Tononkiran'i Salômôna
Toko faha-6
6 Ny nifinao dia fotsy toa andian'ondrivavy izay efa voahety sy avy nampandroana; samy manana rahavavy kambana ireo, ka tsy misy izay tsy tahaka izany.7 Menamena toa hasin'ampongabendanitra ireo takolakao anatin'ny voalinao.
8 Mpanjakavavy enimpolo no an'ny mpanjaka, valopolo ny vaditsindranony ary tsy hita isa ny zatovovaviny;
9 fa vehivavy iray ihany no voromahailalako, dia ilay voromahailalako tsy misy tomika, vavitokan'ny reniny sady zanany tiany indrindra. Ireo vehivavy hafa izay mahita azy dia manambara azy hoe sambatra; ary ny mpanjakavavy sy ny vaditsindrano dia samy midera azy manao hoe:
10 Fa iza moa io vehivavy io izay manjelanjelatra toy ny maraina sady tsara tarehy toy ny volana sy mamirapiratra toy ny masoandro ary mahatalanjona toa andian-kintana?
11 Midina ao an-jaridainam-boankazo aho hijery ny tsirim-boly eny an-dohasaha sy hizaha raha mitsimoka ny voaloboka na mamony ny ampongabendanitra.
12 Kanefa tsy ampoimpoiziko ny nanjo ahy; fa nahatonga ahy hatahotahotra ianao, ry ilay vehivavy mpiray firenena amiko sady zanakavavin'olom-banona.
Toko faha-7
1 Miverena, miverena, ry Solemita; miverena, miverena hijerenay anao. Nahoana ianareo no mijery ilay Solemita, toy ny mijery ny dihin'ny roa tonta?2 Endrey, ry ilay zanakavavin'olom-banona, ny hatsaran'ny tongotrao mikapa! Ny amboampenao dia toa fehivozona izay sangan'asan'ny mpahay taozavatra.
3 Ny foitranao dia miendrika kaopy boribory; tsy ho diso divay nolaroin-java-manitra anie izany. Ny kibonao dia toa antontam-barimbazaha izay voaravaka lisy manodidina.
4 Ny nononao roa dia hoatra zana-gazela, dia gazela kambana mbola tanora.
5 Ny vozonao dia toa tilikambo ivoary. Ny masonao dia manahaka ireo kamory any Hesbona, eo am-bavahadin'i Baty-Rabima. Ny oronao dia maranidranitra tahaka ilay Tilikambon'i Libano izay mpiambina tandrifin'i Damasy.
6 Eo ambonin'ny tenabenao, ny lohanao dia meva fisandratra tahaka ny tendrombohitra Karmela; ny volon-dohanao dia sady mivolomparasy no olioly mambabo ny mpanjaka.
7 Tsara tarehy sady mahafinaritra tokoa ianao, ry tiako sy vehivavy loharanon-kasambarako.
8 Izato tsangananao dia matsoraka tahaka ny hazo palma; ary ireo nononao dia toa sampahom-boaloboka.
9 Izany no mampiteny ahy hoe: Hianika ny hazo palma aho ka handray ny rantsany. Enga anie ireo nononao ho toa sampahom-boaloboka ho ahy; enga anie ny hanitry ny fofonainao hamerovero tahaka ny paoma,
10 ary ny vavanao hankafiziko tahaka ny divay tsara...!...eny, divay tsara voatokana ho an'ny malalako ary hisoko amin'ny molotray rehefa matory.
11 An'ny malalako aho ary ho amiko ny faniriany.
12 Avia, ry malalako, ndeha isika ho any an-tsaha ka hialina eny anivon'ny voninkazo dia.
13 Hankany an-tanimboaloboka isika, dieny vao maraina ny andro, hijery raha mitsimoka ny voaloboka na efa mivelatra ny voniny, ary mamelana ny ampongabendanitra. Any no hanomezako safosafo anao.
14 Mihanaka ny hanitry ny paomam-pitiavana. Ary eo am-baravarantsika avokoa ireo voankazo matsiro, na ny vao na ny ela; samy atokako ho anao ireny, ry malalako.
Toko faha-8
1 Raha mba no anadahiko moa ianao, ka ninono tamin'ny nonon'i neny! Ho afaka manoroka anao aho, rehefa tojo anao eny ivelany eny, ary tsy hisy sahy hanakiana ahy.2 Hoentiko any an-tranon'i Neny ianao mba hampianatra ahy ny fitiavana; dia divay nolaroina zava-manitra sy ranon'ampongabendanitro no hampisotroiko anao.
3 Manondana ahy ny sandriny ankavia ary mamihina ahy ny sandriny ankavanana.
4 Ry tovovavin'i Jerosalema o, miangavy mafy anareo aho hoe: Aza tairina na fohazina ilay tiako raha tsy efa sitrapony!
5 Iza moa iry miakatra avy any an-taniefitra mitehina amin'ny malalany? Eo ambanin'ny hazo paoma no amohazako anao, fa toerana nahatorontoronina anao sy toerana niterahan-dreninao anao.
6 Ataovy eo ambonin'ny fonao aho toy ny tombokasenao manokana; ary tazony eo an-tsandrinao aho toy ny vato voasokitra ho anao. Fa mahery toy ny fahafatesana ny fitiavana, tsy mifaditrovana toy ny toeran'ny maty ny fitiavana mirehidrehitra. Lelafo miredareda tokoa izy ary mahery vaika toy ny varatra.
