IsaiĆ 

Toko faha-28

7 Ireto koa misy miraingiraingy noho ny divay ary mivembena noho ny toaka: dia ny mpisorona sy ny mpaminany izay miraingiraingy noho ny toaka sy mivembena azon'ny divay.Mivembena azon'ny toaka ireo, miraingiraingy noho ny fahitana, ka misafotofoto mamoaka didim-pitsarana:

8 Feno loa ny ny latabatra rehetra misy azy, ka efa tsy misy toerana madio intsony.

9 Dia velom-panontaniana izy hoe: Iza no tian'iny Isaia iny hampianarina sy hanazavana ny fanambarana azony? Ankizy vao notazana ve sa zazakely vao nisara-nono?"

Toko faha-27

10 Fa hoy i Isaia amintsika: TSA ampiana V: TSAV; TSA ampiana V: TSAV. KA ampiana V: KAV; KA ampiana V: KAV. Indray mandeha ity, indray mandeha iry."

11 Eny, amin'ny fiteny tsy fantatra sy fiteny vahiny no hitenenan'ny Tompo amin'ity firenena ity!

12 Marina fa efa nilazan'ny TOMPO tokoa ireo hoe: "Eto no hahitanareo fialan-tsasatra, avelao hiala sasatra izay vizana, fa toerana milamina eto! "Kanjo tsy nety nihaino ireo.

13 Koa ny tenin'ny TOMPO ho azy ireo dia tonga tsy misy heviny toy ny hoe: "TSA ampiana V: TSAV; TSAampiana V: TSAV. KA ampiana V: KAV; KA ampianaV: KAV. Indray mandeha ity, indray mandeha iry. Ka farany ho tafintohina izy raha mandeha, dia hianjera mitsilany ka hahasimba ny voany, ary hifaningotra tongotra ka tsy ho afa-miarina.

14 Noho izany, mihainoa ny tenin'ny TOMPO ianareo mpaniratsira izay mpitondra ity firenena eto Jerosalema ity

15 Ianareo manao hoe: "Efa nanao fifanekena tamin'ny fahafatesana izahay ary efa nifanaraka tamin'ny toeran'ny maty; koa na ho avy aza ny loza, dia tsy hahatratra anay, fa ny lainga no ataonay fiarovana ary ny fitaka no ataonay fierena."

16 Koa izao no lazain'ny TOMPO ANDRIANANAHARY: "Indro Aho hametraka vato iray aoTsiona mba hizahan-toetra anareo, dia vato fehizoro sarobidy natao ho fanorenana mafy; ka izay matoky azy tsy hihontsina.

17 Ny rariny no ho raisiko ho hazo mahitsy, ary ny fahamarinana no hataoko pilao. Koa hopaohin'ny havandra ny fiarovan-tsandoka ianteheranareo ary hindaosin'ny rano ny fierenareo.

18 Ho foanana ny fifanekenareo tamin'ny fahafatesana ary tsy hateza ny fifanarahanareo tamin'ny toeran'ny maty; koa raha mandalo ny loza mifofofo fiavy, dia hanapotika anareo.

19 Na maraina na antoandro na alina no andalovan'ny loza, isaky ny mandalo izany, dia hahatratra anareo, ka horohoro moa izao raha vao re ny akon'izany!

20 Eny, hoy ny ohabolana, fohy loatra ny farafara ka tsy misy hitsorana, ary kely loatra ny lamba ka tsy ampy hirakofana.

21 Fa toy ny teo an-tendrombohitra Peratsima no hirotsahan'ny TOMPO an-tsehatra, ary toy ny tao amin'ny lemak'i Gibehona no hihetsehany hanao ny asany sy hanatanteraka ny zavatra ataony. Kanefa asa hafa kely izany, zavatra tsy araka ny mahazatra.

