Ohabolana

Toko faha-30

10 Aza manendrikendrika ny mpanompo amin'ny Tompony , fandrao hozoniny ianao ka hiharam-pahavoazana.

11 Misy karazan'olona izay manozona ny rainy ary tsy mba mirary soa ho an-dreniny.

12 Misy karazan'olona izay mihevi-tena ho madio, nefa tsy voasasa ho afaka amin'ny fahalotoany.

13 Misy karazan'olona izay fatra-pianjonanjona sady manana fijery miandranandrana.

14 Misy karazan'olona izay manana toetra lozabe fa toy ny sabatra ny nifiny ary toy ny antsy ny vazany ka vonona izy hamongotra ny ory tsy ho amin'ny tany ary koa ny mahantra tsy ho eo anivon'ny olona.

15 Manan-janakavavy roa ny dinta izay samy manao hoe: "Omeo! Omeo!" Misy zavatra telo tsy mety afa-po sady tsy mba manao hoe: "Aoka izay!" dia ny fonenan'ny maty, sy ny kibo tsy niteraka, ary ny tany tsy vonton-drano; kanefa misy koa zavatra fahefatra, dia ny afo izay tsy mba manao hoe: "Aoka izay!".

17 Ny olona izay miandranandrana amin-dray sy mamingavinga ny fahanteran-dreny dia hopotsirin'ny goaikan-driaka ny masony ary hohanin'ny voromahery ny tenany.

18 Misy zavatra telo tsy fantatro sady tsy takatro, dia ny fanidin'ny voromahery eny ana habakabaka sy ny fandadin'ny bibilava eny amin'ny vatolampy ary ny fizotran'ny sambo eny afovoan-dranomasina; kanefa misy koa zavatra fahefatra, dia ny firaikan'ny tovolahy amin'ny tovovavy.

20 Toy izao no fomban'ny vehivavy mpanitsakitsa-bady: misesika remby izy, dia mamafa vava ary miteny hoe: "Tsy nanao ratsy aho!"

21 Misy zavatra telo mampikorontana tany, sady tsy azony leferina, dia ny andevo izay tonga mpanjaka sy ny adala izay miletra hanina ary ny vehivavy fanganga izay manambady; kanefa misy koa zavatra fahefatra, dia ny mpanompovavy mandimby tompovavy.

24 Misy karazam-biby efatra tena bitika ety ambonin'ny tany saingy manam-pahendrena mampitolagaga:

25 dia ny vitsika, izay andiam-biby tsy matanjaka, nefa manangona ny haniny amin'ny fahavaratra;

26 ny marmota, izay andiam-biby tsy manan-kery,nefa mahavita trano eny amin'ny harambato;

27 ny valala, izay tsy mana-mpanjaka, nefa hain'izy rehetra ny miainga manao andiany;

28 ny androngo, izay azo samborin-tanana, nefa tonga hatrany an-dapan'ny mpanjaka.

29 Misy zava-miaina telo izay tsara famindra sy miedinedim-pandeha: dia ny liona, izay mahery indrindra amin'ny biby ka tsy mihemotra na amin'inona na amin'inona; sy ny soavaly izay manana andila-mihantsika, ary ny osilahy; kanefa misy koa fahefatra, dia ny mpanjaka eo alohan-tafika.

32 Raha niadaladala ka nanandra-tena ianao ary raha mba nieritreritra kosa avy eo, dia tampeno ny vavanao mba tsy hiteny!

33 Fa fikapohan-dronono no manome dibera, famelezana ny orona no mampivoa-dra, ary fanetseham-pahatezerana no miteraka ady.

Toko faha-31

1 Izao no torohevitra izay noraisin'i Lemoela mpanjakan'i Masa tamin-dreniny:

2 "Inona, anaka, inona no holazaiko anao zanako naterako izay efa nangatahiko am-bavaka?

3 Aza omena ny vehivavy ny herinao. Aoka tsy ireo vehivavy manimba mpanjaka no hibaiko ny fitondrantenanao!

4 Tsy mety amin'ny mpanjaka, ry Lemoela, tsy mety amin'ny mpanjaka nampifehy ny miboboka divay na toaka.

5 Fa raha miboboka izany izy, dia hanadino ny fampiharan-dalana ary hamadika ny zon'ireo olona mahantra.

6 Aoka izay efa ho faty no homena toaka ary izay fadiranovana no hotoloran-divay;

7 dia hiboboka izy hanadinoany ny fahoriany ary tsy hahatsiarovany ny fahantrany intsony.

8 Sokafy ny vavanao hiaro izay tsy afa-miteny sy hiady ho an'ny olona rehetra tsy mana-mpiahy.

9 Sokafy ny vavanao mba hitsara araka ny marina ary hiady ho an'ny ory sy ny mahantra . "

10 Iza no mahita vehivavy mahavatra? Fa ny hasarobidiny dia mihoatra noho ny perla.

11 Matoky azy tanteraka ny vadiny, satria tsy mandanilany fananana izy.

12 Tsy manao ratsy aminy ravehivavy fa manao izay hahasambatra azy kosa mandritra ny andro rehetra iainany.

13 Mitady volon'ondry sy kiran-drongony izy ary miasa araka ny fahakingan'ny tanany.

14 Tahaka ny sambon'ny mpandranto izy ka mitondra ny haniny avy lavitra.

15 Mifoha mbola maizina izy, ka mikarakara ny sakafon'ny ankohonany sy mitsinjara ny asan'ny mpanompovaviny.

16 Mandinika tsara izy vao mividy saha ary mamboly voaloboka amin'ny tombontsoa azony.

17 Misikina herimpo izy fa tsy mba miraviravy tanana.

18 Tsapany ny fandrosoan'ny raharahany ka tsy maty jiro mandritra ny alina izy.

19 Miasa mamoly volon'ondry ny tanany ary manenona lamba ny rantsan-tanany.

20 Manatsotra ny tanany amin'ny ory izy ary malala-tanana amin'ny mahantra.

21 Tsy ahiany amin'izay oram-panalany ankohonany, fa voatafy mafana avokoa ny ao an-tranony.

22 Manao firakotra ho an'ny tenany izy; ny fitafiany dia rongony fotsy sy volomparasy.

23 Hajaina ny vadiny rehefa mivory eo am-bavahady ka miara-midinika amin'ireo loholon'ny tanana.

24 Manao akanjo izy ka mivarotra izany; mandafo fehikibo amin'ny mpandranto koa izy.

25 Hery sy haja no iravahany; ary tsy mahataitra azy ny ho avy.

26 Miteny amim-pahendrena izy ary manoro hevitra amim-pitiavana.

27 Manara-maso izay fizotry ny ankohonany izy ka tsy malaina manomana ny sakafo hohaniny.

28 Ny zanany miara-miantso azy hoe sambatra, ary ny vadiny midera azy manao hoe:

29 Maro ny vehivavy miseho homahavatra, fa manoatra noho izy rehetra ianao.

30 Mamitaka ny bika ary mandalo ny hatsaran-tarehy; fa ny vehivavy manaja ny TOMPO ihany no hoderaina.

31 Hanomezam-pankasitrahana azy anie ny tombontsoa azony ary hideran'ny besinimaro azy anie ny zava-bitany!

Kôheleta

Toko voalohany

1 Izao no tenin'i Koheleta, zanakalahin'i Davida sady mpanjaka tao Jerosalema.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.9392