IsaiĆ 

Toko faha-3

13 Vonona hifandahatra ny TOMPO, ka mipetraka hitsara ny vahoakany.

14 Hampandaloviny fitsarana ireo loholona sy lehiben'ny vahoakany: "Ianareo no nanimba ny voaloboka ; ary izay nalainareo tamin'ny mahantra no namenoanareo ny tranonareo.

15 Ahoana moa no ahazoanareo mampahory ny vahoakako sy manosihosy ny fahamendrehan'ny mahantra? Izany no teny hentitra avy amikoTompo ANDRIANANAHARIN'izao rehetra izao."

16 Hoy koa ny TOMPO hoe:"Miandranandrana ery ny andriambavilanitr'i Tsiona, mianjonanjona aoka izany rehefa mamindra, mianjola fijery sady mitsingintsingim-pandeha, mampikorintsana ny haba amin'ny hato-tongony."

17 Noho izany, dia hataon'ny TOMPO voaharatra ny tampon-dohan'ireo andriambavilanitra ireo sady hataony mangadihady ny handriny.

18 Amin'izany andro izany, dia hoesorin'ny TOMPO ny haingo rehetra fampiasan'ny andriambavilanitr'i Tsiona, izany hoe: ny haban-tongotra sy ny fehiloha ary ny firavaka misarim-bolan-tsinana;

19 ny kavina jejo sy ny rojo ary ny voaly;

20 ny satroka diadema sy ny rojo miolanolana, ny fehikibo mirandrana sy ny vakana fanefitra ary ny firavaka mampanambina;

21 ny peratra sy ny kavin'orona;

22 ny akanjo fitondra mianjaika sy ny akanjo misy saron-doha ary koa ny fehitenda sy ny poketra;

23 ny fitaratra sy ny akanjo somizo manify ary ny samboady sy ny lamba fisalobonana.

24 Ny fofona manitra ho soloana fofo-maimbo, ny fehikibo marevaka ho soloana tady tsotra, ny randrana tsara voatra ho soloana loha sola ny fitafiana mihaja ho soloana lamba fisaonana. Eny, ny bika soa ho soloana tombokavy mahamenatra.

25 Ry Jerosalema o, ho fatin-tsabatra ny lehilahy ao aminao, ary ho faty an'ady ny miaramilanao.

26 Koa hitomany sy hitoloko ny iray tanana, ho toy ny vehivavy very fananana mitorevaka amin'ny tany.

Toko faha-4

1 Amin'izany andro izany, dia vehivavy fito no indray hihazona lehilahy iray ka hanao hoe:"Tsy hiantohanao na sakafo na fitafiana izahay, fa aoka izahay mba hahazo mitondra ny anaranao, ka afaho amin'ny fahafaham-barakanay."

2 Amin'izany andro izany, izay ampanirin'ny TOMPO eo amin'ny tany dia ho tabihasy ho voninahitra ho an'izay sisa velona teo amin'i Israely, ka izay vokatry ny tany no ho mariky ny fiandrianany sy reharehany.

3 Koa izay sisa tafajanona tao Jerosalema na izay sisa velona tao Tsiona dia hantsoina hoe "voatokana ho an'ny TOMPO": ireo rehetra ireo no voasoratry ny TOMPO mba ho velona ao Jerosalema.

4 Hisy Fanahy fahamarinana sy fanadiovana hitsoka; koa rehefa voadion'ny TOMPO ho afaka amin'ny lotony ireo andriambavilanitr'i Tsiona, ary voasasan'ny TOMPO ho afaka amin'ny ra nalatsaka tao aminy i Jerosalema,

5 dia hisy rahona matevina amin'ny antoandro sy afo mazava midedadeda amin'ny alina ho tonga eo ambonin'ny tendrombohitr'i Tsiona manontolo sy amin'ny olona vory ao. Eny ambonin'ireo rehetra ireo kosa ny voninahitry ny TOMPO mba ho fiarovana,

6 ho toy ny trano tomboka hanalokaloka amin'ny hainandro ary hialofana sy hierena amin'ny tafio-drivotra sy ny ranonorana.

Toko faha-5

1 Avelao aho hihira ho an'ny sakaizako, dia ny hiran'ny sakaizako momba ny voalobony: Nanana voaloboka iray ity sakaizako teo amin'izay tanety lonaka izay.

2 Nasainy ny tany, nesoriny ny vato, ary voaloboka voafantina no namboleny tao. Nanao tilikambo teo afovoany izy ary koa nandavaka famiazam-boaloboka ; dia nanantena azy hamoa voaloboka tsara Izy, kanjo namoa voalobo-dratsy.

3 Koa hoy ilay sakaizako hoe:"Ankehitriny, ry mponin'i Jerosalema sy ianareo olona eto Joda, mba tsaraonareo Aho sy ny voaloboko.

4 Inona indray moa no mbola tokony hataoko amin'izany voaloboko izany ka tsy efa nataoko taminy? Nanantena azy hamoa voaloboka tsara aho ka nahoana no namoa voalobo-dratsy izy?

5 Ankehitriny dia hampahafantariko anareo izay hataoko amin'izany voaloboko izany: Ho esoriko ny fefy tsilo miaro azy, dia hiraofan'ny biby fiompy izy. Harodako ny rindrim-bato manodidina, dia ho voahitsakitsaky ny mpandalo izy.

6 Hataoko tany lava volo ilay voalobokoka tsy hisy hanety sy hiava azy intsony, fa tsilo sy songosongo no hitsiry eo; ary horarako mafy ny rahona tsy handatsaka ranonorana aminy."