7 Na dia ny ranomasimbe aza tsy mahafaty ny afon'ny fitiavana; ary ny ranoben'ireo ony tsy mahasarona azy ho rendrika. Na dia misy aza olona hanome ny fananany rehetra ao an-tranony mba hividianana ny fitiavana, dia ho afa-baraka fotsiny izy.
8 Manana anabavy iray izahay, saingy mbola kely tsy misy nono izy. Hataonay ahoana ny anabavinay, raha tonga ny andro hangatahana azy?
9 Raha no manda fiarovana izy, dia tilikambo volafotsy no hatsanganay eo an-tampony; Fa raha no varavara-mivoha izy, dia bara hazofisaka sedera no hanidianay azy.
10 Manda fiarovana aho; ireo nonoko no toa tilikambo. Eo imason'ny malalako aho dia ilay hampiadam-pinaritra azy.
11 Manan-tanimboaloboka iray ao Bahala-Hamona i Salomona; nahofany tamin'ny mpiandry voly izany ka sekela volafotsy arivo no sandany.
12 Masi-mandidy amin'ny ahy aho, dia ny tanimboaloboko izany; ny sekela arivo kosa no anao, ry Salomona, ary ny sekela roanjato ho an'ireo mpiandry voly.
13 Ry ilay tsaratarehiko izay mitoetra ao an-jaridaina, misy namako te hihaino ny feonao; kanefa dia izaho ihany no ampandreneso anao miteny hoe:
14 Mandosira, ry malalako; ary aoka ianao ho mailamailaka toy ny gazela na ny diera tanora no mankety Ambohimanitra.
Isaià
Toko voalohany
1 Fanambaran'i Isaia, zanakalahin'i Amotsa, ny amin'i Joda sy i Jerosalema. Nanafaran'ny TOMPO azy izany, tamin'ny andron'i Hozia sy i Jotama ary i Ahaza sy i Hezekia mpanjakan'i Joda.2 Mihainoa, ry lanitra, ary mandrenesa, ry tany, satria ny TOMPO no miteny hoe: "Efa nitaiza sy nahalehibe zanaka Aho; kanjo nikomy tamiko izy.
3 Ny omby mahalala ny Tompony manana azy, ary ny boriky mahalala ny fihinanam-bilona izay famahanan'ny tompony azy. Fa i Israely tsy te hahalala na inona na inona; eny, ny vahoakako tsy mba mahafantatra."
4 Loza! firenena mpanota ianao, ry Joda; vahoaka mivesatra heloka ianareo,solofon'ny mpanao ratsy, taranaka lomorina! Nilaozanareo ny TOMPO, nataonareo tsinontsinona ilay Masin'i Israely, fa niamboho Azy ianareo.
5 Aiza indray ary no tianareo hikapohana anareo no mbola mikiry amin'ny ditranareo ihany ianareo? Efa feno ratra avokoa ny loha, ary marary ny fo manontolo.
6 Hatreo am-paladia ka hatrany an-tampon-doha dia tsy misy tsy marary: ratra, dian-kapoka, fery vao, tsy mbola nisy nanadio na namehy na nanisy diloilo.
7 Efa lao ny taninareo, kilan'ny afo ny tanananareo; ny tany novolenareo aza dia ny vahiny no nihinana ny vokany teo anatrehanareo, ka efa lao tokoa izany tahaka ny faharavan'i Sodoma.
8 I Jerosalema irery sisa no hany tafajoro, toy ny tranotomboka ao anaty tanimboaloboka, sy toy ny kitranotrano rantsan-kazo ao anaty tanimbolin-kokombra, ary toy ny tanana efa atao fahirano.
9 Raha tsy navelan'ny TOMPOn'izao rehetra izao hisy olona vitsivitsy velona aina tamintsika, dia ho efa tonga tahaka an'i Sodoma sy ho nitovy tamin'i Gomora isika.
10 Mihainoa ny tenin'ny TOMPO, ry mpitondra lomorina tahaka an'i Sodoma; mandrenesa ny lalanan'ilay Andriamanitsika, ry vahoaka ratsy toetra tahaka an'i Gomora:
11 "Hataoko inona moa, hoy ny TOMPO, ireo sorona marobe atolotrareo? Efa mankaleo Ahy mihitsy ny ondrilahy atao sorona dorana manontolo sy ny jaboran-janak'omby nafahy. Tsy ankasitrahiko intsony na ny ran'ombilahy na ny ran'ny zanak'ondry na ny ran'osilahy.
12 Ianareo izay tonga hiseho eto anatrehako, moa Izaho ve no nangataka anareo hanitsakitsaka ny kianjan'ny tempoliko?
13 Atsaharo ny mitondra fanatitra fa tsy ilaina akory; maharikoriko Ahy ny eton'ny soronareo; atsaharo ny fankalazana ny tsinam-bolana sy ny sabata ary ny fetim-piangonana. Tsy zakako ny fanompoam-pivavahana mifangaro heloka.
14 Halako ny fankalazanareo ny tsinam-bolana sy ny fombam-pivavahanareo manetriketrika; toy ny enta-mavesatra amiko ireny ka sasatry ny mitondra azy Aho.
15 Raha manandra-tanana hivavaka ianareo dia hitampi-maso tsy hijery Aho. Na manao vavaka maro aza ianareo, dia tsy hihaino akory Aho, satria feno ra ny tananareo.