IsaiĆ
Toko faha-16
1 Avy ao Sela any an-taniefitra no alefaso ny ondrilahin'ilay mpifehy ny tany ho any amin'ny tendrombohitraTsiona.2 Ireo vehivavin'i Moaba dia very hevitra eo am-pitana ao Arnona toy ny vorona mivezivezy voaroaka tao amin'ny akaniny.
3 Nangataka tamin'i Jerosalema ny Moabita hoe: "Manaova fivoriana ary manapaha hevitra. Izao antoandro be izao ny fiarovanao dia ataovy mihanaka aminay toy ny ampielezan'ny alina ny haizina; ka afeno ireo olona voaroaka ary aza aseho ireo mandositra avy aty aminay.
4 Avelao hitoetra ao aminao izay voaroaka ary aoka ho fierena ho azy ianao eo anoloan'ny mpandringana azy! Fa rehefa hitsahatra ny famoretana sy ny fandringanana ary tsy hisy amin'ny tany intsony ny mpampahory,
5 dia ny fitiavana nasehonao no hanorenana mafy ilay sezafiandrianana ho an'ny taranak'i Davida; hisy mpitsara hipetraka eo sady hombam-pahamarinana ka hitandro ny rariny sy ho fatra-pandala ny hitsiny."
6 Efa renay ny avonavon'i Moaba izay mpiavonavona mihoa-pampana; efa renay ny fireharehany sy ny fizahozahoany ary ny vava tafahoatra sy ny rediredim-poana ataony.
7 Nefa ankehitriny dia midradradradra ny amin'i Moaba ny Moabita. Eny, samy mitaraina izy rehetra ny amin'ny ampempam-boalobok'i Kira-Heresa , ka mitoloko fa tena voa mafy.
8 Simba ny zaridaina ao Hesbona sy ny voly voaloboka ao Sibma, kanefa ny divainy no nahamamo ny andrian'ireo firenena. Nitatra hatrany Jahizera izany voly voaloboka izany, ka nisandrahaka hatrany an-taniefitra; ary ny sampany nandadilady hatrany ampitan'ny Ranomasina Maty.
9 Koa izany no itomaniako ny voly voaloboka any Sibma miaraka amin'ny mponin'i Jahizera. Hataoko kotsan'ny ranomasoko ianareo, ry Hesbona sy Elehale, fa niharan'ny akoran'ady ny fiotazanareo sy ny fijinjanareo:
10 Nitsahatra ny koranam-pifaliana avy eny amin'ny saha famokaram-boankazo; ary tsy re intsony ny horakora-pihobiana eny amin'ny tanimboaloboka; sady tsy misy mpanosihosy voaloboka intsony ao amin'ny toeram-pamiazan-boaloboka no tsy ahitan-divay ao anaty barika, fa efa nitsahatra ny akoram-pifaliana.
11 Mitaraina toy ny feon-dokanga ny foko noho ny amin'i Moaba; eny, mitaraina ny ato anatiko noho ny amin'i Kira-Heresa.
12 Hita ho sasa-poana tokoa i Moaba miakatra eny amin'ny toeram-panasinany sy miditra ao amin'ny tempoliny mba hitalaho amin'ny sampiny, nefa tsy nisy vokany izany.
13 Izany ary no teny nataon'ny TOMPO fahiny momba an'i Moaba.
14 Fa ankehitriny dia hoy ny TOMPO hoe: "Raha afaka telo taona androany, na ny olo-mangan'i Moaba na ny sarambabem-bahoaka ny dia samy ho tsinontsinona. Izay sisa tavela aminy dia vitsy kely tsy misy lanjany akory."
Toko faha-17
1 Hafatra momba an'i Damasy. Hitsahatra tsy ho tanana intsony i Damasy , fa ho tonga korontam-bato sisa.2 Ho lao mandrakizay mandrakizay ireo tanana manodidina azy, ka ho tonga fitobian'ny ondry aman'osy ary handry am-pilaminana ao ireny, fa tsy hisy mpanelingelina azy.
