Ohabolana

Toko faha-24

31 Indro tsilo sy ahidratsy sisa no hitako hatraiza hatraiza; ary ny fefy vato manodidina dia nirodana.

32 Nandinika ny zavatra hitako aho ka nahazo lesona avy aminy:

33 matory kely ianao, rendremana kely, dia mitsotsotra kely manohon-tanana;

34 amin'izay anefa dia hamely anao tampoka toy ny mpisodisody ny fahantrana ary toy ny jiolahy ny fahoriana.

Toko faha-25

1 Indreto koa no ohabolan'i Salomona voaangon'ny olon'i Hezekia mpanjakan'i Joda.

2 Andriamanitra dia omem-boninahitra noho Izy manao zava-miafina; ny mpanjaka kosa dia omem-boninahitra noho izy manazava ny zavatra ataony.

3 Ny haavon'ny lanitra sy ny halalin'ny tany ary ny ao am-pon'ny mpanjaka dia samy tsy fantatsika.

4 Esory amin'ny volafotsy ny lotony, dia fanaka sarobidy no havoakan'ny mpanefy;

5 esory tsy ho eo amin'ny mpanjaka ny olon-dratsy dia fahamarinana no hiorenan'ny fiandrianany.

6 Aza miedinedina eo anatrehan'ny mpanjakana misolantsolana eny amin'ny toeran'ny lehibe;

7 fa aleo ianao hilazana hoe: "Miakara ety", toy izay mahita ny tenanao haetry eo anatrehan'ny manan-kaja.

8 Izay zavatra hitan'ny masonao , aza maika ny hitondra izany am-pitsarana, fandrao tsy hitanao izay hatao amin'ny farany rehefa voaporofon'ny namanao fa ianao no diso.

9 Alamino miaraka amin'ny namanao ny adinao aminy, nefa aza tsikafonina ny tsiambaratelon'ny hafa;

10 fandrao izay mandre hanome tsiny anao ka dia ho afa-baraka mandrakizay ianao.

11 Toy ny paoma volamena voahaingo volafotsy no hasarobidin'ny teny lazaina amin'ny ilana azy.

12 Toy ny kavina sy rojo volamena no hasoan'ny anatry ny hendry amin'izay mihaino.

13 Mamelombelona aina ny hatsiakan'ny rano mamanala amin'ny fotoam-pijinjana mafana; mamelombelona aina toy izany koa ny iraka mahatoky amin'ny tompony naniraka azy.

14 Tahaka ny rahona sy rivotra tsy mitondra orana ny olona mampanantena zavatra izay tsy homeny akory.

15 Izay manam-paharetana no maharesy lahatra mpitsara; ary ny teny malefaka mampilefitra ny henjana.

16 Raha mahita tantely ianao, dia hano izay sahaza anao, fandrao ho leony ianao ka handoa azy;

17 aoka ianao tsy hateti-pankany an-tranon'ny namanao, fandrao tofoka aminao izy ka hankahala anao.

18 Mandratra toy ny langilangy na sabatrana koa zana-tsipika maranitra ny olona mijoro ho vavolombelona mandainga mba hanamelohana ny namany.

19 Toy ny mitsako amin'ny nify mihozongozonana mihazakazaka amin-tongotra kilemaina ny matoky olona mpamadika amin'ny androm-pahoriana.

20 Toy ny manary lamba amin'ny andro mangatsiaka na toy ny manisy vinaingitra amin'ny fery, toy izany koa izay mihira amin'olona malahelo.

21 Raha noana ny fahavalonao, dia omeo hanina; raha mangetaheta izy, dia omeo rano hosotroiny;

22 fa raha manao izany ianao, dia toy ny manala vainafo eo an-dohany. Ary ny TOMPO no hamaly soa anao.

23 Ny rivotra avy any avaratra mahatonga orana, ary ny fanendrikendrehana olona mahavinitra endrika azy.

24 Aleo mitoetra amin'ny efitra kely ao an-tampon-trano toy izay miray trano amin'ny vehivavy liana ady.

25 Toy ny rano mangatsiaka ho an'ny tenda main-ketaheta ny vaovao mahafaly avy any an-tany lavitra.

26 Toy ny loharano voaloto sy fantsakana voapoizina ny olo-marina milefitra eo anoloan'ny olon-dratsy.

27 Tsy tsara ny mihinana tantely be loatra na koa ny mitady hahazo voninahitra be loatra.

28 Toa tanana rava tsy misy manda intsony ny olona izay tsy mahatsindry fo.

Toko faha-26

1 Diso toerana toy ny oram-panala fahavaratra na orana amin'ny fotoam-pijinjana ny voninahitra omena ny adala.

2 Manidina tsy tafapetraka ny fody sy ny sidintsidina; toy izany koa ny fanozonam-poana: tsy mba hihatra akory izany.

3 Ny karavasy dia ho an'ny soavaly, ny lamboridy ho an'ny boriky ary ny tsorakazo ho an'ny lamosin'ny adala.

4 Aza mamaly ny adala araka ny hadalany, fandrao mba adala tahaka azy koa ianao.

5 Valio araka ny hadalany ny adala fandrao mihevi-tena ho hendry izy.

6 Izay mampitondra hafatra ny adala dia toy ny olona manapa-tongotra ny tenany ka tonga miboboka fahavoazana.

7 Ny ohabolana lazain'ny adala dia mikolepaka tahaka ny malemy tongotra.

8 Toy ny mamatotra vato amin'ny antsamotady ny manome voninahitra ny adala.

9 Ny ohabolana lazain'ny adala dia toy ny tsilo hazonin'ny mamo.

10 Ny mpampiasa manarama adala sendra mandalo dia mandratra ny olona rehetra.

11 Ny alika miverina amin'ny loany ary ny adala miverina amin'ny hadalany.

12 Raha mahita olona mihevi-tena ho hendry ianao, dia ny adala no misy hantenaina kokoa noho izy.

13 Hoy ny kamo: "Misy liona ao an-dalana, misy biby masiaka atsy an'arabe."

14 Ny varavarana mihodina amin'ny saviliny ary ny kamo mivadibadika eo am-pandriany.

15 Mangarona ny sakafo ao an-doviany ny kamo nefa mandreraka azy ny hampakatra izany ao am-bavany.

16 Ny kamo dia mihevi-tena ho hendry mihoatra noho ny olona fito kinga famaly.

17 Ny mpandalo izay misalovana amin'ny adin'ny hafa dia toy ny misambotra alika amin'ny sofiny.

18 Ny olona mamitaka ny namany ka manao aminy hoe: "Vazivaziko ihany izany", dia tahaka ny olona adala mandefa forohana sy zana-tsipika mahafaty.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.9302