IsaiĆ 

Toko faha-19

16 Amin'izany andro izany, dia ho tahaka ny olona vavivavy toetra ny Ejiptianina, ka hangovitra noho ny tahotra raha vao maninji-tanana handrahona azy ny TOMPOn'izao rehetra izao.

17 Ho fahatsiarovana mampihoron-koditra azy ireo ny tanin'i Joda. Koa isaky ny misy miresaka izany aminy, dia hangovitra ny Ejiptianina noho izay hotapahin'ny TOMPOn'izao rehetra izao mba hamelezana azy.

18 Amin'izany andro izany, dia hisy tanana dimy hiteny hebreo any Ejipta sady hianiana hiraiki-po amin'ny TOMPOn'izao rehetra izao. Ka ny anaran'ny tanana anankiray dia hatao hoe Tananan'ny masoandro.

19 Amin'izany andro izany, dia hisy alitara iray hatokana ho an'ny TOMPO ao afovoan'ny tany Ejipta ary tsangambato iray ho an'ny TOMPO any amin'ny sisintaniny.

20 Izany no famantarana sy vavolombelona ho an'ny TOMPOn'izao rehetra izao fa eo anivon'ny tany Ejipta Izy izao. Koa rehefa miantso vonjy amin'ny TOMPO ny Ejiptianina noho ny mpampahory azy, dia hanirahany mpamonjy izay hiaro sy hanafaka azy.

21 Dia hampahafantatra ny tenany amin'ny Ejiptianina ny TOMPO mba hahafantarany Azy amin'izany andro izany sady hanompoany Azy amin'ny alalan'ny sorona sy fanatitra; ary hanao voady amin'ny TOMPO izy ka hanefa izany.

22 Rehefa avy namely ny Ejiptianina ny TOMPO, dia hanasitrana azy: ary izy ireo mihitsy no hiverina amin'ny TOMPO ka hoekeny vavaka sady hositraniny.

23 Amin'izany andro izany, dia hisy lalambe hampitohy an'i Ejipta sy i Asiria. Ny Asirianina hankany Ejipta, ary ny Ejiptianina hankany Asiria, ka hiara-manompo ny TOMPO izy roa tonta.

24 Amin'izany andro izany, dia ho fahatelo, miaraka amin'ny Ejipta sy i Asiria, i Israely amin'ny fitahiana hotononin'Andriamanitra eto an-tany.

25 Fa ho tahin'ny TOMPOn'izao rehetra izao tokoa izy telotonta ireo ka hataony hoe: "Hotahina anie i Ejipta vahoakako sy i Asiria asan'ny tanako ary i Israely anjara fananako!"

Toko faha-20

1 Tamin'izay no taona nanirahan'i Sargona mpanjakan'i Asiria ilay jeneralin'ny tafiny hanafika an'i Asdoda; dia namely ny tanana izy ka nahazo azy.

2 Telo taona talohan'izany kosa dia nampitondra teny an'i Isaia zanakalahin'i Amotsa ny TOMPO hoe: "Mandehana, vahao ny lamba gony eny an-tsikinanao ary esory ny kapa eny an-tongotrao. "Dia nataon'i Isaia izany, ka nandeha tsy nitafy lamba sy tsy nikiraro izy.

3 Ary io taona nahazoan'ny Asirianina an'i Asdoda io, no nilazan'ny TOMPO taminy hoe: "Efa ho telo taona izao no nandehandehanan'i Isaia mpanompoko, tsy nitafy lamba sy tsy nikiraro, mba ho famantarana sy marika ny amin'ny hamelezana an'i Ejipta sy i Etiopia.

4 Fa tahaka izany no hitondran'ny mpanjakan'i Asiria ny Ejiptianina ho sambo-belona sy ny Etiopianina ho babo na antitra na tanora. Handeha tsy mitafy sy tsy mikiraro koa izy ireo. Mitanjaka ny feny ka henatra moa izao ny an'ny Ejiptianina!

5 Dia ho kivy sy ho diso fanantenana ireo Israelita ireo, izay nanantena an'i Etiopiana nihambo tamin'ny fanampian'i Ejipta."