3 Tsy hisy manda fiarovana intsony any Efraima ; tsy hisy fanjakana intsony koa any Damasy, ary izay sisa tavela amin'ny Sirianina dia tsy hisy lanjany noho ny Israelita. Izany no teny hentitry ny TOMPOn'izao rehetra izao.
4 Amin'izany andro izany dia hihena ny lanjan'ny taranak'i Jakoba ary ny hatavezany hanjary fahiazana.
5 Ho tahaka ny amoriana ny vary amin'ny fararano sy anangonana ny salohim-bary eo an-trotroana izany; eny, ho tahaka ny anangonana salohim-bary ao amin'ny lohasahan'ny Refaita izany,
6 ka tsy hisy amin'ny taranak'i Jakoba afa-tsy sombintsombiny sisa ho tsimponina. Ary ho tahaka ny fanintsanana voan'oliva izany, ka voany roa na telo no sisa eny an-tendrony, efatra na dimy eny amin'ny rantsany mahavokatra. Izany no teny hentitry ny TOMPO, Andriamanitr'i Israely.
7 Amin'izany andro izany, dia hitodika amin'Ilay Mpahary azy ny olona ary hanandratra ny masony ho amin'ilay Masin'i Israely.
8 Tsy hitodika any amin'ny alitara namboariny intsony izy ary tsy hijery ireo sampy nataon'ny tanany, na ny tsatokazo fanajana an'i Asera na ny fandoroana vovo-javamanitra.
9 Amin'izany andro izany, dia hilaozana ireo tanana mimandan'i Israely, tahaka ny nandaozana ny tananan'ny Hivita sy ny Amorita fahiny tamin'ny nahatongavan'ny Israelita; ka taniefitra mampalahelo no ho hany tavela.
10 Nohadinoinao, ry Israely, ilay Andriamanitra mpamonjy anao ary tsy notsarovanao ilay vatolampy fiarovanao; ka namboly zavatra faingam-paniry ho an'ny sampy ianao sy namafy masomboly ho an'ny andriamani-tsiizy.
11 Tamin'ny andro nambolenao azy dia hitanao nitombo ny voly; ary vao maraina iny ihany, dia hitanao nitsimoka ny voa. Kanjo tonga ny andron'ny loza ka nanjavona ny vokatra ary tsy ahitam-panafana intsony ny aretina.
12 Andray izany firodorodon'ny vahoaka maro be toy ny fikotrokotroky ny ranomasina misafoaka! Andray izato fitrenan'ireo firenena, tahaka ny fidoboky ny onja mahery!
13 Ny fitrenan'ireo firenena dia toy ny fitrenan'ny ranomasimbe. Nefa rahonan'ny Tompo izy ireny ka lasa mandositra lavitra, toy ny akofa paohin'ny rivotra eny an-tendrombohitra sy tahaka ny vonin-javatra atambolimbolin'ny tadio.
14 Vao takariva dia injao ny horohoro, tsy maraina akory dia efa foana izany. Toy izany no hanjo izay nandroba antsika sy ho anjaran'izay namabo antsika.
Toko faha-18
1 Lozanao, ry tany misy ireo lakana manana elatra izay manara-morona ny onin'i Etiopia!2 Irahinao ny masoivoho izay mandeha lakan-jozoro eny ambonin'ny ranon'i Neily.-Miverena ianareo, ry iraka faingam-pandeha, any amin'ireo olona ranjanana sy malandilandy, any amin'ilay firenena atahorana hatreto ka hatrany am-paran'ny tany, any amin'ilay firenena matanjaka izay manosihosy ny fahavalony. Miverena any amin'ny taninareo izay vakivakin'ny ony maro.
3 Ianareo rehetra mponina amin'izao tontolo izao ka mipetraka eto ambonin'ny tany, mijere rehefa atsangana eny an-tendrombohitra ny faneva famantarana, mihainoa raha vao maneno ny anjomara.
4 Fa izao no nolazain'ny TOMPO tamiko: "Avy ety amin'ny fonenako ambony ety no andinihako izay miseho, ka tsy mihontsona mihitsy Aho toy ny hafanana migaingaina apariakan'ny masoandro sy toy ny raho-manify amin'ny fotoam-pijinjana."
