Kôheleta

Toko faha-8

11 Fa tsy tanterahina eo no ho eo akory ny famaliana ny ratsy atao; dia izany no ikirizan'ny olona hanao ratsy.

12 Mety ho mpanao ratsy an-jatony ny mpanota iray, kanefa dia ela velona ihany. Fantatro kosa ny hoe: Izay manaja an'Andriamanitra ihany no ho sambatra, dia ireo manaja Azy tokoa.

13 Ny olon-dratsy kosa dia tsy ho sambatra. Hiserana toy ny aloka izy ary ho faty tanora satria tsy nanaja an'Andriamanitra.

14 Izao koa no zava-poana mitranga eto ambonin'ny tany: misy olo-marina iharan'izay tokony ho mendrika ny ataon'olon-dratsy; ary misy olon-dratsy mahazo izay tokony ho mendrika ny ataon'olo-marina. Ka efa voalazako fa zava-poana koa izany.

15 Raha ny amiko, dia deraiko ny fifaliana, satria ny hany fahasambaran'ny olona eto ambonin'ny tany dia ny mihinana sy misotro ary miravoravo. Izany no tokony hanaraka ny asany mandritra ny andro omen'Andriamanitra hiainany ety ambonin'ny tany.

16 Tsy niroa fo aho hahalala ny fomba mampahendry ary hitako ireo asa ataon'ny olona ety ambonin'ny tany. Tsapako fa na dia misy tsy matory andro tsy matory alina aza ny olona, dia tsy hahatakatra ny fomba fiasan'Andriamanitra amin'ny alalan'ny zava-mitranga eto ambonin'ny tany. Ho reraka hitady ny olona fa tsy hahatakatra; ary na dia milaza ho mahafantatra aza ny olon-kendry, dia tsy hahatakatra izany akory.

Toko faha-9

1 Rehefa nandinika izany rehetra rehetra izany tato anatiko aho, dia nahatsapa fa ny marina sy ny hendry mbamin'ny asany dia eo an-tanan'Andriamanitra. Fa tsy fantatry ny olona akory na ny fitiavana na ny fankahalana. Tsy afaka ny haminavina izany izy.

2 Ary tahaka izany avokoa ny olona rehetra. Mitovy avokoa ny manjo ny olo-marina sy ny olo-meloka, ny tsara fanahy sy ny ratsy fanahy; mitovy avokoa ny manjo ny olona madio ara-pivavahana sy izay tsy madio, ny olona manao sorona sy izay tsy manao sorona; mitovy avokoa ny manjo ny tsara fanahy sy ny mpanota ary koa ny olona manao fianianana amin'Andriamanitra sy izay tsy sahy manao izany.

3 Mitovy avokoa ny manjo ny olona rehetra: io no loza amin'izay rehetra atao eto ambonin'ny tany. Feno faharatsiana ny fon'ny olona ka fahadalana no ao aminy mandritra ny fiainany; avy eo anefa dia ho any amin'ny maty no hiafarany.

4 Fa izay anisan'ny velona ihany no mahazo antoka fa aleo alika velona toy izay liona maty.

5 Ny velona manko mba mahalala fa ho faty izy; fa ny maty kosa tsy mba mahalala na inona na inona, ary tsy misy valisoa intsony ho azy satria efa nohadinoina ireo.

6 Ka na ny fitiavany na ny fankahalany na ny fialonany dia samy efa levona hatry ny ela; ka tsy manana anjara intsony amin'izay zavatra atao ety ambonin'ny tany izy.

7 Noho izany, hano amim-pifaliana ny haninao ary sotroy amin'ny fo ravoravo ny divainao, satria efa sitrak'Andriamanitra ireo asanao.

8 Amin'ny fotoan-drehetra, mitafia akanjo fitondra amin'ny andro fety ary aza hadinoina ny manisy ilomanitra ny tarehinao.

9 Ankamamio ny miaina miaraka amin'ilay vady malalanao mandritra ny andro mihelina rehetra omen'Andriamanitra hiainanao ety ambonin'ny tany. Fa izany no anjaranao amin'izao fiainana izao sy amin'ny fisasaranao ety.

10 Ampiasao ny herinao hanatanterahanao izay rehetra azonao atao, fa any amin'ny toeran'ny maty izay halehanao tsy mba misy asa na famoronan-javatra na fahalalana na fahendrena.

11 Mbola nahita zavatra betsaka tety ambonin'ny tany koa aho. Tsy ny faingam-pandeha hatrany no mandresy eo amin'ny fihazakazahana; ary tsy ny mahery fo hatrany no mandresy eo amin'ny ady. Tsy ny hendry no mora mahazo ny hanina hohaniny; ary tsy ny manan-tsaina no mora mahazo harena. Tsy ny olo-mahay no tsy maintsy homem-boninahitra, fa samy mpahazo ny rehetra na ny fanambinana na ny sampona.

12 Tsy misy olona mahafantatra ny fotoana hiavian'ny loza. Fa toy ny trondro azon'ny harato, ary tahaka ny voron-kely voam-pandrika no hahitany loza mahavoa azy tampotampoka.