6 Amin'izany andro izany, dia hiteny ireo mponina amoron-tsiraka hoe: "Jereo ity manjo ny firenena nantenaintsika hialofana sy hitadiavam-bonjy ary hahafaka antsika manoloana ny mpanjakan'i Asiria! Ka aiza indray izao no handosirantsika?"

Toko faha-21

1 Hafatra momba ny taniefitra amoron-dranomasina. Tahaka ny tadio mamakivaky an'i Negeba no fiavin'ny fahavalo avy any an-taniefitra, avy any amin'ny tany anankiray mahatahotra.

2 -Misy fahitana mahatsiravina naseho tamiko ny amin'izany. Lasa mpamadika fatra-pamadika sy mpandrava fatra-pandrava tokoa ny firenena sakaiza fahiny. "Miakara hanafika, ry Helamita; ataovy fahirano ny tanana, ry Medianina, fa hatsahatro ny fampihorohoroan

3 Izany no nahafeno fanaintainana ny tehezako manontolo. Nahatsiaro naharary aho toy ny fahararin'ny vehivavy mihetsi-jaza; taitra mafy aho nony nandre izany, raiki-tahotra aho nony nahita.

4 Very hevitra aho ary nangovitra noho ny tahotra; nandrasako ny hariva hampangatsiatsiaka ahy, kanjo nivadika ho fampihorohoroana ahy izany.

5 Naroso ny sakafo, navelatra ny lambanana,dia nihinana sy nisotro ny olona. Kanjo vetivety teo nisy niantso hoe: "Mitsangana, ry mpitari-tafika, hosory menaka ny ampinga!"

6 Fa izao tokoa no nolazain'ny TOMPO tamiko: "Ndeha mametraka mpitily ianao, ka aoka io no hanambara izay hitany!

7 Raha kalesy tarihin-tsoavaly no tazany na koa boriky na rameva manao andiany, dia tokony ho mailo izy, eny, tokony ho mailo tsara."

8 Teo dia niantso ilay mpitily nanao hoe: "Teo amin'ny toeram-piambenako, tompoko, no nijanonako tontolo andro, ary teo amin'ny toeram-pitiliako no nijoroako nandritra ny alina.

9 Ka indro ery tamy ny lehilahy iray mitaingin-kalesy tarihin-tsoavaly sady niloa-bava niteny hoe: Rava, rava i Babilona! Torotoro miraraka amin'ny tany avokoa ny sarivongan'ny andriamaniny rehetra !"

10 Ry fireneko, izay voavely toy ny vary eo am-pamoloana, izany no reko tamin'ny TOMPOn'izao rehetra izao, dia ilay Andriamanitr'i Israely, ka ampahafantariko anareo. 11. Hafatra momba an'i Doma. Nisy niantso ahy avy ao Sehira hoe: "Ry mpiambina o, toy inona alina moa izao? Ry mpiambina o, toy inona alina moa izao?"

12 Dia namaly ny mpiambina hoe: "Tonga ny maraina nefa mbola alina ihany! Raha mbola te hanontany ianareo, dia miverena indray. "

13 Hafatra miloha teny hoe "Eo an-tany lava volo". Any an-kirihitr'ala, eo an-tany lava volo, no aoka handrianareo amin'ny alina, ry andian'olona avy any Dedana!

14 Ianareo mponin'ny faritr'i Tema , ndeha tsenao ireo mangetaheta ka itondray rano, ndeha atreho ireo mpandositra ka omeo hanina.

15 Fa nandositra teo anoloan'ny sabatra ireny, teo anoloan'ny sabatra tsy nitsitsitsitsy sy teo anoloan'ny tsipika nihenjana ary teo anoloan'ny ady mahery vaika.

16 Fa izao no voalazan'ny TOMPO tamiko: "Amin'ny herintaona toy izao anio izao, dia ho levona avokoa ny voninahitr'i Kedara.

17 Ho vitsy kely sisa no tavela amin'ireo mpandefa tsipika sy ireo miaramila voafantin'i Kedara. " Izany no tenin'ny TOMPO Andriamanitr'i Israely.