7 Ny taranak'i Israely no voaloboky ny TOMPO, dia ilay TOMPOn'izao rehetra izao, ary ny olona eto Joda no voly tiany indrindra. Fitandroana ny rariny no nantenain'ny TOMPO kanjo ny tsy rariny no teo; ary fahamarinana no nandrandrainy, kanjo kiakiam-pitarainana no teo.

8 Lozan'ireo olona mpangorona manangon-trano miampy trano sy mamory saha miampy saha, mandra-paha tsy hisy toerana ho an'ny hafa intsony, ka hahatonga azy ho toka-monina amin'ny tany!

9 Fa ny TOMPOn'izao rehetra izao dia reko nanao fianianana hoe:"Tsy maintsy ho ravana ireo trano maro ireo; eny, na ny lehibe sy mamirapiratra aza, dia ho lao tsy hisy mpipetraka.

10 Ny tanimboaloboka telo hekitara tsy hamokatra afa-tsy divay dimampolo litatra; izay mamafy varim-bazaha zato kilao tsy hioty afa-tsy folo kilao monja."

11 Lozan'ireo olona mifoha maraina mba hitady toaka sady midoroka divay mandra-paharivan'ny andro!

12 Mialaliana amin'ny feom-baliha sy lokanga omban'ny amponga tapaka sy sodina ireo; fa izay ataon'ny TOMPO tsy ahoany ary ny asa vitany tsy jereny akory!

13 Noho izany, hoy ny TOMPO, dia hoentin-ko babo ny vahoakako, satria tsy mahalala na inona na inona; ho fatin'ny mosary ny olomanga eo aminy ary ho fatin-ketaheta ny sarambabeny.

14 Koa nitanatana vava izaitsizy ny toeran'ny maty sady nanitatra ny tendany hanao telimoka azy; any no hivarinan'ny olomanga sy ny sarambabem-bahoakan'i Jerosalema miaraka amin'ny tabatabam-pifaliany.

15 Noho izany dia tsy maintsy hihohoka sy haetry amin'ny tany ny olombelona; hitanondrika ny olona mpiandranandrana.

16 Hasandratra kosa ny TOMPOn'izao rehetra izao amin'ny fanaovany fitsarana ara-drariny. Hiseho koa ny maha Andriamanitra masina Azy amin'ny fanehoany ny fahamarinany.

17 Eny amin'ny tanana rava eny no hiraofan'ny zanak'ondry toy ny any amin'ny tany fiandrasana azy; eny koa ny zanak'osy afahy no hitady ny sakafony.

18 Lozan'ireo olona voazioga toy ny omby ho valin'ny ratsy nataony! Toy ny itarihana sarety no hitarihany ny famaizana vokatry ny otany.

19 Fa hoy indrindra izy ireo hoe:"Aoka ho tanteraka haingana dia haingana izay hataon'ny TOMPO, mba hojerenay! Aoka ho tonga amin'ny fotoany ny fikasan'Ilay Masin'i Israely fa tianay ho fantatra!"

20 Lozan'ireo olona milaza ny tsara hoe ratsy na milaza ny ratsy hoe tsara. Ny maizina lazainy ho mazava ary ny mazava lazainy ho maizina; ny mamy lazainy ho mangidy ary ny mangidy lazainy ho mamy.

21 Lozan'ireo olona mihevi-tena ho hendry sy milaza azy ho marani-tsaina!

22 Lozan'ireo olona mahery misotro divay sy kinga amin'ny fampifangaroharoana toaka!

23 Manamarina ny olon-dratsy amin'ny fandraisana tsolotra izy ireny ary manala ny rariny amin'ny olo-marina.

24 Noho izany, dia ho tahaka ny mololo voadoron'ny afo sy ho tahaka ny bozaka levonin'ny afo no hanjo azy. Ho lo avy any am-potony izy ka ho lasa vovoka ny voniny, satria nariany ny fampianarana naroson'ny TOMPOn'izao rehetra izao ary notsiratsirainy ny tenin'ilay Masin'i Israely.

25 Izany indrindra no nampirehitra ny fahatezeran'ny TOMPO tamin'ny vahoakany. Naninji-tanana taminy sy namely azy Izy. Nampihovitrovitra ny tendrombohitra izany; ary toy ny fako tavela eny an-dalambe no niampatramparan'ny fatin'olona. Saingy, na teo aza izany rehetra izany, dia tsy mbola afaka ny fahatezeran'ny TOMPO fa maninji-tanana mandrahona ihany Izy.

26 Faneva famantarana no natsangan'ny TOMPO ho an'ny firenena iray any lavitra any ; ka misioka ny Tompo mba hiantsoana azy avy any am-paran'ny tany. Indro izany firenena izany fa nilomay ka ho avy faingana dia faingana tokoa.

27 Tsy misy olona mahatsiaro vizana akory eo aminy, tsy misy mitari-tongotra na rendremana resin-tory, tsy misy miboraka na ny fehikibony na ny fehikapany.

28 Voaranitra ny zana-tsipikany, ary voahenjana avokoa ny tsipikany. Mafy toy ny vato afo ny kitron-tsoavaliny, ary miriotra toy ny tadio ny kodiaran-kalesiny.

29 Tahaka ny liom-bavy mierona no fandrenesana azy, eny, toy ny tigra mandrahona mafy ka mipaoka ny hazany sy mitondra azy, ary tsy misy maharombaka izany intsony.

30 Kanefa indray andro any, dia hisy varatra hiraondraona toy ny firohondrohon'ny ranomasina mba hamely io firenena io. Hijery izany tany izany ny olona ka tsy hahita afa-tsy haizim-pahoriana; fa hohamaizinin'ny zavona matevina ny fahazavan'ny andro.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.9056