Kôheleta

Toko faha-11

7 Kanto ny fahazavan'ny andro, ary mahafinaritra ny maso ny fahitana ny masoandro.

8 Na dia ela velona aza ny olona, dia tokony hifaly amin'ny taona tsirairay omena azy. Nefa aoka hotsarovany fa ho maro ny andro manjombona, satria izay rehetra ho avy dia zava-poana.

9 Mifalia, ry zatovo, amin'izao fahatanoranao izao; eny, miravoravoa mandritra izany fotoanandro izany. Ataovy izay mahadiavolana ny fonao sy izay mahafinaritra ny masonao. Nefa aoka ho fantatrao fa amin'izany rehetra izany dia hotsarain'Andriamanitra ianao.

10 Halaviro izay mety hampalahelo sy hampaharary, fa ny fahatanorana sy ny hery dia mihelina samy zava-poana.

Toko faha-12

1 Aza hadino Ilay nahary anao amin'ny androm-pahatanoranao. Tsarovy Izy dieny tsy mbola tonga ny androm-pahosanao ary tsy mbola mihatra ny taona izay hitenenanao hoe: Mankaleo ahy ny miaina.

2 Amin'ny androm-pahosanao manko dia hihamatroka ny fahazavan'ny masoandro, hanjavozavo ny volana aman-kintana, ary hivangongo ny rahona mitondra orana.

3 Amin'izay ny sandry aman-tanana fiarovanao tena dia hipararetra; ny ranjonao nijaridina dia hikolepaka; ny nifinao efa nihavitsy loatra dia tsy hahahota sakafo intsony; ary hihapahina ny masonao ka tsy hahita tsara intsony.

4 Amin'ny androm-pahosanao koa dia hikombona ny molotrao satria hihareraka ny vodivazanao mihomokomoka ao anaty vavanao; ary ho donto ny sofinao, ka tsy ho tandrinao ny fikalom-boron-kely ary halefaka aminao avokoa ny feon'ny mpihira.

5 Amin'izay koa dia hatahotra ny hiani-piakarana ianao ary ho be fanahiana rehefa mamindra; ny volon-dohanao hihafotsy toy ny voninkazo mamony fotsy; tsy ho mailaka fihetsika toy ny valala intsony ianao; ary tsy hahitanao tsirony intsony ny voan-tsiperifery. Isika olombelona tsy maintsy mankany amin'ny fonenana mandrakizay, ary ny mpisaona antsika kosa efa mihaodihaody eny an-dalambe.

6 Dia ho tapaka ny kofehim-bolafotsin'ny fiainana; ho montsamontsana ny tavoara volamena; eny am-pantsakana no ho vaky ny siny; ho latsaka an-davaka famorian-drano ny fanovozana bolaky.

7 Amin'izay no hiverina ho vovoka amin'ny tany nakana azy fahiny ny vatantsika fa ny fofonaina kosa hiverina amin'Andriamanitra Izay nanome antsika izany.

8 Zava-poana ny zava-drehetra, hoy i Koheleta; eny, zava-poana dia zava-poana izany.

9 Ho fanampin'izany, tsy nitsahatra nampianatra ny olona ny zavatra fantany i Koheleta satria hendry izy. Namorona ohabolana maro izy rehefa avy nandinika sy nandanjalanja.

10 Fa niezaka ny hilazalaza ny zava-misy tamim-pahamarinana i Koheleta no nanao izay hahitana teny mahaliana koa.

11 Ny tenin'ny hendry dia manindrontsindrom-panahy tahaka ny fanjaitra; ary ireo mpanangona azy dia mamefy soritra tahaka ny tsatomarika. Fanomezana avy amin'ilay hany mpitarika avokoa ireny.

12 Fanampin'izany koa, anaka, dia minoa anatra ianao. Fa tsy mba voafetra ny isan'ny boky azo soratana, ary mandrera-tena ny manokana fotoana maro hianarana.

13 Ary izao no fehin-teny momba izay rehetra voalaza: hajao Andriamanitra ary tandremo ny didiny, satria izany no andraikitry ny olona tsirairay.

14 Fa hotsarain'Andriamanitra avokoa ny zavatra atao, dia ny amin'izay rehetra fonosiny na tsara izany na ratsy.

Tononkiran'i Salômôna

Toko voalohany

1 Ny tononkira tsara indrindra amin'ny tononkira rehetra. Ao amin'ny rakitsoratr'i Salomona.

2 Hanoroka mafy ahy tokoa anie ianao! Fa ny safosafonao dia fy mihoatra noho ny divay

3 ary koa mamerovero mihoatra noho ireo ilomanitrao. Ianao dia mahasintona mihoatra noho ny ilomanitra voafantina; koa izany no itiavan'ireo zatovovavy anao.

4 Ento aho hanaraka anao, ary aoka isika hihazakazaka. Dia ianao mpanjakako no hampiditra ahy an'efitranonao. Aoka isika, noho ny aminao, hiara-tsambatra sy hiara-paly; dia hankamamiantsika anie ny safosafonao izay fy mihoatra noho ny divay. Marina ny itiavan'ireo zatovovavy anao!

