IsaiĆ
Toko voalohany
16 Koa misasa ary midiova ianareo; esory tsy ho hitako intsony ny asa ratsy fanaonareo, atsaharo ny manao ratsy.17 Mianara hanao ny tsara, tadiavo ny rariny, avoty izay voan'ny tsindry hazo lena, ento ara-drariny ny kamboty, tsarao ny adin'ny mpitondratena.
18 Avia fa hifandahatra isika, hoy ny TOMPO. Na dia mena midorehitra aza ny fahotanareo, dia ho fotsy tahaka ny oram-panala; na dia mangatrakatraka tahaka ny jaky aza ireny, dia ho tahaka ny volon'ondry fotsy."
19 Raha manaiky ianareo ka mankato, dia hihinana ny vokatra tsara avy amin'ny tany.
20 Fa raha manda kosa ianareo ka mikomy, dia ny sabatra no handripaka anareo." Izany no nambaran'ny TOMPO.
21 Ahoana no nahatonga janga ity tanana nahatoky ? Feno rariny anefa tao taloha sady nitoeran'ny fahamarinana; fa ankehitriny kosa mpamono olona no ao.
22 Toa volafotsy nanjary tain-drendrika ary toa divay voatapo-drano ianao, ry Jerosalema.
23 Mpikomy ireo mpanapaka anao, sady mpiray tsikombakomba amin'ny mpangalatra. Samy tia tsolotra izy rehetra, ary mpandray kolikoly avokoa. Ny kamboty tsy entiny ara-drariny ary ny adin'ny mpitondratena tsy tsarainy.
24 Noho izany ny TOMPO Andriamanitr'izao rehetra izao, Ilay Maherin'i Israely, dia manao teny hentitra hoe: "Loza! hiala vonkina amin'ny mpanohitra Ahy Aho, ary hamaly faty amin'ireo fahavaloko!
25 Ry Jerosalema, hahita raharaha amiko ianao: hodioviko amin'ny afo ianao mba hialan'ny tain-drendrikao ary ho esoriko ny lotom-pirakao rehetra.
26 Haveriko amin'ny laoniny ny mpitsaranao ho tahaka ny mpitsara taloha, ary koa ny mpanolotsainao ho tahaka ny tamin'ny androfahiny. Amin'izay ianao dia hantsoina hoe "Renivohi-pahamarinana" sy "Tanana mahatoky."
27 Ho voavonjy i Tsiona rehefa mitandro ny rariny; ary ho voavonjy ireo mponiny niala tamin'ny toe-dratsy rehefa mampihatra ny fahamarinana.
28 Fa ny mpikomy sy ny mpanota kosa dia hiara-potika, ary izay mahafoy ny TOMPO dia ho levona.
29 Tena ho diso fanantenana ianareo ny amin'ireo hazo terebinta izay nolalainareo; eny, ho menatra ianareo ny amin'ireo toerana nofidinareo hanaovana ny fombafomban-tsampy.
30 Fa ho tahaka ireo hazo terebinta mihintsan-dravina ianareo sy ho tahaka ireo toerana tsy misy rano.
31 Ho toy ny vohavoha ny lehilahy mahery ary ho toy ny kilalaon'afo ny asany; hodorana miaraka izy roa tonta ka tsy misy hamono ny afo.
Toko faha-2
1 Ny toe-javatra hitan'i Isaia, zanakalahin'i Amotsa, momba ny fanjakan'i Jodasy ny tananan'i Jerosalema.2 Izao no hiseho amin'ny andro any aoriana: Ny tendrombohitra misy ny tranon'ny TOMPO dia hanerinerina ambonin'ny tendrombohitra sisa ka hasandratra ho avo kokoa noho ireo havoana; dia hitanjozotra hankany ny firenena rehetra.
3 Handeha ho any ny firenena marobe ka hifampitaona hoe:"Andeha isika hiakatra any an-tendrombohitry ny TOMPO, ho any an-tranon'ilay Andriamanitr'i Jakoba; dia hampianariny antsika ny sori-dalany, ary harahintsika ny lalana hatorony."Fa avy ao Tsiona no ivoahan'ny fampianarana, ary avy ao Jerosalema no iavian'ny tenin'ny TOMPO.
4 Hitsara ny firenena maro Izy, ary hampanaiky ny vahoaka rehetra; ka hanefy ny sabany ho angady ireny, ary hanao ny lefony ho fanetezam-boaloboka sady tsy hianatra hiady intsony.
5 Ry taranak'i Jakoba, avia, aoka isika handeha amin'ny fahazavan'ny TOMPO!
6 TOMPO o, efa narianao ny vahoakanao, dia ny taranak'i Jakoba, satria nihahohaho tao aminy ny mpimasy avy any atsinanana sady betsaka tahaka ny an'ny Filistinina ny mpanandrony; ary nifandray tendro tamin'ny vahiny izy.
7 Feno volafotsy sy volamena ny taniny sady tsy hita lany ny hareny; ary feno soavaly ny taniny sady tsy hita isa ny kalesiny.
