IsaiĆ
Toko faha-8
13 Ny TOMPOn'izao rehetra izao ihany no aoka hoekenareo ho masina! Izy no hatahoranareo sy hangovitanareo.14 Toeramasina tsy azo zimbazimbaina ny TOMPO, ka ho vato mahasolafaka sy vatolampy mampianjera Izy, ho an'ny fanjakana roa eto Israely; ary maro no hianjera eo ka ho lavo sy ho mongomongo.
15 Ho harato sy fandrika ny Tompo ho an'ny mponina ao Jerosalema; ary maro no ho voafandrika eo ka tsy ho afa-mitsoaka.
16 Fonosy izany hafatra izany, ry Isaia, ary asio tombokase ny fampianarana ho eo anivon'ireo mpianatro ihany.
17 Hiandry ny TOMPO aho satria manafin-tava amin'ny taranak'i Jakoba Izy izao, kanefa manantena Azy aho.
18 Ny tenako sy ny zaza izay nomen'ny TOMPO ahy dia natao famantarana sy fambara mialoha ho an'i Israely avy amin'ny TOMPOn'izao rehetra izao, dia Ilay monina ao an-tendrombohitraTsiona.
19 Misy milaza hoe: "Anontanionareo ny avelon'ny maty izay mibitsibitsika sy misaosao eo am-pilazana ny ho avy. Ara-dalana raha manontany izay heveriny ho andriamanitra ny vahoaka iray; ara-dalana raha manontany ny maty izy mba ho fanasoavana ny velona."
20 Izao kosa no havalinareo izany: "Ao amin'ny fampianarana sy ny hafatry ny TOMPO ihany no tsy maintsy hiverenana."Fa izay tsy miteny araka izany baiko izany dia tsy hiposahan'ny taratry ny maraina.
21 Handalo ao amin'io tany io ny olona, izay efa vizana sy noana. Noho ny hanoanana dia hisafoaka izy ka hanozona ny mpanjakany sy ilay Andriamaniny. Hiandrandra ny lanitra izy
22 ary hiondrika hijery ny tany, ka indro fahoriana sy haizina no hitany, haizim-pito mampitebiteby sy alina tsy misy mangirana.
23 Kanefa tsy hisy haizina intsony eo amin'ny toerana izay efa nozoim-pahoriana. Nataon'ny Tompo afa-baraka fahiny ny tanin'i Zebolona sy i Naftaly; fa aty aoriana kosa dia homeny voninahitra ny lalana manamorona ny ranomasina,sy ny faritra eny am-pita atsinanan'i Jordana ary koa i Galilea onenan'ny hafa firenena.
Toko faha-9
1 Ny vahoaka mandeha ao anatin'ny haizina dia hahita hazavana lehibe; ary ny olona mipetraka ao amin'ny tany izay tandindomin'ny fahafatesana dia hiposahan'ny hazavana.2 Nohamaroinao ny fifaliany ary nampitomboinao ny firavoravoany. Miravoravo eo anatrehanao izy tahaka ny iravoravoana amin'ny fararano sy anaovana antsoantsom-pifaliana rehefa injay mizara babo ny olona.
3 Fa ny ziogam-pamoretana nanindry ny vahoakanao, ny tsora-kazo nikapohana ny lamosiny, ny kibay namelezan'ny mpampiasa azy dia samy hopotehinao avokoa toy ny tamin'ny andro nampandosiranao ny Midianita.
4 Fa ny kiraro rehetra entim-pahavalo ka mikatrokatroka mampihozongozon-tany ary ny fitafiana rehetra voahorona mihosin-dra dia samy hodorana avokoa holevon'ny afo.
5 Satria misy zaza teraka ho antsika, zazalahy no omena antsika; eny an-tsorony ny mari-piandrianany, ary ny anaram-boninahiny dia hatao hoe: Mpitondra mahay, Andriamanitra mahery, Ray mandrakizay, Andriana mitondra ny fiadanana.