5 Fa alohan'ny fotoam-pijinjana, rehefa tapitra namelana avokoa ny valoboka ary rehefa tonga voa sy mihamasaka ny voniny, dia horantsanana amin'ny hety ny rantsany, ary hotapahina ny sakeliny sy ny raviny.
6 Izany rehetra izany dia hilaozana ho an'ny vorona mpihaza eny an-tendrombohitra sy ny bibidia eny ambonin'ny tany; ao no handany fahavaratra ny vorona mpihaza ary handany ririnina ny bibidia rehetra.
7 Amin'izany fotoana izany dia hanolotra fanomezana ho an'ny TOMPOn'izao rehetra izao ireo olona ranjanana sy malandilandy, dia ilay firenena atahorana hatreto ka hatrany am-paran'ny tany, ilay firenena matanjaka izay manosihosy ny fahavalony sady vakivakin'ny ony maro ny taniny. Any an-tendrombohitra Tsiona izay hitoeran'ny TOMPOn'izao rehetra izao no hanolorany izany fanomezana izany.
Toko faha-19
1 Hafatra momba an'i Ejipta. Indro tonga any Ejipta ny TOMPO nitaingina rahona haingam-pandeha. Mangorohoro ny andriamani-tsiizy eo anatrehany ka nihaketraka anakampo ny Ejiptianina.2 Hoy ny TOMPO hoe: "Hampirisihiko hifandramatra ny samy Ejiptianina, ka hiady ny mpianakavy. Samy hiady amin'ny namany avy ny olona; ny tanana hiady amin'ny tanana ary ny fanjakana hiady amin'ny fanjakana.
3 Ho very hevitra ny Ejiptianina fa hampisavorovoroiko ny politikany; koa ny fanahin'ny maty sy ny mpimasy ary ny mpamoha angatra sy ny mpisikidy no hanontaniany.
4 Kanefa ny Ejiptianina dia hatolotro eo an-tanan'ireo tompo maherisetra; ary mpanjaka masiaka no hanapaka azy." Izany no teny hentitry ny Tompo ANDRIANANAHARIN'izao rehetra izao.
5 Ny rano amin'i Neiy dia ho ritra, ka ho tankina sy ho maina io ony io.
6 Ho maimbo ireo lakan-drano; ary ny sakeli-dranon'i Ejipta dia hihena sy ho tankina; ny volotara sy ny zozoro halazo.
7 Ny zava-maniry eo amin'ny vinanin'i Neily mbamin'ny fambolena rehetra eny amoron'io ony io dia ho maina avokoa sy ho lasan'ny rivotra ka tsy hisy na inona na inona intsony.
8 Misento sy mitomany ny mpanjono, samy talanjona ireo mpamintana rehetra sy ireo mpandatsaka harato amin'ny ony Neily.
9 Diso fanantenana ireo mpanao lamba rongony; na ireo vehivavy mpamoly na ireo lehilahy mpanenona dia samy hatsatry ny fanahiana.
10 Trotraka ireo mpanao zava-pisotro ary variana ireo mpamboatra labiera.
11 Tena adala mihitsy ireo printsy aoTsohana. Ary tena very saina ireo olon-kendrin'ny Farao. Ahoana no samy ilazanareo amin'ny Farao hoe: "Izaho dia zanak'olon-kendry sady taranak'ireo mpanjaka fahagola?"
12 Aiza ireo olon-kendrinao, ry Farao? Aoka izy hampahalala anao ary hampahafantatra anao izay notapahin'ny TOMPOn'izao rehetra izao mba hamelezana an'i Ejipta.
13 Lasa adala ny printsin'i Tsohana ary tena voafitaka ny ao Memfisa ; ireo filohan'ny faritaniny ireo ihany no nampivembena an'i Ejipta.
14 Fa nandatsahan'ny TOMPO fanahy mampivembena izy, ka dia nampivembena an'i Ejipta hatrany eo amin'ny asa rehetra ataon'io firenena io, izay tahaka ny mamo mivembena sady mandoa.
15 Samy tsy mahavita ny asany ny Ejiptianina, na ny any an-tampony na ny any am-potony, na ny sampandrofia na ny zozoro.