IsaiĆ 

Toko faha-25

3 Noho izany, dia hisy firenena matanjaka hanome voninahitra Anao; ary ny tananan'ireo firenena lozabe dia haneho fanajana Anao.

4 Fa Ianao tokoa no fiarovana mafy ho an'ny osa; eny, fiarovana mafy ho an'ny malahelo Ianao amin'ny andro mampahory azy ireny. Fialofana amin'ny orana Ianao sady alokaloka amin'ny hainandro, satria ny fisafoaky ny mpanjakazaka dia toy ny oram-batravatra hamely tamboho

5 na toy ny hainandro mitarika tany karakaina. Resenao ny tabataban'ny mpiavonavona; eny, toy ny andrakofan-drahona ny hainandro no ampanginana tsy ho re intsony ny hiram-pandresen'ny mpanjakazaka.

6 Eto amin'ity tendrombohitra Tsiona ity, ny TOMPOn'izao rehetra izao dia hanao fanasana ho an'ny firenena rehetra, fanasana amin'ny hena matavy omban-divay niotrika ela, dia hena matavy be sy feno tsoka ary divay niotrika ela sady voadio tsara.

7 Eto Izy no hanafoana ny voalim-pisaonana izay nanarona ny vahoaka rehetra, hanafoana ny lambam-pahoriana izay nandrakotra ny firenena rehetra.

8 Hofoanany tsy hisy mandrakizay ny fahafatesana. Hofafan'ny Tompo ANDRIANANAHARY ny ranomaso amin'ny tava rehetra , ary ho esoriny ny fahafaham-baraka nahazo ny vahoakany manerana ny tany. Izany no nampanantenain'ny TOMPO.

9 Amin'izany andro izany no hilazana hoe: "Indro ny Andriamanitsika. Nanantena Azy isika, hany ka novonjeny. Eny, Izy no TOMPO nantenaintsika, koa mifalia sy miravoa isika fa novonjeny!

10 Fa hipetraka amin'ity tendrombohitra ity ny tanam-piarovan'ny TOMPO! "Fa i Moaba kosa ho hosihosena eo amin'ny toerany toy ny fanosihosy mololo ao am-pahitra tondra-drano.

11 Ao izy no hitsiparaoka tanana toy ny fanaon'ny mpilomano; nefa hampietry ny avonavon'i Moaba ny TOMPO na dia eo aza ny hamailaky ny tanany.

12 Ary ny mandanao mafy sy sarotra iakarana, ry Moaba, dia efa nazeran'ny TOMPO sy narodany ka nilamaka an-tany hiafara am-bovoka.

Toko faha-26

1 Amin'izany andro izany, ao amin'ny tanin'i Joda dia hihirana izao hira izao: "Manan-tanana mafy isika. Manda roa sosona no nataon'ny TOMPO mba ho fiarovana azy.

2 Vohay ireo vavahady hidiran'ny firenena mahatoky izay mitana ny fahamarinana.

3 Ny toe-tsainy tsy miovaova; ka omenao fiadanana hatrany izy satria matoky Anao, TOMPO o.

4 Matokia ny TOMPO hatrany hatrany ianareo, satria ny TOMPO no vatolampy mandrakizay.

5 Izy no nampietry ireo mpiteronterona sy nandrodana ny tanana sarotra iakarana; eny, nampidaboka azy tamin'ny tany Izy ka nampitrosona azy tamin'ny vovoka

6 mba ho hitsahin'ny mahantra sy ny malemy.

7 TOMPO o, toroanao lala-mahitsy ny olo-marina; ary tsy miolikolika ny lalana soritanao ho azy.

8 Eny, lalana atoron'ny didim-pitsaranao no anantenanay Anao, TOMPO o. Ny hanonona ny anaranao sy hahatsiaro Anao no hetahetam-ponay.

9 Maniry ny atrehinao aho amin'ny alina; eny, mitady Anao ny fanahiko ato anatiko. Rehefa ny didim-pitsaranao no ampiharinao amin'ny tany, dia hahay hitondra tena mahitsy ny mponina eran'izao tontolo izao.

10 Fa raha amindrana fo ny olon-dratsy, dia tsy hahatakatra ny fahamarinana, fa hamilivily ny rariny eto an-tany ka tsy hahita ny fiandrianan'ny TOMPO.

11 TOMPO o, manandra-tanana handrahona Ianao kanefa tsy ahoan'ireo olon-dratsy akory. Aoka ho menatra izy raha mahita ny zotomponao hiaro ny vahoakanao; eny, aoka handevona azy ny afo izay natokanao ho an'ny fahavalonao !

12 TOMPO o, Ianao no manome anay ny fiadanana ary Ianao koa no mahatomombana ho anay ny asa rehetra nataonay.

13 Ry TOMPO Andriamanitray o, tompo maro no efa notompoinay talohanao; nefa ny anaranao ihany no satrinay ho tsaroana.

14 Ny maty tsy ho velona intsony ary ny matoatoa tsy hitsangana koa; fa efa nirotsaka handringana azy Ianao ka nolevoninao mbamin'ny fahatsiarovana azy.

15 TOMPO o, nampitomboinao ny firenenay, ary izany no nahazoanao voninahitra; eny, nampitomboinao ny firenenay ka nitarinao halalaka avokoa ny sisin-taniny.

16 TOMPO o, fony azom-pahoriana izahay, dia nitady Anao tokoa; ary niantso vonjy taminao izahay, rehefa voaterin'ny famaizanao.

17 Toy ny vehivavy mihetsi-jaza hiteraka ka miolanolana sy mitaraina mafy, dia toy izany izahay teo anatrehanao, TOMPO o.

