EksĂ´dy
Toko faha-2
5 Taoriana kely dia nidina tao amin'i Neily mba handro ny zazavavin'ny Farao, ary ireo mpanotrona azy kosa nitsangantsangana teny amoron'ny ony. Nahatazana ilay sobika teo anivon'ny bararata izy ka naniraka ny mpanompovaviny iray haka azy.6 Nosokafan'ny andriambavy ilay sobika, ka inty hitany tao zazalahy kely mitomany; ary onena azy izy ka niantso hoe: -Zanaka Hebreo ity! 7 Fa niteny tamin'ny zanakavavin'ny Farao kosa ilay anabaviny nanao hoe: -Handeha hiantso vehivavy mpitaiza ho anao amin'ny vehivavy hebreo ve aho mba hitaiza ny zaza ho anao?
8 Dia novalian'ny andriambavy hoe: -Mandehana ary! Dia nandeha razazavavy ka ny renin'ilay zazalahy ihany no nantsoiny.
9 Ary hoy ity andriambavy tamin-dravehivavy: -Ento ity zaza ity, ka tezao ho ahy fa izaho no hanome ny karamanao. Dia nalain-dravehivavy ny zaza ka notezainy.
10 Ary rehefa lehibe ny zaza, dia nentiny tany amin'ny zanakavavin'ny Farao, ka nanjary zanany. Dia hoy ity andriambavy hoe: -Antsoiko hoe Mosesy izy satria avy tamin'ny rano no nisarihako azy.
11 Indray andro, nony efa lehibe i Mosesy, dia niainga nankany amin'ireo mpiray firenena aminy ka nahita azy tao anatin'ny fanompoana mafy. Hitany fa nisy lehilahy ejiptianina iray nikapoka Hebreo iray isan'ny mpiray firenena aminy.
12 Nijerijery manodidina i Mosesy ka hitany fa tsy nisy olona; dia novonoiny ho faty ilay Ejiptianina ary nasitriny tao anaty fasika.
13 Nony ampitso dia nivoaka indray izy ary nahita Hebreo roalahy niady, ka nanao tamin'ilay diso hoe: -Nahoana no mikapoka ny mpiray firenena aminao ianao?
14 Fa novaliany hoe: -Iza no nanendry anao ho lehibe hitsara ny adinay? Sa tadiavinao hovonoina ho faty toy ny namonoanao an'ilay Ejiptianina aho? Fantatr'i Mosesy tamin'izany fa nisy nahalala ilay raharaha ka raiki-tahotra izy.
15 Henon'ny Farao tokoa izany, koa notadiaviny hovonoina ho faty i Mosesy. Dia nandositra lavitry ny Farao i Mosesy, ka lasa nialokaloka tany amin'ny tany Midiana, ary nipetraka teo anilan'ny fantsakana.
16 Nanan-janaka fito mirahavavy ny mpisorona Jetrao tao Midiana. Tonga hantsaka rano ireo ary hameno ny tavin-drano mba hampisotroana ny ondry aman'osin-drainy.
17 Fa tonga ireo lehilahy mpiandry ondry ka nandroaka ireto zazavavy; dia nitsangana i Mosesy ka namonjy ireto zazavavy sady nampisotro ny biby fiompy.
18 Nody tany amin'i Rehoela rainy izy fito mirahavavy, ka nanontaniany hoe: -Nahoana no nalaky nody ianareo androany?
19 Dia novaliany hoe: -Nisy lehilahy ejiptianina iray niaro anay tamin'ny tanan'ny mpiandry ondry sady nanovo rano ho anay ka nampisotro ny biby fiompintsika.
20 Ary hoy i Rehoela tamin'ny zanany vavy: -Aiza anefa izany lehilahy izany? Nahoana izy no nilaozanareo any? Ndeha alao izy mba hiara-misakafo amintsika.
21 Nanaiky hipetraka tao amin'i Rehoela io i Mosesy. Nomen'ilay rangahy ho vadin'i Mosesy i Tsipora zanany vavy.
22 Niteraka zazalahy ilay ramatoa ka hoy i Mosesy hoe: -Antsoiko hoe Gersoma ity zaza ity satria efa lasa mpitsoa-ponenana aty an-tany hafa aho.
