Ohabolana

Toko faha-20

6 Maro ny olona samy midera tena ny amin'ny soa vitany; fa sarotra kosa ny mahita izay olona mahatoky marina.

7 Toetra vanona no izoran'ny olo-marina; ka sambatra izay zanaka handimby azy.

8 Ny mpanjaka, rehefa mipetraka hanao fitsarana, dia mahita ratsy isan-karazany raha vao mijery.

9 Iza no afaka hiteny hoe: "Nandio ny foko aho, ka dia voadio ho afaka amin'ny fahotako"?

10 Ny vato mizana sy famarana roa karazana dia zavatra samy halan'ny TOMPO.

11 Na ny zaza aza dia fantatra amin'ny ataony raha tsara sy mahitsy ny fitondrantenany.

12 Ny sofina andrenesana sy ny maso ijerena dia zavatra roa samy nataon'ny TOMPO.

13 Aza fatra-pitia torimaso fandrao mihamahantra ianao; mifohaza vao maraina kosa dia ho voky hanina ianao.

14 Hoy ny mpividy: "Ratsy! Ratsy!" Kanjo rehefa lasa izy, dia faly nahazo.

15 Ao ny volamena ary betsaka ny perla; fa ny tenim-pahalalana no vatosoa tsy fahita firy.

16 Raha misy olona sahy miantoka trosan'olona vahiny, dia tano ny akanjony ho antoka ny amin'io olon-tsy fantatra io.

17 Mety mamin'ny olona ny hanina nangalarina, nefa fasika no hameno ny vavany amin'ny farany.

18 Ny hevitra tsara no mahatanteraka ny fikasana; ary tetika voarindra no tokony hoenti-miady.

19 Izay mifosa namana dia manambara tsiambaratelo; koa aza mifanerasera amin'ny olona basivava.

20 Raha misy manozona ny rainy na ny reniny, dia ho toy ny jiro maty ao anaty haizim-pito ny fiainany.

21 Izay maika hangoron-karena am-boalohany, dia tsy hotahina any am-parany.

22 Aza manao hoe: "Hamaly ny ratsy natao tamiko aho!" Fa matokia ny TOMPO, dia hamonjy anao Izy.

23 Halan'ny TOMPO ny vatomizana tsy marina; ary tsy tsara ny mizana mandainga.

24 Ny TOMPO no mampahery ny olona eo amin'ny lalan-kalehany; fa ahoana moa no hahalalan'olombelona ny hombany?

25 Zava-doza ho an'ny olona ny mora miteny hoe: "Zavatra voatokako ho an'Andriamanitra ity", na ny mivoady ka avy eo vao mieritreritra.

26 Ny mpanjaka hendry misivana ny olon-dratsy ka mamela azy ho hosen'ny kodiaram-by.

27 Ny fanahin'ny olona no jiro omen'ny TOMPO mba hitsilovana ny ao am-po tsy miloaka.

28 Fitiavana sy toetra mahatoky no miaro ny mpanjaka; ary fampiharana ny marina no mahamafy orina ny fahefany.

29 Ny fahatanjahana no haingon'ny tanora, ary ny volofotsy no voninahitry ny antitra.

30 Ny fery mangirifiry dia mety mahafaka ny haratsiam-panahy, ary ny kapoka mahadio ny ao am-po tsy miloaka.

Toko faha-21

1 Ny fon'ny mpanjaka dia toy ny rano mikoriana izay tarihin'ny tanan'ny TOMPO amin'izay tiany.

2 Ny olona mihevitra ny ataony ho mahitsy avokoa; fa ny TOMPO no mitsara ny eritreritra manesika azy.

3 Ny fanaovana ny marina sy mahitsy dia sitraky ny Tompo kokoa noho ny sorona.

4 Fijery miandranandrana sy fo miavonavona: fahotana avokoa ny fiedinedin'ireo olon-dratsy.

5 Ny tetikasan'ny olona mazoto no mampanan-karena azy; izay rehetra mikoropaka mihary kosa mihamahantra.

6 Izay harena azo tamin'ny lainga dia etona mihelina ihany sy fandrika mahafaty.

7 Ny halozan'ny olon-dratsy no mamery azy, satria tsy mety manao ny marina ireo.

8 Miolikolika ny lalan'ny olo-meloka; fa mahitsy kosa ny asan'ny madio fo.

9 Aleo mitoetra amin'ny efitra kely ao an-tampon-trano toy izay miray trano amin'ny vehivavy liana ady.

10 Ny olon-dratsy maniry hatrany ny hanao ratsy, ka na dia ny sakaizany aza tsy ananany antra,

11 Ho hendry ny kely saina raha sazina ny mpaniratsira; ary hahazo fahalalana ny hendry raha misy mampianatra.

12 Ny olo-marina manara-maso ny andian'ireo olon-dratsy ka mamarina azy any amin'ny loza.

13 Izay manampin-tsofina amin'ny fitarainan'ny mahantra dia tsy hisy hihaino rehefa mba mitaraina koa.

14 Ny fanomezana atao mangingina dia mampitony ny fahatezerana, ary ny tolotra omena an-kinafinafina mampitsahatra ny fahavinirana.

15 Fifalian'ny olo-marina ny manao izay rariny; fa zava-mampijaly ny mpanao ratsy kosa izany.

16 Izay mivily miala amin'ny lalam-pahendrena dia ho naman'ny maty tsy ho ela.

17 Izay tia filibana ho tonga mahantra, ary izay tia divay sy hanim-py tsy mba hanan-karena.

18 Ny olon-dratsy ho avotry ny olo-marina, ary ny mpivadika ho solon'ny olo-mahitsy.

19 Aleo mitoetra any an-taniefitra toy izay manana vehivavy liana ady sy saro-po.

20 Misy raki-tsarobidy sy harena sesehena ao amin'ny fonenan'ny hendry; fa ny adala kosa mandanilany foana ny azy.

21 Izay fatra-pandala fahamarinana sy fitiavana no hahita fiainana sy famonjena ary haja.

22 Ny hendry mahanika izay tanana mafy ambina indrindraka mandrodana ny manda izay ianteheran'ny mponina.

23 Izay mahatandrina ny teny rehetra ataony dia miaro ny tenany tsy hanana ahiahy.

24 Izay mirehareha sy miavonavona no atao hoe mpaniratsira; fatra-pianjonanjona izy raha manao zavatra.

25 Ny fitsiriritan'ny kamo no hahafaty azy, satria tsy mety miasa ny tanany;

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.9649