6 Hanao izay hanitarana ny fahefany izy ary hampisy fiadanana tsy misy fetra. Ny seza fiandrianan'i Davida no hipetrahany ary ny fanjakany no ho feheziny ka haoriny sy ho hamafisiny amin'ny rariny sy ny hitsiny, hatramin'izao ka ho mandrakizay. Izany no hotanterahin'ny TOMPOn'izao rehetra izao, vokatry ny firedaredam-pitiavany
7 Namoaka didim-pitsarana ny TOMPO ho fanoherana ny taranak'i Jakoba, ka ny fanjakan'i Israely no niharan'izany.
8 Samy mahalala izany avokoa ny mpiray firenena rehetra, dia ny fanjakan'i Efraima manontolo sy ny mponina ao Samaria. Fa tamin'avonavona sy fireharehana no nitenenan'izy ireny hoe:
9 Rindrina biriky no nirodana fa rindrim-bato kosa no hatsanganay. Tsivalan-kazo aviavy no nadaboka fa tsivalan-kazo sedera kosa no hasolonay azy.
10 Kanjo nomen'ny TOMPO tombon-dahiny ny fahavalon'i Israely, dia i Retsina izany; eny, notairiny tokoa ireo fahavalony,
11 dia ny Sirianina teo anoloany ary ny Filistinina tao an-damosiny, ka nandrapaka an'i Israely indraim-bava. Saingy, na teo aza izany rehetra izany, dia mbola tsy afaka ny fahatezeran'ny TOMPO fa mihinji-tanana mandrahona ihany Izy.
12 Dia toy izany no nikapohan'Andriamanitra ny vahoakany; kanefa tsy niverina tamin'Andriamanitra ihany izy, tsy notadiaviny ny TOMPOn'izao rehetra izao.
13 Koa tanatin'ny indray andro monja no namongoran'ny TOMPO an'i Israely, na ny any an-tampony na ny any am-potony, na ny sampandrofia na ny volotara.
14 Fa ny loholona sy ny manankaja no tampony, ary ny mpaminany mampianatra lainga no fotony.
15 Ny mpitarika ity firenena ity dia tsy nanao afa-tsy ny nampivaona azy, ka izay rehetra notarihiny dia nandeha tamin'ny lalan-tsiizy avokoa.
16 Noho izany, dia tsy hiantran'ny TOMPO ireo tanorany ary tsy hamindrany fo ireo kamboty sy mpitondra tenany. Fa olona tsy mahatoky sady mpanao ratsy izy rehetra ary ny vavany samy miteny hadalana avokoa. Saingy, na teo aza izany rehetra izany, dia tsy mbola afaka ny fahatezeran'ny Tompo fa mihinji-tanana mandrahona ihany Izy.
17 Eny, midedadeda tokoa ny faharatsiana toy ny afo mandoro ny tsilo sy ny songosongo sady mandrehitra ny kirihitr'ala ka mampisavoana ny setroka mitambolina.
18 Tezitra mafy ny TOMPOn'izao rehetra izao, ka dia mirehitra izany tany izany ary toy ny levon'ny afo ny vahoakany. Tsy misy olona miantra ny namany:
19 andidiana ny eo an-kavanana nefa mbola noana ihany ny tena, ihinanana ny eo an-kavia nefa mbola tsy voky ihany. Samy mihinana ny havany avokoa izy:
20 ny fokon'i Manase mihinana ny fokon'i Efraima, ny an'i Efraima kosa mihinana ny an'i Manase, ary izy roa tonta no indray mamely ny fokon'i Joda. Saingy, na teo aza izany rehetra izany, dia mbola tsy afaka ny fahatezeran'ny TOMPO fa mihinji-tanana mandrahona ihany Izy.
Toko faha-10
1 Lozan'ireo olona mamoaka didy tsy marina ary maika hampanoratra lalana mampahory.2 Hanesorana eo amin'ny fitsarana ny fitarainan'ny madinika izany ary hamerezan-jo aman-drariny ny mahantra eo amin'ny vahoakako, hamaboan-karena ny mpitondra tena ary koa handrobam-pananana ny kamboty.