13 Izao koa no oha-pahendrena hitako teto ambonin'ny tany; ary zava-dehibe amiko izany.

14 Nisy tanana kely iray sady vitsy mponina. Tonga nanafika azy io ny mpanjaka lehibe iray ka nanao fahirano sady namboatra tovon-tany goavana hamelezana azy.

15 Nisy lehilahy iray mahantra nefa hendry tao, izay afaka nahavonjy ny tanana noho ny fahendreny. Saingy tsy mba nisy olona nahatsiaro ilay olo-mahantra.

16 Ka hoy aho hoe: Tsara kokoa ny fahendrena noho ny hery. Kanefa dia atao tsinontsinona ny fahendren'ity olo-mahantra, ary tsy mba henoina akory ny teniny.

17 Fa aleo mihaino ny teny malefaky ny hendry toy izay ny teny mafy atao amin'ny adala.

18 Mandaitra kokoa noho ny fitaovam-piadiana ny fahendrena, saingy ny olona iray mitavozavoza no mahasimba ny soa be avy aminy.

Toko faha-10

1 Fatin-dalitra no mahamaimbo sy manimba ny ilomanitry ny mpanao zava-manitra; toy izany koa, ny fahadalana kely dia mavesa-danja bebe kokoa noho ny fahendrena.

2 Ny fisainan'ny hendry dia miasa tsara, fa ny fisainan'ny adala kosa no diso fandray hevitra.

3 Raha mandeha eny an-dalana ny adala, dia milaza tena amin'ny olon-drehetra ho adala satria tsy ampy saina izy.

4 Raha tezitra aminao ny mpampiasa anao, dia aza miala amin'ny toeranao; fa ny fihetsika tony misoroka fahadisoana be vava.

5 Mety diso ny mpitondra. Ratsy hitako tety ambonin'ny tany koa izany.

6 Misy indraindray olona adala mitana toerana ambony, ary misy olo-manankaja voatazona amin'ny toerana ambany.

7 Nahita mpanompo mitaingin-tsoavaly aho ary olona ambony mandeha tongotra toy ny mpanompo.

8 Ny olona izay mihady lavaka no mety ho latsaka ao ary izay mandrava rindrina no ho voakaikitry ny bibilava.

9 Izay manongotra ny vato no haratrany ary izay mamaky ny hazo no mety hahita loza.

10 Raha dombo ny famaky ka tsy asaina, dia tsy maintsy mampiasa bebe kokoa ny herin-tena ny mpikapa. Ny fahendrena manko no fomba tsara indrindra hahombiazana.

11 Tsy misy tombontsoan'ny olona mahay mibaiko bibilava, raha toa ka mbola voakaikiny ihany.

12 Ny teny aloaky ny vavan'ny hendry dia sitraky ny olona; fa ny resaky ny adala kosa manala baraka tena.

13 Fahadalana no fiandohan'ny teny aloaky ny vavany; fa ny fiafarany kosa dia fahaverezan-tsaina mampidi-doza.

14 Tsy mitsaha-miteny ny adala; kanefa tsy misy olona mahalala akory ny hoavy. Tsy misy mahalaza amin'ny olona izay hitranga aorian'ny fahalasanany?

15 Reraka mafy amin-javatra bitika ny adala, fa ny lalana mankao an-tanana avy no tsy fantany.

16 Mampalahelo ny tany izay manana mpanjaka mbola tanora fanahy sy mpitondra tendan-kanina vao maraina.

17 Sambatra kosa ny tany izay manana mpanjaka omban-toe-panahy ambony sy mpitondra misakafo ara-potoana mba ho fanovozan-kery fa tsy ho fimamoana.

18 Mampiletsy ny tafontrano ny fahakamoana hanamboatra azy; ary ny asa tsirambina no mampitete ny trano.

19 Manao sakafo ireo lehibe mba hikoranany; ny divay kosa maharavoravo ny ainy; ary ny vola no hahazoany manao izany rehetra izany.

20 Aza manozona ny mpanjaka, na dia anakampo ihany aza; tahaka izany koa aza manozona ny olo-manankaja na dia ao an'efitrano fandrianao aza. Fa mety hoentin'ny vorona ny feonao ary hambaran'ny manana elatra ny teninao.

Toko faha-11

1 Atsipazo eny ambony rano ny mofonao, fa ho hitanao ihany izy indray andro any.

2 Koa ampiasao amina sehatr'asa maro ny volanao, fa tsy fantatrao mihitsy izay loza mety hitranga eto ambonin'ny tany.

3 Na aiza na aiza toerana ianjeran'ny hazo, dia eo amin'izay nianjerany ihany no ijanonany. Raha mavesatra ny rahona, dia handatsaka orana amin'ny tany.

4 Izay mataho-drivotra na manahy ny oran-ko avy dia tsy mba hamafy na hijinja.

5 Toy ny tsy ahafantaranao ny fiforonan'ny aina ao an-kibon'ny vehivavy bevohoka no tsy hahatakaranao ny fomba fiasan'Andriamanitra mpanao izao rehetra izao.

6 Noho izany dia afafazo vao maraina ny voanao ary aza mitsahatra miasa mandra-paharivan'ny andro, fa tsy fantatrao izay ho vanona na ny teo aloha na ny tafara na koa samy ho vanona avokoa izy roa tonta.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.9791