
1 Taorian'izany dia nankany amin'ny Farao i Mosesy sy i Aharona ka niteny taminy hoe: -Izao no nambaran'ny TOMPO, Andriamanitr'i Israely: Alefaso ny vahoakako mba hanao fety any an-taniefitra ho fanajana Ahy.2 Dia hoy ny Farao: -Iza moa ny TOMPO no hoekeko, ka handefasako ny Israelita handeha? Tsy fantatro IZY, koa tsy halefako handeha ianareo!
3 Dia hoy indray i Mosesy sy i Aharona hoe: -Ilay Andriamanitry ny Hebreo, ilay TOMPO Andriamanitray, no niseho taminay. Koa mba avelao izahay handeha lalana telo andro any an-taniefitra hanao sorona aminy, fandrao hamely anay amin'ny areti-mifindra na amin'ny ady Izy.
4 Fa hoy ny mpanjakan'i Ejipta taminy: -O ry Mosesy sy i Aharona, nahoana ianareo no manaketraka ny vahoaka israelita amin'ny asany? Mandehana ianareo mankany amin'ny asa fanompoanareo.
5 Ankehitriny efa tonga marobe eto amin'ity tany ity ireo olona ireo, ka tianareo hitsahatra amin'ny asa fanompoany ve?
6 Androtr'iny ihany dia nomen'ny Farao baiko ireo Ejiptianina lehiben'ny asa fanompoana sy ireo Israelita mpitandrin-draharaha ka nilazany hoe:
7 -Aza omenareo mololo toy ny taloha intsony ny Israelita amin'ny fanaovam-biriky, fa izy ireo ihany no aoka handeha hanangona mololo ho azy.
8 Kanefa ny isan'ny biriky izay fanaony teo aloha dia takio aminy ihany fa aza ahenanareo, satria olona kamo ireo. Koa izany no itarainany handeha hanao sorona ho amin'ilay Andriamaniny.
9 Hamafiso fanompoana ireo olona ireo, dia hifototra amin'izany ka tsy hanonofinofy teny lainga.
10 Dia nivoaka ny lapa ireo lehiben'ny fanompoana sy ireo mpitandrin-draharaha ka nilaza tamin'ny Israelita hoe: -Izao no lazain'ny Farao: tsy hanome mololo anareo intsony aho.
11 Ianareo ihany no mandehana maka mololo ho anareo amin'izay ahitanareo any, kanefa tsy hisy hahena ny asa fanompoanareo.
12 Dia niparitaka manerana ny tany Ejipta manontolo ny Israelita hanangona vodivary hatao mololo.
13 Ireo lehiben'ny fanompoana kosa dia nandodona hoe: Vitao ny asa takina aminareo isan'andro, tahaka ny tamin'ny mbola nisy mololo ihany!
14 Nokapohiny aza ny mpitandrin-draharaha israelita notinendriny, sady nanontaniany hoe: Nahoana omaly sy androany no tsy vitanareo ny isan'ny biriky anjaranareo toy ny teo aloha?
15 Nankao amin'ny Farao ireo Israelita mpitandrin-draharaha ka nitaraina hoe: -Nahoana no dia ataonao toy izao izahay mpanomponao?
16 Tsy omena mololo izahay kanefa asaina manao biriky ihany. Ary jereo fa nokapohina izahay mpanomponao, ka heloky ny vahoakanao izao!
17 Fa novalian'ny Farao hoe: -Olona tena kamo mihitsy ianareo! Izany no antony nilazanareo hoe: Handeha hanao sorona ho an'ny TOMPO izahay.
18 Koa ankehitriny, ndeha miasa fa tsy homena mololo intsony ianareo, nefa ny isam-biriky anjaranareo tsy maintsy homenareo ihany.
19 Hitan'ireo mpitandrin-draharaha israelita fa tafalatsaka amin'ny kizo izy raha nilazana hoe: Tsy hahenanareo ny isam-birikinareo, fa ny anjara fanao isan'andro ihany.
20 Koa vantany vao nivoaka avy tao amin'ny Farao ry zareo, dia nandeha nihaona tamin'i Mosesy sy i Aharona izay efa niandry azy rahateo;
21 ka hoy ireto mpitandrin-draharaha tamin'izy mirahalahy: -Aoka ho hitan'ny TOMPO izao nataonareo izao ka hanamelohany anareo, satria efa nataonareo mangidy hoditra tamin'ny Farao sy ny tandapany izahay; eny, nasianareo sabatra eny an-tanan'ireo mba hamonoany anay!
22 Dia niverina tany amin'ny TOMPO i Mosesy ka niteny hoe -Tompo o, nahoana no nampidi-doza an'ity vahoaka ity ianao? Ahoana ary no nanirahanao ahy aty?
23 Fa hatramin'ny nankanesako tany amin'ny Farao niteny tamin'ny anaranao no nahatonga izao loza izao tamin'ny Israelita, ary ianao dia tsy mamonjy ny vahoakanao akory!
Toko faha-6
1 Fa namaly an'i Mosesy ny TOMPO hoe: -Ankehitriny vao ho hitanao izay hataoko amin'ny Farao, fa noho ny herin-tsandriko dia havelany handeha ny Israelita; eny, noho ny herin-tsandriko, dia horoahiny hiala amin'ny taniny izy ireo!2 Ary Andriamanitra niteny tamin'i Mosesy hoe: -Izaho no TOMPO.
3 Tamin'ny anarana hoe Andriamanitra Tsitoha no nisehoako tamin'i Abrahama sy i Itsehaka ary i Jakoba fa tsy mbola fantatr'ireo ny anarako hoe TOMPO.
4 Nanao fanekempihavanana tamin'izy ireo Aho fa homeko azy ny tany Kanahana izay nivahiniany.