3 Amin'ny andro famalian'ny TOMPO, raha ho tonga avy any lavitra ny rambondanitra handrava, inona no azonareo atao, aiza no handosiranareo hitadiavam-bonjy ary aiza no hametrahanareo ny harenareo?
4 Izao ihany no azonareo atao: hitanondrika miaraka amin'ireo babo na hidaboka miaraka amin'ireo maty. Saingy, na teo aza izany rehetra izany, dia mbola tsy afaka ny fahatezeran'ny TOMPO fa mihinji-tanana mandrahona ihany Izy.
5 Hoy ny TOMPO hoe: "Lozan'i Asiria , izay tsorakazo mampihatra ny fahatezerako! Eny, izy no mitazona eny an-tanany ny kibay mampihatra ny fahavinirako.
6 Nirahiko izy hamely firenena tsy mpivavaka ary nalefako hamely vahoaka ratsy fanahy mba handroba sy hanangona babo avy aminy, ka hanosihosy azy toy ny fotaka eny an-dalambe.
7 Kanjo tsy araka izany no heverin'i Asiria; zavatra hafa no kasain'ny fony, ny handringana no tao an'eritreriny ary ny hamongotra firenena maro indrindra.
8 Fa hoy izy hoe: "Moa tsy mitovy lanja amin'ny mpanjaka ve ireo jeneraliko?
9 Tsy tahaka an'i Karkemisy ve no niafaran'ny tananan'i Kalne? Tsy tahaka an'i Arpada ve no niafaran'i Hamata? Tsy tahaka an'i Damasy ve no niafaran'i Samaria?
10 Haiko ny namely ireo fanjakana izay manompo andriamani-tsiizy, na dia nihoatra noho ny an'i Jerosalema sy ny an'i Samaria aza ny sarivongan-tsampiny.
11 Koa tsy ho tahaka izay nataoko tamin'i Samaria sy tamin'ny andriamani-tsiizy no tompoiny ve no hataoko koa amin'i Jerosalema sy ny sampiny?"
12 Kanefa rehefa vitan'ny TOMPO avokoa ny asany ao an-tendrombohitra Tsiona sy ao Jerosalema, dia ho faiziny ny mpanjakan'i Asiria noho ny fony feno avonavona sy ny fijeriny miandranandrana.
13 Satria hoy izy anakampony hoe: "Ny herin-tsandriko sy ny fahendreko no nahavitako ny zavatra rehetra, fa izaho no marani-tsaina indrindra. Nofoanako ny faritanin'ny firenena maro ary norobaiko ny tahirin-karenany. Ary toy ny lehilahy mahery fo aho raha nanongana ny mpanjakany.
14 Toy ny fakana ny akanim-borona ka angoronana ny atody nilaozan-dreniny no nakako ny haren'ireo firenena sy nangoronako ny fananan'ny tany tontolo, ka tsy nisy afa-nikopaka elatra, na nisoka-bava na nikiakiaka."
15 Ny famaky ve hirehareha amin'ny mpikapa? Ny tsofa ve hiavonavona amin'ny mpanatsofa? Mova tsy hoe ny tsorakazo indray no manetsika izay mpanainga azy, na moa va tsy hoe ny kibay indray no manandratra ny olona mampiasa azy!
16 Noho izany, ny TOMPO ANDRIANANAHARIN'izao rehetra izao dia tsy hampamokatra intsony ny tany lonaka ao Asiria. Ary toy ny fihanaky ny afo rehefa misy hain-trano no hiparitahan'ny afo mihanaka eo ambanin'ny famirapiratan'io firenena io.
17 Ny TOMPO, fahazavan'i Israely, dia hanjary afo ary ilay Masiny dia hanjary lelafo handoro ny tsilo sy ny songosongo ka handevona azy anatin'ny indray andro monja.
18 Ho levoniny tanteraka ny alany mirenty mbamin'ny sahany maha vokatra; ho toy ny marary miala aina izany.
19 Hazo vitsy sisa no ho tavela amin'ny alany, ka na ny zaza bodo aza dia afaka hanisa azy.