5 Ry tovovavin'i Jerosalema o, zarazara hoditra aho nefa bikana; ny tarehiko dia mivalomainty toy ny lain'ireo mpifindrafindra lasy, nefa meva toy ny temitr'i Salomona.

6 Aoka re aho mba tsy hojerenareo araka ny mahazarazara hoditra ahy, satria nodanihin'ny hainandro aho! Tezitra tamiko ireo anadahiko ka nanery ahy hiambina ny tanimboalobony; nefa ny tanimboaloboko, dia ny an'ny tenako manokana, tsy mba nambenako akory!

7 Ambarao ahy, ry ilay tiako, izay iandrasanao ny ondrinao sy izay ampialanao sasatra azy rehefa mitataovovonana mba tsy hivezivezeko hitady anao eny amin'ny andiam-bibin'ireo namanao.

8 Raha tsy fantatrao izany, ry vehivavy tsara tarehy indrindra, dia araho ny dian'ondry; ka tariho ny zanak'osinao hanakaiky ny lain'ireo mpiandry ondry.

9 Amiko ianao, rahavako, dia meva tahaka ny soavaly mpanao matso izay mitarika ny kalesin'ny Farao.

10 Mahatsara ny takolakao ireo kavina eo an-daniny avy; ary manendrika ny tenanao ny rado iambozonanao.

11 Rojo volamena voaravaka volafotsy no hampanaovinay ho anao.

12 Fony mbola eo amin'ny fanasany no mipetraka ity mpanjakako, dia mamerovero aoka izany ny ilomanitro natao tamin'ny narda.

13 Ny malalako amiko dia mamerovero tahaka ny miora iray fonosana izay mialina eo an-tratrako;

14 ny malalako amiko dia manimanitra tahaka ny voninkazo dia mamelana any an-tanimboalobok'i Haina-Gedy.

15 Tsara tarehy ianao, rahavako, eny, tsara tarehy ianao; ny masonao dia mahafinaritra tahaka ny voromahailala.

16 Tsara tarehy koa ianao, ry malalako, sady mambabo tokoa. Ahi-maitso mavana no fandriantsika;

17 rantsana sedera no miendrika sakamandimby amin'ny tranontsika, ary hazo kipresy no toa peta-drindrina.

Toko faha-2

1 Izaho kosa dia voninkazo any amin'ny lemak'i Sarona ary lisy eny an-dohasaha.

2 Toy ny lisy eo anivon'ny tsilo, dia toy izany ity rahavako, eo anivon'ireo zatovovavy.

3 Toy ny hazo paoma anankiray eo anivon'ireo hazo anaty saha, dia toy izany ity malalako eo anivon'ireo zatovolahy. Ka mahafinaritra ahy ny mipetraka eo ambany alokalon'io hazo paoma io, sady mamy ao am-bavako ny voany.

4 Nentiny ho ao amin'ny toerana fisotroan-divay aho ka Fitiavana no teny faneva teo amboniko.

5 Rosoy ampempam-boaloboka aho hamelombelona aina ahy ary hatanjaho amina paoma aho, fa mararim-pitia.

6 Manondana ahy ny sandriny ankavia ary mamihina ahy ny sandriny ankavanana.

7 Ry tovovavin'i Jerosalema o, noho ny amin'ny gazela na ny dieravavy eny an-tsaha, dia miangavy mafy anareo aho hoe: Aza tairina na fohazina ilay tiako, raha tsy efa sitrapony!

8 Injay ny feon'ny malalako! Indro izy fa tamy ka mitsambikimbikina eny an-tendrombohitra ary mifalihavanja eny an-kavoana.

9 Ny malalako dia mailamailaka toy ny gazela na ny diera tanora; indro izy fa mijanona ao alatranonay, ka manarangarana eo am-baravarankely, zary mitsikilo eo amin'ny makarakara.

10 Dia niteny ny malalako ka nanao tamiko hoe: Mitsangana, rahavako; ry ilay tsaratarehiko, ndeha hiaraka amiko.

11 Fa efa lasa ny ririnina, nitsahatra sy dify ny orana.

12 Mamelana amin'ny tany ny voninkazo, tonga ny fotoam-pikalokaloana ka re aty amin'ny tanintsika ny feon'ny domohina.

13 Mihamasaka eny amin'ny aviavy irony voany tanora; ary mamerovero manitra ny voaloboka mamony. Koa mitsangana, rahavako; ry ilay tsaratarehiko, ndeha hiaraka amiko.

14 E ry voromahailalako mitoetra eny an-tsefatsefa-bato sy miery eny amin'ny hantsana, mba asehoy ahy ny endrikao ary ampandreneso ahy ny feonao, fa mamy ny feonao ary soa ny endrikao.

15 Sambory ka omeo anay ny fosa, dia ireo zanaka fosa mpanimba ny tanimboalobokay fa efa mamony izao ny voalobokay.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.9633