Toko faha-22

1 Hafatra momba ny lohasahan'ny fahitana. Fa inona ity mahazo anareo no miakatra eny an-tampon-trano, ry mponin'i Jerosalema?

2 Nahoana no maresaka be ny tanana ary feno antsoantso sy tabataba?Tsy matin-tsabatra anefa ireo maty eo aminao ary tsy maty novonoina tamin'ny ady.

3 Nitsoaka nandositra ireo mpitari-tafikao, azo babo noho ny tifitra tsipika izy. Nataon'ny fahavalo sambo-belona avokoa izay hitany, hatramin'ireo efa nitsoaka nandositra lavitra aza.

4 Izany no itenenako aminareo hoe: "Aza mijery ahy intsony fa aleo aho hitomany mafy. Aza misahirana mampionona ahy akory noho ny fandringanana nanjo ny fireneko.

5 Satria amin'ity andro anio ity ny Tompo ANDRIANANAHARIN'izao rehetra izao no mandefa fisavoritahana sy faharesena ary fahaverezan-kevitra ho antsika. "Rava ny manda eo amin'ny lohasahan'ny fahitana ary manako hatrany an-tendrombohitra ny antso vonjy!

6 Mitondra tsipika sy zana-tsipika ny Helamita, sady mitaingina kalesy sy soavaly; ary mamelatra ampinga ny mpiady avy any Kira.

7 Feno kalesy sy soavaly, ry Jerosalema, ny lohasahanao tsara indrindra; milahatra eo am-bavahadinao ireny,

8 ka tsy misy fiarovana ho an'i Joda intsony. Tamin'izany andro izany, dia nojerenareo ny fitaovam-piadiana napetraka hitoby tao amin'ilay trano antsoina hoe "Lapan'ny Ala ",

9 ary hitanareo ny banga maro amin'ny mandan'ny tananan'i Davida. Tao amin'ny fitobian-drano ambany no namorianareo rano.

10 Nisainareo ny trano tao Jerosalema ka noravanareo ny sasany mba hahamora ny hiarovana ny manda.

11 Nanamboatra dobon-drano teo anelanelan'ny manda roa ianareo mba halehan'ny rano mihoatra avy amin'ny fitobian-drano taloha. Nefa tsy mba nojerenareo akory Ilay nanao izao toe-javatra izao; efa nanomana izao hatry ny ela Izy saingy tsy hitanareo.

12 Tamin'izany andro izany dia niantso anareo ny Tompo ANDRIANANAHARIN'izao rehetra izao mba hitomany sy hitoloko, hanaratra volon-doha sy hitondra lamba fisaonana.

13 Kanjo fifaliam-be no nataonareo: novonoina ny omby sy ny ondry ka fihinanan-kena sy fisotroan-divay moa izao! "Andeha isika hihinana sy hisotro fa rahampitso dia ho faty, hoy ianareo."

14 Koa ny TOMPOn'izao rehetra izao dia mampandre ahy ny hafatra hoe: "Mianiana Aho fa mandra-pahafatinareo dia tsy havelako mihitsy izany helokareo izany. Izaho Tompo ANDRIANANAHARIN'izao rehetra izao no efa niteny. "

15 Izao no voalazan'ny TOMPO ANDRIANANAHARIN'izao rehetra izao: "Ndeha mankany amin'i Sebna, mpanolotsain'ny mpanjaka sady lehiben'ny lapa ka mitenena aminy hoe:

16 -Inona no anao aty ary inonao no aty, no mampandoaka ny fasana hilevenanao ety amin'ny havoana ety ianao ary mandavaka ny fonenanao rahatrizay ety amin'ny harambato ety?

17 Indro ny TOMPO hamely anao indray mipaoka monja, rangahy, dia hataony an-kitapo ianao

18 sy hahorony toy ny bolabolan-javatra ka hakodiadiany ho any amin'ny tany anankiray izay misy faritra malalaka. Any no hahafaty ny tenanao mbamin'ny kalesim-boninahitrao, ry ilay manala baraka ny ao an-tranon'ny tomponao.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.9261