Tononkiran'i Salômôna
Toko faha-2
16 Ahy ny malalako, ary azy aho. Amin'ny toerana misy lisy no mirao-bilona izy.17 Amin'ny takariva mangatsiatsiaka, rehefa hilentika ny masoandro ka hihamaizina ny andro, dia miverena, ry malalako; ary aoka ianao ho mailamailaka toy ny gazela na ny diera tanora no mankety Ambohimisaraka.
Toko faha-3
1 Isan'alina aho eo am-pandriako iny dia mitady ilay tiako; tadiaviko izy fa tsy hitako.2 Hifoha aho ka hitety ny tanana, hamakivaky arabe sy kianja, mba hitady ilay tiako; tadiaviko izy fa tsy hitako.
3 Ireo mpiambina misafo ny tanana no tojo ahy ka anontaniako hoe: Mba hitanareo ve ilay tiako izay?
4 Vao nolalovako kely ireo, dia hitako ilay tiako; ka hazoniko izy fa tsy avelako, raha tsy tongako any an-trano ao an'efitr'ilay reny niteraka ahy.
5 Ry tovovavin'i Jerosalema o, noho ny amin'ny gazela na ny dieravavy eny an-tsaha, dia miangavy mafy anareo aho hoe: Aza tairina na fohazina ilay tiako, raha tsy efa sitrapony!
6 Iza moa iry miakatra avy any an-taniefitra tahaka ny setroka mitambolimbolina ho etona mandraradraraka miora sy emboka mamerovero ary fofon-javamanitra isan-karazany?
7 I Salomona eo amin'ny filanjany iny, otronin'ny miaramila enimpolo, dia miaramila voafantina tamin'i Israely.
8 Mirongo sabatra avokoa ireo sady efa voasedra hiady. Misakelika ny sabany avy izy hiatrehana fanairana amin'ny alina.
9 Nampanao filanjana ho azy tamin'ny hazo avy any Libano i Salomona mpanjaka.
10 Volafotsy no natao tanjany, volamena ny fiankinana, lamba volomparasy ny fipetrahana; ary ny ao anatin'io filanjana io dia ireo tovovavin'i Jerosalema no nandravaka azy tamim-pitiavana.
11 Ry tovovavin'i Jerosalema o, andao hijery an'i Salomona mpanjaka manao ilay satroboninahitra izay nasatroky ny reniny azy tamin'ny androm-panambadiany, dia ilay andro nifalian'ny fony.
Toko faha-4
1 Tsara tarehy ianao, rahavako; eny, tsara tarehy ianao! Mahafinaritra toa voromahailala ny masonao anatin'ny voalinao; ny volon-dohanao dia toy ny andian'osy midina ny tendrombohitra Gilehada.2 Ny nifinao dia fotsy toa andian'ondrivavy izay efa voahety sy avy nampandroana; samy manana rahavavy kambana ireo, ka tsy misy izay tsy tahaka izany.
3 Toa riba mena ny molotrao; ary mahafatifaty ny vavanao. Menamena toa hasin'ampongabendanitra ireo takolakao anatin'ny voalinao.
4 Ny vozonao dia toy ny tilikambon'i Davida, izay naorina hiendrika boribory; ampinga arivo no mihantona eo, dia ny ampingan'ireo maherifo.
5 Ny nononao roa dia hoatra zana-gazela, dia gazela kambana vao natera-dreniny ka mirao-bilona eny anivon'ny lisy.
6 Amin'ny takariva mangatsiatsiaka, rehefa hilentika ny masoandro, dia tapa-kevitra aho ny handeha ho ety an-tendrombohitrao mandraraka miora sy ho ety an-kavoanao mamerovero zava-manitra.
7 Tsara avokoa ny bikanao, rahavako; eny, tsara tsy misy tomika ianao.
8 Andao hiaraka amiko, ry fofombadiko; ialao i Libano ka andao hiaraka amiko. Hidina avy eny an-tampon'i Amana ianao, ary hidina avy eny Senira sy Hermona. Andosiro ireny fa toeram-pieren'ny liona sy tendrombohitra fiafenan'ny leoparda.
9 Mambabo ny foko ianao, ry havako fofombadiko; mambabo ny foko ny indray mipimasonao ary na dia ny rojo anankiray eny am-bozonao aza.
10 Mamy tokoa ny safosafonao, ry havako fofombadiko; fy tokoa ny safosafonao, eny, fy mihoatra noho ny divay; ary ny ilomanitrao dia mahasintona ahy mihoatra noho ny zava-manitra hafa rehetra.
11 Ny molotrao, ry fofombadiko, dia toa mitsonika hamamiana avy amin'ny vonin-javamaniry. Mamy toa ronono aman-tantely ny teninao; ary ny hanitr'ireo akanjonao dia toy ny an'ireo hazo any Libano.
12 Zaridaina mifefy tsara hidy ianao, ry havako fofombadiko; zaridaina mifefy tsara hidy ianao sady loharano voaisy tombokase.