22 Koa ankehitriny, aza maniratsira intsony ianareo fandrao hihamafy kokoa ny tady eny am-bozonareo; satria ny Tompo ANDRIANANAHARIN'izao rehetra izao no nandrenesako fa efa voatendry ny handravany tanteraka ity tany ity.

23 Koa manongilana sofina hihaino tsara ahy, ary tandremo izay lazaiko aminareo:

24 Ny tantsaha izay te hanao famafazana dia tsy revo miasa tany fotsiny na manoritsoritra sy mandamaka azy.

25 Fa rehefa voaravony ny tany, dia afafiny ny voan'anana nigela na komina; avy eo dia alahany ny varim-bazaha sy ny orza amin'ny toerana voafaritra ho azy ; ny ampemba kosa voleny amin'ny sisiny.

26 Izany no fomba natoron'Andriamaniny azy; izany no nampianariny azy.

27 Fa tsy fitaovam-pivelezana misy vy no anintsanam-boa ny nigela, ary tsy kodian-tsarety no anintsanam-boa ny komina ; fa tehina no anintsanam-boa ny nigela, ary fantaka no anintsanam-boa ny komina.

28 Saingy ny vary fanao mofo kosa dia tsy tokony ho mongoina fa ho velezina; hampanitsahana ny salohim-bary ny fitaovam-pivelezana tarihin'omby, kanefa tsy ho mongoina tsy akory ny vary.

29 Izany koa dia avy amin'ny TOMPOn'izao rehetra izao, Ilay maneho fikasana mahagaga sy fahaiza-manao mahatalanjona.

Toko faha-29

1 "Indrisy, ry Ariela ! Ry Ariela, tananan'i Jerosalema, nataon'i Davida fahirano fahiny! Na hiverina isan-taona isan-taona aza ny fitsingeringerenan'ny andro fety,

2 dia hampahoriko ianao, hoy ny TOMPO, ka alahelo sy fahoriana lalina no hanjo anao, ary ho tonga ariela""-n'ny alitara ianao amiko."

3 Hanao fahirano anao tahaka ny nataon'i Davida Aho ary hanisy miaramila hanemitra anao sy hanangana tovon-tany hamelezana anao.

4 Haetry ianao ka hiteny avy ao an-kibon'ny tany ao. Hibitsibitsika ny feonao mamakivaky ny vovoka; mova tsy feon'ny matoatoa miala avy amin'ny tany sy misamoina avy ao amin'ny vovoka ny teninao.

5 Toy ny vovoka mitora-jofo ny habetsaky ny fahavalonao, toy ny akofa misavoana ny olon-dozabe mamely anao. "Fa ho tampoka dia tampoka kosa

6 no hiavian'ny famaliana hamonjena anao avy amin'ny TOMPOn'izao rehetra izao, Izay homban'ny kotro-baratra sy ny horohoron-tany ary firohondrohona mafy, homban'ny tadio sy ny tafio-drivotra ary ny lelafo mandevona.

7 Toy ny nofy na fahitana mihelina amin'ny alina no hanjavonan'ireo firenena maro be mamely anao, ry Ariela, dia ireo rehetra miady aminao ka manangana tovon-tany hampahoriana anao.

8 Ho tahaka ny olona mosarena manonofy mihinana, kanjo nony taitra dia noana ihany ny kibony; ho tahaka ny olona mangetaheta manonofy misotro, kanjo nony taitra dia trotraka fa mbola maina ihany ny tendany; ho tahaka izany ireo firenena marobe izay miady amin'ny tendrombohitraTsiona.

9 Migaga ka mitalanjona ianareo. aoka ho jamba ka tsy hahita, ho mamo nefa tsy amin-divay, hivembena nefa tsy amin-toaka!

10 Fa ny TOMPO efa nampidina fanahy mampatory tao aminareo ary notampenany ny masonareo , -hilazana ireo mpaminany izany-, sady nosaronany ny lohanareo,-hilazana ny mpahita izany.

