Ohabolana
Toko faha-26
20 Rehefa tsy misy kitay intsony, dia maty ny afo; ary rehefa tsy misy mpanendrikendrika intsony, dia mitsahatra ny fifandirana.21 Ny arina mitaiza vainafo, ny kitay mitaiza afo ary ny olona liana ady mandrehitra fifandirana.
22 Toa hani-matsiro ny tenin'ny mpanendrikendrika, ka any anaty kibo no mikorotsaka.
23 Toy ny ankoso-bolafotsy amin'ny tanimanga ny teny mandodoka manafina fo ratsy.
24 Teny mihatsaravelatsihy no ataon'ny mpankahala, kanjo ny ao anatiny mikotrika fitaka;
25 koa na dia miteny amim-pitiavana aza izy, dia aza matoky azy fa feno rikoriko ny fony;
26 mahay manafim-pankahalana izy, nefa hiharihary ampahibemaso ny haratsiany.
27 Izay mihady lavaka no ho latsaka ao ary izay manakodia vato no hikodiavany.
28 Ny mampahory olona amin'ny lainga dia fankahalana azy; ary ny teny mandokadoka no ahitan-doza.
Toko faha-27
1 Aza mirehareha ny amin'ny ho ampitso ianao; fa izay hiseho anio aza tsy fantatrao akory.2 Aoka ny olon-kafa na ny vahiny no hidera anao, fa tsy ny tenanao no hisoka-bava hanao izany.
3 Mavesatra ny vato ary manan-danja ny fasika; fa manoatra noho izy roa tonta ny lolom-pon'ny adala.
4 Masiaka ny havinirana ary manafotra ny hatezerana, fa iza no mahajoro eo anoloan'ny fialonana?
5 Aleo fampitandremana tsy misorona toy izay fitia afinafenina.
6 Ny tsikera ataon-tsakaiza dia itokiana hahasoa fa ny oroky ny fahavalo kosa mamitaka.
7 Izay voky tsy mahahinan-tantely, fa izay noana kosa mankamamy sakafo mangidy.
8 Toy ny vorona miriorio lavitry ny akaniny ny olona mirenireny lavitry ny fonenany.
9 Ny menaka fanosotra sy ny ilo manitra dia mahafaly ny fo; fa ny fahoriana mampisafotofoto ny fanahy.
10 Aza mahafoy ny sakaizanao na ny naman-drainao. Raha tojo fahasahiranana ianao, aza mankany amin'ny rahalahinao, fa tsara kokoa ny mpifanila akaiky noho ny rahalahy lavitra.
11 Hendre, anaka, ary ampifalio ny foko mba hamaliako izay miteny ratsy ahy.
12 Mahatsinjo ny loza ny malina ka miery, fa ny kely saina kosa mandroso ka voa.
13 Raha misy olona sahy miantoka trosan'olona vahiny, dia tano ny akanjony ho antoka ny amin'io olon-tsy fantatra io.
14 Izay manaitra namana vao maraina be, satria niarahaba azy tamim-peo mahery, dia tahaka ny manozona azy.
15 Ny vehivavy tia ady dia toy ny fantsona izay tsy mitsaha-mitete amin'ny andro manorana;
16 izay misakana azy dia toy ny misakan-drivotra na mamihina menaka amin-tanana ila.
17 Ny vy no andranitana ny vy; dia toy izany koa ny olona ihany no andranitana ny sain'olon-kafa.
18 Izay mikolokolo ny aviaviny hihinana ny voany; ary izay mikarakara ny tompony homem-boninahitra.
19 Tahaka ny itarafanao ny tandindonao anatin'ny rano no itarafanao ny tenanao anatin'ny fonao.
20 Tsy mba mety voky ny fonenan'ny maty, ary tsy mba mety afa-po ny mason'olombelona.
21 Misy ny memy fisedrana ny volafotsy ary ny fatana fandrendrehana ny volamena, fa ny lazany kosa no itsarana ny olona.
22 Na dia totoinao toy ny vary an-daona aza ny adala, dia tsy ho afaka aminy akory ny hadalany.
23 Fantaro tsara ny toetoetry ny ondry aman'osinao ary tandremo fatratra ireo biby fiompinao;
24 satria ny harena akory tsy haharitra mandrakizay ary ny satroboninahitra tsy hateza hampitaina amin'ny taranaka mifandimby.
25 Tapaho ny ahitra eny an-tsaha, ka mandritra ny itsirian'ny solofony, dia angony ny vilo-maina eny an-tendrombohitra.
26 Manana ondry hahazoanao fitafiana, manana osilahy hahafahanao mividy saha;
27 ary hanome ronono be ny osivavinao ka hisy hamelomanao ny tenanao sy ny ankohonanao ary ny mpanompovavinao.
Toko faha-28
1 Mandositra ny olon-dratsy na dia tsy misy manenjika azy, fa ny olo-marina kosa matoky tena toy ny liona tanora.2 Rehefa mikorontana ny tany, dia maro mpitondra mifanolosolo. Fa manjaka kosa ny filaminana noho ny olona iray manan-tsaina sy mahay.
3 Tahaka ny oram-batravatra izay mandrava vokatra ny olon-dozabe izay mampahory ny mahantra.
4 Izay mahafoy ny lalana dia mandoka ny olon-dratsy, fa izay mitandrina izany kosa miady aminy.
5 Ny olon-dratsy tsy mahafantatra ny rariny, fa izay mitady ny TOMPO mahalala ny zava-drehetra.
6 Aleo ny mahantra mizotra tsy misy tsiny, toy izay ny mpanankarena miolikolika fitondrantena.
7 Ny zanaka manana fahaiza-manavaka dia mitandrina ny lalanan'ny Tompo; fa izay misakaiza amin'ny naman-dratsy dia manome henatra ny rainy.
8 Izay mitombo harena amin'ny zana-bola mihoa-pampana dia manangona ho an'izay miantra ny mahantra.
9 Izay manampin-tsofina tsy hihaino ny lalana, na ny vavaka ataony aza dia maharikoriko ny Tompo.
10 Izay mitarika ny olo-mahitsy amin'ny lalan-dratsy dia mamarin-tena amin'ny fandrika nataony; fa hahazo hasambarana kosa ny olona tsy misy tsiny.
11 Mihevi-tena ho hendry ny mpanankarena, fa hamaky bantsilana azy ny mahantra mahay manavaka.
12 Rehefa mandresy ny olo-marina, dia ankalazain'ny besinimaro; fa rehefa ny olon-dratsy no mahery, dia ieren'ny olona.
13 Izay manafina ny fahotany tsy mba hahita fahombiazana, fa izay miaiky izany ka miala aminy no hahazo indrafo.
14 Sambatra ny olona izay manaja ny TOMPO mandrakariva, fa izay manamafy ny fony kosa hidiran-doza.