Ohabolana

Toko faha-21

26 tontolo andro izy mitsiriritra hatrany, nefa ny olo-marina sady manome no malala-tanana.

27 Zava-maharikoriko ny sorona ataon'ireo olon-dratsy, indrindra fa amin-kafetsena no anolorany azy.

28 Ho levona ny vavolombelona mandainga; fa ho afa-miteny hatrany kosa izay mitatitra ny henony.

29 Miseho ho sahisahy ny olon-dratsy, fa ny olo-mahitsy kosa mampitombina tsara ny toetrany.

30 Ny fahendren'olombelona sy ny fahaizana amam-pisainany dia maivana eo anatrehan'ny TOMPO.

31 Voaomana hiatrika ady ny soavaly, fa ny Tompo kosa no manome ny fandresena.

Toko faha-22

1 Aleo laza tsara toy izay harem-be; ary aleo mahazo sitraka amin'olona toy izay mahazo volamena sy volafotsy.

2 Izao no iombonan'ny mpanankarena sy ny mahantra: samy nataon'ny TOMPO izy roa.

3 Mahatsinjo ny loza ny malina ka miery; fa ny kely saina kosa mandroso ka voa.

4 Ny vokatry ny fanetren-tena sy ny fanajana ny TOMPO dia harena sy voninahitra ary fiainana.

5 Feno tsilo sy fandrika ny lalan'ny ratsy fanahy; koa izay te hiaro ny ainy dia manalavitra izany.

6 Vao manomboka fiainana, dia omeo fizarana tsara ny zaza; fa na rehefa antitra aza izy, dia tsy hiala amin'izany.

7 Ny mpanankarena manapaka ny mahantra, ary izay misambotra dia andevon'ny mpampisambotra.

8 Izay mamafy tsy fahamarinana dia hijinja fahoriana, fa ho levona ny fitaovam-pamoretany.

9 Hotahina izay manana fijery mangoraka, satria mizara ny haniny amin'ny mahantra izy.

10 Roahy ny mpaniratsira fa hitsahatra ny fifandirana, ary hifarana koa na ny ady na ny fanalam-baraka.

11 Izay te ho sakaizan'ny mpanjaka dia handala eritreritra madio sy fiteny maha te hotia.

12 Ny TOMPO miahy sy miaro ny tena fahalalana, fa mamaky bantsilana kosa ireo tenin'ny mpamadika.

13 Hoy ny kamo hoe: "Misy liona ao ivelany ao; ka mety ho fatiny aho, raha eny an-dalambe."

14 Tevana lalina ny tenin'ny vehivavy vadin'olona, ka izay voaozon'ny TOMPO no hianjera ao.

15 Latsa-paka ao am-pon'ny zaza ny hadalana, ka tsorakazom-pamaizana no hanongotra izany aminy.

16 Izay mampahory ny mahantra dia mampahazo tombontsoa azy; izay manome ny mpanankarena dia mihamahantra.

17 Atongilano ny sofinao ka henoy ny tenin'ny hendry ary aoka ho tandremanao ny traikefa ananany.

18 Ho hafinaretanao ny fitahirizana izany ao am-po; ary aoka izy tsy hiala eo amin'ny molotrao.

19 Ny hanananao fitokiana ny TOMPO no ampahafantarako izany aminao anio.

20 Ho anao no nanoratako anatra telopolo izay feno torohevitra sy traikefa,

21 mba hahafantaranao fa mitombina ireo fampianarana azo antoka ireo sy hanaovanao koa tatitra azo antoka amin'izay olona naniraka anao.

22 Aza manendaka ny mahantra, noho izy mahantra; ary aza mampahory tsy mana-mpiahy amin'ny fitsarana

23 fa ny TOMPO hiaro azy amin'ny adiny, ka hipaoka ny ain'ireo nipaoka ny fananany.

24 Aza mety ho sakaizan'ny olona mora tezitra ary aza miaraka amin'ny olona saro-po,

25 fandrao hianatra ny fanaony ianao ka ho voasingotra hatramin'ny ainao.

26 Aza mety mandray tanan'olon-kafa ianao ho mariky ny fiantohanao trosan'ny namanao;

27 fa raha tsy manan-kaloa ianao, dia halaina mbamin'ny farafara fandrianao.

28 Aza mba mamindra ny baorina tranainy izay napetraky ny razanao ho faritry ny saha.

29 Jereo io olona manao tsara ny asany io: ho afa-miasa eo anatrehan'ny mpanjaka izy toy izay ho mpiasa tsy misy mpahalala.

Toko faha-23

1 Raha miara-misakafo amin'ny manampahefana ianao, dia diniho tsara izay olona eo anoloanao.

2 Raha toa ka tendan-kanina ianao, dia mba tsindrio ny fahazotoan-komanao.

3 Aza mitsiriritra ny hanim-piny fa mety hanina mahavoafitaka izany.

4 Aza misahirana hangoron-karena ary aza miana-kendry amin'izany.

5 Tsy ho hitanao akory ny fahalaniany, satria toy ny manana elatra izany ka manidina toa voromahery eny an-danitra.

6 Aza miara-komana amin'ny kahihitra ary aza mitsiriritra ny hanim-piny;

7 fa samy hafa ny am-pony sy ny voalazany. Hoy izy aminao: "Mihinana, misotroa"; nefa ny fony tsy miandany aminao akory.

8 Haloanao aza izay mba nohaninao ary ho very maina ny teny mamy nataonao.

9 Aza miteny eo an-tsofin'ny olona adala fa tsy ho raharahainy akory ny tenim-pahendrenao.

10 Aza mba mamindra ny baorina tranainy ary aza maka amin'ny tanin'ny kamboty,

11 fa mahery tokoa ilay mpiaro azy ka hisahana ny adiny aminao.

12 Afantohy amin'ny fanabeazana ny sainao ary amin'ny tenim-pahalalana ny sofinao.

13 Aza misalasala manafay ny zanakao, fa tsy ho faty izy akory raha kapohinao.

14 Fa raha mikapoka azy ianao, dia ny fanahiny no ho voavonjinao tsy ho any amin'ny toeran'ny maty.

15 Anaka, raha hendry ny fonao, dia ho faly koa ny foko.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.9468