11 Ny fanambarana izany rehetra izany ho anareo dia miafina toy ny tenin'ny raki-tsoratra voaisy tombokase. Dia omena izay mahay mamaky teny izany ka iangaviana azy hoe: "Azafady, mba vakio kely ity". Fa hamaly izy hoe: "Tsy azoko atao izany, satria voaisy tombokase io raki-tsoratra io."

12 Dia omena izay tsy mahay mamaky teny indray izany ka iangaviana azy hoe: "Azafady, mba vakio kely ity"; fa hamaly izy hoe: "Tsy mahay mamaky teny aho."

13 Ary hoy ny TOMPO hoe: "Ity firenena ity manatona Ahy am-bava fotsiny sy manome voninahitra Ahy an-tendromolotra ihany fa ny fony kosa manalavitra Ahy; ka fomban'olombelona nianarana ihany ny fanajana asehony Ahy.

14 Noho izany, indro Aho mbola hanao zava-mahagaga ho an'ity firenena ity, dia zava-mahagaga sy mahazendana; fa ho foana ny fahendren'ny olon-kendriny ary ho takona ny fahaizan'ny manampahaizany."

15 Lozan'izay manao zavatra an-tsokosoko ka manafina ny paikany amin'ny TOMPO sy mamorona teti-dratsy ao amin'ny maizina. "Iza no mahita antsika, hoy izy, ary iza no mahalala izay ataontsika?"

16 Oadray ity hadalanareo e! Ny mpanefy ve ho heverinareo hitovy amin'ny tanimanga? Ny taozavatra ve hanao amin'ny mpanao azy hoe: "Tsy ianao no nanao ahy"? na ny fanaka bakoly hilaza amin'ny mpanefy azy hoe: "Tsy misy zavatra hainao akory "?

17 Moa tsy afaka fotoana kely monja dia hovana ho saha mahavokatra ny alan'i Libano, ary hovana ho ala ny saha mahavokatra?

18 Amin'izany andro izany ny marenina dia handre izay voalaza ao amin'ny boky; ary hiala ao amin'ny haizim-pito ny mason'ny jamba ka hahita.

19 Ny malahelo hiravoravo amin'ny TOMPO hatrany, ary ny mahantra ho dibo-kafaliana noho ny amin'Ilay Masin'i Israely.

20 Satria tapitra hatreo ny mpanjakazaka ary ho levona ireo mpaniratsira, haringana ireo rehetra mitady hanimba ny hafa,

21 ka miampanga lainga azy amin'ny teny sy mamandrika ny mpitsara mba hamarina ny tsy manan-tsiny any an-davaka.

22 Noho izany ary, ny TOMPO Andriamanitr'i Jakoba sy ny taranany sady mpanavotra an'i Abrahama dia nilaza izao teny izao: "Tsy ho menatra intsony ny taranak'i Jakoba, ary tsy hivaloarika intsony ny tarehiny."

23 Satria raha mahita izay hataoko eo anivony ny tenany sy ireo taranany, dia hanome hasina ny anarako, hanome hasina Ahy satria Izaho no ilay Masin'i Jakoba ary hangovitra eo anatrehako satria Izaho no Andriamanitr'i Israely.

24 Mbola hanan-tsaina indray ireo nivilivily fanahy ary hanaiky hampianarina indray ireo tsy nitsaha-nanakiana.

Toko faha-30

1 Lozanareo zanaka maditra, hoy ny teny hentitry ny TOMPO! Manao tetikasa ianareo, nefa tsy avy amiko ireny; manao fifanekena, nefa tsy araka ny Fanahiko. Heloka ampiana heloka izany.

2 Tsy manontany Ahy akory ianareo nefa mandeha midina any Ejipta mba hitady fiarovana amin'ny Farao sy fialofana eo ambany alok'i Ejipta.

3 Hivadika ho henatra ho anareo izany fiarovan'ny Farao izany, ary ho fahafaham-barakanareo ny fialofana eo ambany alok'i Ejipta,

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.9096