IsaiĆ 

Toko faha-10

20 Amin'izany andro izany, ireo sisa velona amin'i Israely na ireo sisa tavela amin'ny taranak'i Jakoba, dia hitsahatra tsy hiankina amin'ireo namely azy intsony; fa ny TOMPO, ilay Masin'i Israely, no hiankinany marina tokoa.

21 Hisy sisa hiverina, eny, hisy sisa amin'ny taranak'i Jakoba hiverina amin'Andriamanitra mahery.

22 Kanefa na dia marobe toy ny fasika eny amoron-dranomasina aza ny vahoakanao, ry Israely, dia io sisa io ihany no hiverina amin'ny TOMPO. Efa voatendry ny fandravana, izay hampihanaka ny fahamarinana.

23 Eny, ny fandravana izay voatendrin'ny TOMPO ANDRIANANAHARIN'izao rehetra izao no hotanterahiny eo anivon'ny tany tontolo.

24 Izany no antony ilazan'ny TOMPO ANDRIANANAHARIN'izao rehetra izao hoe: "Aza matahotra an'i Asirianina, ry vahoakako monina ao Tsiona! Kibay sy langilangy no ikapohany anao toy izay nataon'ny Ejiptianina taminao fahiny ;

25 fa rehefa afaka kelikely, fotoana fohy monja, dia hitsahatra ny fahavinirako aminao ary hisampotina aminy ny fahatezerako."

26 Harangarangan'ny TOMPOn'izao rehetra izao manko ny karavasy hikapohany an'i Asiria tahaka izay nataony tamin'ny famelezana ny Midianita teo amin'ny harambaton'i Horeba; ary hatsotrany eny ambony ranomasina ny tehiny, toy izay nataony tany Ejipta.

27 Amin'izany andro izany, ho esoriny eo an-tsorokao ny enta-mavesatra, ary halany eo am-bozonanao ny zioga. Miakatra ao Samaria ny fahavalo,

28 tonga ao akaikin'i Haiata, dia mandalo ao Migrona ary mametraka ny entany ao Mikmasy.

29 Mamakivaky ny hadilanana izy sady miteny hoe: "Any Geba isika no hitoby anio alina. "Mangovitra noho ny tahotra ny ao Rama; lasa mitsoaka ny ao Gibeha, izay tanana fiavian'i Saoly.

30 Miantsoantsoa mafy, ry olona ao Galima! Mihainoa ianareo ao Laisa, ary mamalia ianareo ao Hanatota.

31 Mandositra ny ao Madmena ary misitrika ny mponina ao Gebima.

32 Fa androtr'io ihany ny fahavalo dia maka toerana ao Noba, ka maninji-tanana mandrahona an'i Tsiona, dia ilay tendrombohitra mampahonena, ilay havoana iorenan'i Jerosalema.

33 Indro ny TOMPO ANDRIANANAHARIN'izao rehetra izao fa manjera rantsana amin-kerisetra; voakapa ny hazo mijoalajoala, voadaboka ny hazo avo dia avo.

34 Kapaina amin'ny famaky ny ala mikitroka, nianjera ny sedera mijoalajoalan'i Libano.

Toko faha-11

1 Misy rantsana misandrahaka avy amin'ny fototr'i Jisay; misy solofo mipoitra avy amin'ny fakany.

2 Ny Fanahin'ny TOMPO no mitoetra eo aminy, dia Fanahy manome fahendrena sy fahaiza-manavaka; Fanahy mahay mamolavola sy manatanteraka, Fanahy ahalalana sy anajana ny TOMPO;

3 ary io no hanoro azy ny fanajana ny TOMPO. Tsy hitsara araka ny ivelany fotsiny izy na hanapaka araka izay ren'ny sofiny,

4 fa hitsara ny malahelo ara-drariny ary hamoaka didy araka ny hitsiny ho an'ny mahantra eo amin'ny tany. Ny teniny no toy ny tsorakazo hikapohany ny tany ary ny fofonain'ny vavany no hamonoany ny olon-dratsy.

5 Ny rariny no ho fisikinany ary ny toetra hentitra no ho fehikibony.

6 Koa ny amboadia hiara-mipetraka amin'ny zanak'ondry, ny leoparda hiara-mandry amin'ny zanak'osy; ny zanak'omby sy ny liona tanora hiara-mihinana ka zazalahy kely no hitarika azy.

7 Ny ombivavy sy ny orsa vavy hiara-miraoka; ary ny zanak'izy ireo hiara-matory. Hihinam-bilona toy ny omby ny liona.

8 Ny zaza mbola minono hilalao eo an-davaky ny bibilava; ary ny zaza misara-nono hanatsofoka ny tanany ao an-davaky ny menarana.

9 Tsy hisy hanimba na handratra manerana ny tendrombohitra masina, satria ny fahalalana ny TOMPO no hanenika izany tany izany tahaka ny anaronan'ny rano ny fanambanin'ny ranomasina.

10 Amin'izany andro izany ny solofon'i Jisay dia hatsangana ho fanevan'ny firenena rehetra; ka hitady azy ny firenen-kafa , ary hanjary be voninahitra ny fonenany.

11 Amin'izany andro izany ny TOMPO dia haninjitra ny tanany indray mba hanavotra izay sisa velona amin'ny vahoakany, dia izay sisa velona avy any Asiria, avy any Ejipta ambany sy ambony ary avy any Etiopia, avy any Helama sy Babilonia ary avy any Hamatana avy amin'ireo tany amoron-dranomasina.