23 Taty aoriana ela dia maty ny mpanjakan'i Ejipta. Nitoloko ny Israelita noho ny fanompoany ka niantso vonjy; ary tafakatra hatrany amin'Andriamanitra ny fitarainany noho ny fanompoana.
24 Nandre ny fitarainan'ny Israelita Andriamanitra ka nahatsiaro ny fanekempihavanana nataony tamin'i Abrahama sy i Itsehaka ary i Jakoba.
25 Nijery ny Israelita Andriamanitra ka nahafantatra ny nanjo azy.
Toko faha-3
1 Niandry ny ondrin'i Jetrao rafozany, mpisorona tao Midiana i Mosesy. Indray andro, rehefa avy nitondra ny ondry aman'osy tany ankoatra ny taniefitra izy, dia tonga tao Horeba tendrombohitr'Andriamanitra.2 Tao izy no nisehoan'ny anjelin'ny TOMPO tanaty lelafo teo afovoan'ny roimemy anankiray. Hitan'i Mosesy fa mirehitra afo ny roimemy, kanefa tsy nisy nahalevonana.
3 Dia tapa-kevitra hanatona i Mosesy mba hizaha io fisehoana mahagaga io hahalalany izay antony tsy ahalevonan'ny roimemy.
4 Rehefa hitan'ny TOMPO fa nanatona mba hizaha i Mosesy, dia tao afovoan'ny roimemy Izy no niantso azy nanao hoe: -Ry Mosesy! Ry Mosesy! Ka hoy ny navaliny Azy: -Inty aho.
5 Dia hoy ny TOMPO hoe: -Aza manatona ny roimemy! Esory ny kapa amin'ny tongotrao fa tany masina ny toerana ijoroanao.
6 Izaho no Andriamanitry ny rainao, Andriamanitr'i Abrahama sy i Itsehaka ary i Jakoba. Dia nisaron-tava i Mosesy fa natahotra ny hijery an'Andriamanitra.
7 Ary hoy ny TOMPO hoe: -Efa hitako tokoa ny fahorian'ny vahoakako any Ejipta ary efa reko ny fitarainany noho ny famelezan'ireo mpampahory azy; eny, fantatro ny fijaliany.
8 Koa tafidina Aho mba hanafaka azy amin'ny fahefan'ny Ejiptianina, ka hampiakatra azy hiala amin'ny tany Ejipta mba ho any amin'ny tany tsara sy midadasika, any amin'ny tany tondra-dronono sy tantely, dia ny toerana misy ny Kanahanita sy ny Hetita, ny Amorita sy ny Perizita, ary ny Hivita sy ny Jebosita.
9 Ankehitriny dia efa tonga eto amiko ny fitarainan'ny Israelita, ary efa hitako koa ny fahoriana izay ampijalian'ny Ejiptianina azy.
10 Koa izao ankehitriny izao dia irahiko ho any amin'ny Farao ianao. Mandehana, avoahy hiala avy any Ejipta ny Israelita vahoakako.
11 Fa hoy i Mosesy tamin'Andriamanitra: -Zinona moa aho no hankany amin'ny Farao ka hamoaka ny Israelita hiala avy any Ejipta?
12 Ary hoy Andriamanitra hoe: -Homba anao tokoa Aho; ary izao no porofo fa Izaho no naniraka anao: rehefa avy namoaka ny vahoaka israelita avy tany Ejipta ianao, dia hanao fanompoam-pivavahana amiko eto amin'ity tendrombohitra ity ianareo.
13 Ka hoy i Mosesy tamin'Andriamanitra: -Eny ary fa hankany amin'ny Israelita aho izao hilaza aminy hoe: Ilay Andriamanitry ny razanareo no naniraka ahy ho aty aminareo. Saingy hanontany ahy ny anaranao izy, koa inona no havaliko azy?
14 Dia hoy Andriamanitra tamin'i Mosesy: -Izaho no Ilay hatrizay ka ho mandrakizay. Koa izao no holazainao amin'ny Israelita: Ilay hatrizay ka ho mandrakizay no naniraka ahy ho aty aminareo.