13 Ianao toa sahan'ampongabendanitra izay misy voany matsiro; samy mamerovero ao koa ny kofera sy ny narda,
14 ny narda sy ny safrana, ny veromanitra sy ny kanelina mbamin'ny hazo manitra rehetra; mandraradrara-pofona eo koa ny miora sy ny aloesy ary ny menaka manitra rehetra.
15 Loharano ao an-jaridaina ianao, dia fantsakana miboiboika ranovelona izay mikoriana avy any Libano.
16 Mifohaza, ry rivotra avy any avaratra; ary avia, ry rivotra avy any atsimo. Mitsofa ao an-jaridainako ianareo, dia handraraka ny zava-manitra eo aminy. Aoka ny malalako hankaty an-jaridainany ka hihinana ireo voankazony matsiro.
Toko faha-5
1 Tonga eto an-jaridainako aho, ry havako fofombadiko, ka mioty ny miorako mbamin'ny zava-manitro, sy mihinan-tantely avy amin'ny tohotra, ary misotro ny divaiko sy ny rononoko. Mihinana ianareo, ry sakaiza, ka misotroa; ary aoka ianareo ho sondriam-pitia.2 Matory aho fa ny foko mahatsiaro ihany. Injay reko ny malalako izay mandondona sady miteny hoe: Vohay aho, ry havako fofombadiko, ry ilay voromahailalako tsy misy tomika. Fa rakotra ando ny lohako; ary kotsan'ireo patrakalan'ny alina ny volon-dohako milantolanto.
3 Efa niala akanjo aho, ka hiverina hiakanjo indray ve? Efa nanasa tongotra koa aho, ka handoto azy indray ve?
4 Atsofok'ilay malalako ny tanany eo amin'ny lavaky ny hidim-baravarana; ka mampidobodoboka ny foko izany.
5 Mitsangana aho hamoha ny malalako. Mitsonika menaka miora ny tanako sy ny rantsan-tanako, raha mamoha ny hidin-trano aho.
6 Vohako varavarana ny malalako, kanjo efa nihodina izy ka lasa. Mivoaka ny trano hanenjika azy aho; dia tadiaviko izy fa tsy hitako, ary antsointsoiko fa tsy mamaly.
7 Ireo mpiambina misafo ny tanana no tojo ahy; dia mikapoka sy mandratra ahy ireo mpiambina manda ireo ary manendaka ny lamba saly teny amiko.
8 Ry tovovavin'i Jerosalema o, miangavy mafy anareo aho hoe: Raha mba tojo ny malalako ianareo, dia inona no holazainareo aminy? Ilazao izy fa mararim-pitia aho!
9 Io malalanao io, inona no ananany mihoatra noho ny tovolahy hafa, ry vehivavy tsara tarehy indrindra? Io malalanao io, inona no ananany mihoatra noho ny tovolahy hafa no miangavy mafy anay toy izany ianao?
10 Sady fotsy mangatsakatsaka no manopy mena ny malalako; ka tena maningana izy ao anatin'ny olona folo arivo.
11 Toa anja-bolamena madio ny lohany; ary ny volony dia mainty milantolanto sady mangilohilo toy ny an'ny goaika.
12 Ny masony dia mahafinaritra tahaka ny voromahailala mitaratra eo amoron-drenirano; ny voamasony toa mandro eo anivon-dronono, sady toa mipetraka anaty vatakely.
13 Ny takolany dia miendrika saham-boninkazo mandraradraraka sy mamokatra ahitra mamerovero. Ny molony dia toy ny lisy mitsonika menaka miora.
14 Ny tanany dia toa haba volamena izay nopetahana vatosoa. Ny tenany dia miendrika takelaka ivoary feno safira.
15 Ny ranjony dia toa andrim-batosoa miorina mafy amin'ny faladia volamena. Ny endriny dia meva fisandratra toy ny tendrombohitr'i Libano, sady fatratra toy ny hazo sedera.
16 Feno hamamiana ny vavany fanoroko ary mahatehotia avokoa ny aminy. Toy izany ilay malalako sady olon-tiako, ry tovovavin'i Jerosalema.
Toko faha-6
1 Fa nankaiza ny malalanao, ry vehivavy tsara tarehy indrindra? Nivily aiza ny malalanao mba hiarahanay aminao hitady azy?2 Midina any an-jaridainany ny malalako, dia any an-tsaham-boninkazo mandraradraraka, mba hirao-bilona any sy hioty lisy.
3 An'ny malalako aho ary ahy ny malalako. Amin'ny toerana misy lisy no mirao-bilona izy.
4 Ianao, rahavako, dia tsara tarehy tahaka ny tanana Tiritsa sady kanto tahaka an'i Jerosalema ary mahatalanjona toa andian-kintana.
5 Aza ajerinao ahy ny masonao fa mampiontanontana ny foko. Ny volon-dohanao dia toy ny andian'osy midina ny tendrombohitra Gilehada.