12 Hanangana faneva ny TOMPO mba hahafantaran'ny hafa firenenafa hamory ireo sesitany tamin'i Israely Izy ary hanangona ireo niely patrana tamin'i Joda avy any amin'ny vazan-tany efatra.

13 Hitsahatra ny fialonan'i Efraima ary ho foana ny fankahalan'i Joda: i Efraima tsy hialona an'i Joda intsony ary i Joda tsy hankahala an'i Efraima intsony.

14 Dia hiara-kirohotra hiankandrefana eny amin'ny havoan'ny Filistinina izy roa tonta ary handeha hiantsinanana handroba ny foko any an-taniefitra, ka hanitatra ny fahefany amin'i Edoma sy i Moaba ary hametraka ny Hamonita ho eo ambany fifehezany.

15 Handritra ny helo-dranomasin'i Ejipta ny TOMPO; haninji-tanana handrahona ny ony Eofrata Izy, ka ny rivo-mahery avy aminy no hizarany azy hisampantsampana ho sakeli-drano fito izay ho azo diavin-tongotra tsy miala kapa.

16 Hisy lalana ho an'ny sisa velona amin'ny vahoakany, dia izay sisa velona avy any Asiria, tahaka izay niseho fahiny tamin'iIsraely fony izy niakatra avy tany Ejipta.

Toko faha-12

1 Amin'izany andro izany, ry olona voaavotra, dia hiteny ianao ka hanao hoe: "Midera Anao aho, TOMPO o; fa na tezitra tamiko aza Ianao, dia afaka ny fahatezeranao ka nampionona ahy Ianao.

2 Indro Andriamanitra namonjy ahy, matoky Azy aho ka tsy mangovitra intsony. Ny TOMPO no heriko sy fiderako, fa Izy no mpamonjy ahy."

3 Amim-pifaliana no hantsakanareo eo amin'ny loharanom-pamonjena.

4 Amin'izany andro izany dia hiteny ianareo ka hanao hoe: "Midera ny TOMPO, antsoy ny anarany, ambarao amin'ny vahoaka rehetra ny asany, ampahatsiarovy azy fa tsy hay takarina ny anarany.

5 Ankalazao an-kira ny TOMPO fa asa lehibe no nataony; ary aoka hampahafantarina eran-tany izany!"

6 Mifalia sy miravoravoa, ry mponina ao Tsiona, fa lehibe Ilay eo anivonareo, dia Ilay Masin'i Israely.

Toko faha-13

1 Hafatra momba an'i Babilona araka ny fahitan'i Isaia, zanakalahin'i Amotsa.

2 Hoy ny TOMPO hoe: "Manangana faneva eo an-tendrombohitra mangadihady. Ampandreneso amin'ny koka lava ireo mpiady. Hofahofay tanana izy mba hiditra amin'ny vavahadin'ny miaramila manolo-tena.

3 Izaho mihitsy no mibaiko ireo voatokana ho Ahy Izaho koa no niantso ireo mpiady mahery, dia ireo faly handresy ho voninahitro mba hanehoana ny fahatezerako."

4 Henoy izany horakoraka any an-tendrombohitra fa toy ny feon'ny vahoaka marobe. Henoy izany fitabatabana ataon'ny fanjakana sy firenena maro tafavory: ny TOMPOn'izao rehetra izao no misafo ny andian-tafika hiady.

5 Tonga avy any an-tany lavitra ireo, avy any am-paravodilanitra any ho enti-mandrava manontolo io tany io: ny TOMPO sy ireo fitaovan'ny fahatezerany izany.

6 Manaova kiakiakam-pisaonana, satria akaiky ny andron'ny TOMPO; toy ny loza tsy hay tohaina no firongany avy amin'Andriamanitra Tsitoha.

7 Noho izany dia hiraviravy tanana ny besinimaro ary ho ketraka ny fon'ny olona rehetra.

8 Ho very hevitra tokoa izy noho ny fanaintainana sy ny fahoriana mahazo azy ka hiolanolana toy ny vehivavy hiteraka. Talanjona izy mifampijery ka mivaloarika ny tarehiny.

9 Indro avy ny andron'ny TOMPO, andro ombam-pahatezerana tsy azo ivalozana sy isehoam-pahavinirana mirehitra, ka hahatonga izany tany izany ho hay sady handringanana ny mpanota tsy ho ao intsony.

10 Ny kintana eny an-danitra, na ny telonohorefy aza, dia tsy hampamirapiratra ny fahazavany intsony; vao miposaka ny masoandro dia ho maizina, ary ny volana tsy handefa ny tarany intsony.

11 Hoy ny TOMPO hoe: "Hirotsaka an-tsehatra Aho hamaly ny faharatsian'izao tontolo izao sy ny heloka vitan'ny olon-dratsy. Hatsahatro ny fireharehan'ny mpiavonavona ary haetriko ny rehaky ny mpanao didy jadona.

12 Hataoko mahalana ny olombelona ka ho saro-tadiavina noho ny volamena madio, mahalana ka ho saro-tadiavina noho ny volamena avy any Ofira aza."

13 Ny lanitra dia hihozongozona ary ny tany hihovitrovitra eo amin'ny toerany noho ny fahatezeran'ny TOMPOn'izao rehetra izao, dia amin'ny andro hirehetan'ny fahavinirany.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.9532