15 Dia ampio hoe: Ny TOMPO Andriamanitry ny razanareo, ilay Andriamanitr'i Abrahama sy i Itsehaka ary i Jakoba, no naniraka ahy ho aty aminareo. Izany no anarako mandrakizay, ary izany no hahatsiarovana Ahy isaky ny taranaka mifandimby.
16 Mandehana, vorio ny loholon'i Israely ka ilazao hoe: Ny TOMPO Andriamanitry ny razanareo, ilay Andriamanitr'i Abrahama sy i Itsehaka ary i Jakoba, no efa niseho tamiko ka nilaza fa nitsinjo anareo sy nahita ny fomba afitsoka anareo aty Ejipta;
17 koa tapa-kevitra Izy fa hanaisotra anareo hiala amin'ny fahoriana aty ho any amin'ny tanin'ny Kanahanita sy ny Hetita, ny Amorita sy ny Perizita, ary ny Hivita sy ny Jebosita, dia tany tondra-dronono sy tantely.
18 Hihaino anao ireo Israelita; koa mandehana ianao sy ny loholon'i Israely mankany amin'ny mpanjakan'i Ejipta, ka lazaonareo aminy hoe: Niseho taminay ny TOMPO Andriamanitry ny Hebreo, ilay Andriamanitray, koa mba avelao izahay handeha lalana telo andro ho any an-taniefitra hanolotra sorona ho AZY.
19 Kanefa fantatro fa tsy hamela anareo handeha ny mpanjakan'i Ejipta raha tsy terem-pahefana mahery.
20 Izany no hanehoako ny fahefako tsy hay tohaina ka hamelezako an'i Ejipta amin'ny zava-mahagaga rehetra izay hataoko ao anatiny, ary aorian'izany vao halefany ianareo.
21 Homeko tombontsoa eo imason'ny Ejiptianina ity vahoaka ity ka tsy hitondra tanam-polo mody.
22 Ny vehivavy israelita tsirairay avy dia samy hangataka amin'ny vehivavy ejiptianina ao aminy na manodidina azy firavaka volafotsy sy volamena mbamin'ny fitafiana. Hampitondrainareo ny zanakalahinareo sy ny zanakavavinareo ireny, ka hataonareo fongana ny Ejiptianina.
Toko faha-4
1 Dia namaly ny TOMPO i Mosesy ka nanao hoe: -Tsy hino ahy ny Israelita ary tsy hihaino ahy, fa hilaza hoe: Tsy nisehoan'ny TOMPO akory ianao!2 Ary hoy ny TOMPO taminy: -Inona moa iny an-tananao iny? Dia novaliany hoe: -Tehina!
3 Ary hoy ny TOMPO hoe: -Atsipazo amin'ny tany iny! Dia natsipin'i Mosesy tamin'ny tany izany ka tonga bibilava. Nandositra azy i Mosesy,
4 fa hoy ny TOMPO taminy: -Ahinjiro ny tananao ka sambory amin'ny rambony io. Dia naninji-tanana i Mosesy ka nitana azy tamin'ny rambony, ary nanjary tehina teo an-tanany ilay bibilava.
5 Koa hoy ny TOMPO hoe: -Izany dia mba hahatonga ny Israelita hatoky fa efa niseho taminao Aho TOMPO Andriamanitry ny razany, Andriamanitr'i Abrahama sy i Itsehaka ary i Jakoba.
6 Ary ankehitriny, atsofohy ao an-tratranao ny tananao. Dia natsofok'i Mosesy tao an-tratrany ny tanany; nefa rehefa notsoahany avy tao, dia indro boka ny tanany ka fotsy toy ny oram-panala.
7 Ary hoy koa ny TOMPO hoe: -Atsofohy ao an-tratranao indray ny tananao. Dia natsofok'i Mosesy tao an-tratrany indray ny tanany; ka rehefa notsoahany avy tao, dia indro fa niverina tamin'ny laoniny.
8 Dia hoy ny TOMPO tamin'i Mosesy: -Raha tsy mino anao izy ka tsy mihaino anao amin'ny famantarana voalohany, dia hino anao kosa izy noho ny famantarana manaraka.