18 Izahay koa dia moa va tsy efa bevohoka sy efa nihetsi-jaza hiteraka, nefa tahaka ny zava-poana no naterakay. Tsy nahay nitondra fanafahana ho an'ny tany izahay, tsy nahay nitondra mponina vaovao ho an'izao tontolo izao.

19 Ho velona indray ireo maty ao aminao, ry fireneko, ary hitsangana ny fatiny. Hifoha sy hanao hobim-pifaliana ireo matory ao amin'ny vovo-tany, fa handefasan'ny Tompo andom-pahazavana ianao ka hateraky ny tany indray ireo nodimandry.

20 Ndeha miditra any an-tranonao, ry fireneko, ka hidio mafy ny varavarana; miere kely indray mipy maso monja ianao mandra-pisindan'ny fahatezeran'ny Tompo.

21 Fa indro ny TOMPO mivoaka ny fonenany mba hanadina ny mponina amin'ny tany momba ny heloka vitany. Hasehon'ny tany ireo ra notrohiny ary tsy hafeniny intsony ireo novonoina ho faty teo aminy.

Toko faha-27

1 Amin'izany andro izany, dia hirotsaka an-tsehatra ny TOMPO ka handray sabatra mafy sady lehibe no mahery hamelezana ny Leviatana, ilay bibilava mitsoriaka sy mihorongorona; ary hovonoin'ny TOMPO ho faty izany dragona an-dranomasina izany.

2 Amin'izany andro izany no andredony hira momba ny voaloboka manome divay tsara hoe:

3 "Izaho TOMPO no mpiaro azy ka manondraka azy amin'ny fotoana sahaza; ambenako izy na andro na alina fandrao misy manimba.

4 Tsy tezitra aminy intsony Aho, kanefa aoka tsy hisy tsilo na songosongo ao; hongotako sy ho dorako avokoa ireny!

5 Fa izay mifikitra eo ambany fiarovako no hamitram-pihavanana amiko; eny, hamitram-pihavanana amiko izy.

6 Amin'ny andro ho avy, dia hanan-tsimoka vaovao ny vahoakan'i Jakoba ary hamony hivelatra indray i Israely ka hameno izao tontolo izao ny voany.

7 Nokapohin'ny TOMPO ireo nikapoka ny vahoakany; toy izany koa ve no nikapohan'ny Tompo ilay vahoakany? Naripaky ny Tompo ireo nandripaka ny vahoakany; toy izany koa ve no nandripahan'ny Tompo ilay vahoakany?

8 Tsia, fa nohelohiny hatao sesitany izy ka halefa any am-pahababoana, nopaohiny tamin'ny rivo-mahery, dia tamin'ny andron'ny rivotra avy any atsinanana.

9 Fa ankehitriny dia toy izao no hamelana ny heloka vitan'ireo taranak'i Jakoba, ary izao no ho vokatry ny famelana ny fahotany: hopotehiny toy ny vato sokay voatorotoro ny vato rehetra eo amin'ny alitara, ary tsy havelany hitsangana intsony na ny tsatokazo fanajana an'i Asera na ny fandoroana vovo-javamanitra.

10 Tsy hisy olona intsony ao an-tanana mimanda fa ho foana sy ilaozana toy ny taniefitra izany, ka ho lasa toeram-piraofan'ny zanak'omby, handriany sy hihinanany ravin-kazo.

11 Rehefa maina ny rantsan-kazo, dia hotapahina; ary ho avy ny vehivavy ka handoro azy. Tsy manam-pahalalana tokoa ity firenena ity ka tsy hiantran'ilay Mpahary azy, sady tsy hangorahan'ilay Mpamorona azy.

12 Amin'izany andro izany, dia hovelesin'ny TOMPO ireo salohim-bary voajinja manomboka eo amin'ny ony Eofrata ka hatrany amin'ny ranon-driakan'i Ejipta. Amin'izay ianareo, ry Israelita, dia samy hotsimponina tsirairay.

13 Amin'izany andro izany, dia hanakoako ny feon'ny anjomara lehibe; ka ho tonga avokoa ireo very tany Asiriana ireo tafaely tany Ejipta mba hiankohoka eo anatrehan'ny TOMPO ao an-tendrombohitra masina any Jerosalema.

Toko faha-28

1 Lozan'i Samaria, tanana izay satroboninahitra sady reharehan'ny mpidoroka ao Efraima! Ery an-tendron'ny lohasaha lonaka izy, ka ny haingony marevaka dia voninkazo mihamalazo eny an-dohan'ireo lehilahy mamon-divay.

2 Indro misy hery lehibe alefan'ny TOMPO ka toy ny oram-baratra manavandra izany, toy ny rambon-danitra mpandrava, toy ny oram-be mandriaka mahatondra-drano: indray mipaoka monja no androdanan'ny Tompo ny tanana manontolo hitrosina amin'ny tany.

3 Dia ho voahitsakitsaka am-paladia ilay tanana miendrika satroboninahitra, sady reharehan'ny mpidoroka ao Efraima.

4 Ho voahitsakitsaka am-paladia ny voninkazo mihamalazo izay haingony marevaka tery an-tendron'ny lohasaha lonaka. I Samaria dia ho tahaka ny voan'aviavy masaka alohan'ny fahavaratra, ka izay mahita azy dia hioty ary hitelina azy indraim-bava.

5 Amin'izany andro izany dia ny TOMPOn'izao rehetra izao mihitsy no hanjary satroboninahitra marevaka, fehiloha sy haingon'ireo sisa velona amin'ny vahoakany.

6 Izy no hanome fahaiza-mitsara an'izay mipetraka hitsara ary koa hanome herimpo an'ireo mpanosika ny fahavalo manafika eo anoloan'ny vavahady.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.9384