8 Feno andriamani-tsiizy koa ny taniny; ary niankohoka amin'ny sampy natao tanana izy, dia ny zavatra nataon'ny tanan'olona.
9 Noho izany, dia tsy maintsy hihohoka sy haetry amin'ny tany ny olombelona; ka tsy hisy hampiarina azy intsony.
10 Miafena any ambany vatolampy ianareo ary misitriha any anaty tany, mba ho lavitry ny TOMPO mahatahotra sy ho lavitry ny fiandrianany mamirapiratra.
11 Hitanondrika ny olona mpiandranandrana, ary hihohoka ny olona mpanandra-tena; fa amin'izany andro izany, dia ny TOMPO irery ihany no hasandratra.
12 Eny, hisy andro omanin'ny TOMPOn'izao rehetra izao hitsarana ny mpirehareha sy ny mpanandra-tena ary koa ny mpiandranandrana rehetra mba ho fampietrena azy ireo:
13 dia ny sedera rehetra any Libano, izay avo sady mijoalajoala, sy ny hazo oaka rehetra any Basana;
14 ny tendrombohitra avo sy ny havoana manerinerina rehetra;
15 ny tilikambo miringiringy sy ny manda mafy rehetra;
16 ary ny sambo vaventy sy ny sambo marevaka rehetra.
17 Hihohoka ny olona mpiandranandrana ary haetry amin'ny tany ny olona mpanandra-tena; fa amin'izany andro izany, dia ny TOMPO irery ihany no hasandratra.
18 Ho levona ny andriamani-tsiizy rehetra.
19 Aoka hiditra any amin'ny lava-bato sy ny zohy fierena ireo olona ireo, mba ho lavitry ny TOMPO mahatahotra sy ho lavitry ny fiandrianany mamirapiratra rehefa hirotsaka an-tsehatra Izy mba hampihorohoro ny tany.
20 Amin'izany andro izany, dia harian'ny olona ho an'ny voalavo sy ny ramanavy ny sampy volafotsy sy volamena nataony hiankohofana;
21 dia hiditra amin'ny hirika sy ny tsefatsefa-bato izy mba ho lavitry ny TOMPO mahatahotra azy sy ho lavitry ny fiandrianany mamirapiratra rehefa hirotsaka an-tsehatra ny TOMPO hampihorohoro ny tany.
22 Atsaharo ny fitokiana amin'olombelona fa fofonaina miserana ihany izy ka tsy misy lanjany akory!
Toko faha-3
1 Fa indro ny TOMPO ANDRIANANAHARIN'izao rehetra izao manaisotra amin'i Jerosalema sy amin'i Joda ny andry aman-tohana isan-karazany iankinany: dia ny mofo sy ny rano izay tohan'aina,2 ny miaramila voafantina sy ny miaramila tsotra, ny mpitsara sy ny mpaminany, ny mpimasy mbamin'ny loholona,
3 ny manamboninahitra sy ny olo-manan-kaja, ny mpanolotsaina mbamin'ny manampahaizana, ary ireo havanana amin'ny fanaovana vorika.
4 Ka hoy ny TOMPO hoe:"Ankizy no ho tendreko ho lehibeny ka hitondra azy araka ny haitraitrany."
5 Dia hifanjevo izy samy mpiray firenena; hifampisompatra ny olona ka hifamely, ny tanora hirehareha amin'ny antitra, ary ny olon-tsotra hanohitra ny olo-manan-kaja.
6 Hisy lehilahy hisambotra ny rahalahiny izay iray tarika aminy ihany ka hiangavy azy hoe:"Ianao no manam-pitafiana , koa aoka ho mpifehy anay; raiso ny andraikitrao amin'izao fahavoazana izao."
7 Fa hamaly izy amin'izay andro izay hoe:"Tsy afaka hanao na inona na inona ho anareo aho, tsy misy mofo na fitafiana ao an-tranoko, koa aza ataonareo mpifehy vahoaka aho."
8 Eny, lavo i Jerosalema ary potraka i Joda; ka na ny tenin'ny olona na ny asany dia samy manohitra ny TOMPO sy mihantsy ny voninahiny eo imaso.
9 Ny endrika asehony dia efa miampanga azy; manota an-karihary toy ny mponin'i Sodoma izy fa tsy mba miafinafina intsony. Indrisy! Anomana ny loza ho an'ny tenany izany.
10 Sambatra ny olo-marina fa hahita soa izy, ka ny vokatry ny asany no hohaniny.
11 Lozan'ny ratsy fanahy kosa fa hiharam-pahavoazana izy, satria araka izay nataony ihany no zavatra hafitsoka aminy!
12 Ry vahoakako o, hoy ny TOMPO, olona mpanjakazaka anao no mampahory anao ary olona tsy miraharaha anao no manapaka anao; ry vahoakako o, ireo mpitondra anao no nampivily anao ka lalan-tsiizy no nitondrany anao.