Ohabolana

Toko faha-28

15 Tahaka ny liona mierona sy orsa noana ny olon-dratsy izay manapaka amin'ny vahoaka mahantra.

16 Mampitombo famoretana ny mpanapaka tsy ampy saina; fa ho ela velona kosa izay mankahala fanambakana.

17 Handositra hatrany am-pasana ny olona izay enjehin'ny eritreriny noho izy nahafaty olona: aoka tsy hisy hisakana azy!

18 Izay mizotra tsy misy tsiny no ho voavonjy, fa izay miolikolika fitondrantena no ho lavo tampoka.

19 Izay miasa ny taniny ho voky hanina, fa izay mamboly hevidravina kosa ho voky fahantrana.

20 Ho ampoky ny fitahiana ny olona mahatoky, fa tsy hieren-doza kosa ny maika hanan-karena.

21 Tsy tsara ny mizaha tavan'olona; kanefa na dia sombi-mofo ihany aza dia mety hanotan'ny olona amin'izany.

22 Maika ny hanan-karena ny mpitsiriritra, saingy tsy fantany fa ho avy aminy ny fahantrana.

23 Izay mananatra olona dia hahazo sitraka bebe kokoa amin'ny farany noho izay manao teny mandodoka azy.

24 Izay mandro ba ny rainy sy ny reniny ka manao hoe: "Tsy fahotana izany", dia naman'ny jiolahy.

25 Ny olona tia tena loatra no manetsika ady; fa izay matoky ny Tompo kosa ho tretrika.

26 Adala izay miTOMPO teny fantatra, fa izay mandeha amim-pahendrena no ho voavonjy.

27 Izay manome ny mahantra tsy hanan-java-mahory, fa izay mikimpy tsy mijery azy kosa ho rakotra ozona.

28 Rehefa mahery ny olon-dratsy, dia ieren'ny olona; fa rehefa ringana kosa ireo, dia ny olo-marina no mitondra.

Toko faha-29

1 Izay mafy hatoka tsy laitra anarina dia ho montsana tampoka tsy hisy fanafana.

2 Rehefa ny olo-marina no mitondra , dia faly ny vahoaka; fa rehefa ny olon-dratsy no mifehy, dia misento ny vahoaka.

3 Izay tia fahendrena no mahafaly ny rainy; izay miaraka amin'ny mpivarotena kosa mandany harena.

4 Ny mpanjaka mpandala ny rariny no mampiorina mafy ny tany; fa izay mitaky hetra mihoa-pampana kosa no mampikorosy fahana izany.

5 Izay olona mandodoka ny namany dia mamela-pandrika ho an'ny tenany.

6 Ny olon-dratsy mamandri-tena amin'ny fahotany, fa ny olo-marina kosa mientanentan-kafaliana.

7 Ny olo-marina mahafantatra ny zon'ireo mahantra, fa ny olon-dratsy kosa tsy manana fahalalana izany.

8 Mampisavorovoro ny iray tanana ny mpaniratsira, fa mampitony fahatezerana kosa ny hendry.

9 Raha olon-kendry no manana ady amin'adala, dia ho tezitra na hihomehy ity adala, ka tsy hisy filaminana mihitsy.

10 Ny olona lian-dra mankahala ny olom-banona, fa ny olo-mahitsy kosa miahy ny ainy.

11 Manampatra hatezerana ny adala, fa mahatsindry fo kosa ny hendry.

12 Raha mihaino lainga ny mpitondra, ho tonga ratsy avokoa ny olom-peheziny.

13 Izao no iraisan'ny mahantra sy ny mpampahory; samy omen'ny TOMPO maso hijerena izy roa tonta.

14 Manamafy orina mandrakizay ny seza fiandrianany ny mpanjaka izay mitsara marina ny mahantra.

15 Manome fahendrena ny tsorakazo sy ny fananarana, fa henatra ho an-dreniny kosa ny zaza avela hanaram-po.

16 Raha maro ny olon-dratsy, dia mitombo ny heloka; fa ny olo-marina kosa ho vavolombelon'ny fianjerany.

17 Faizo ny zanakao, dia hahafinaritra anao izy ary hanome fahafaham-po anao.

18 Rehefa tsy misy fanambaran'ny mpaminany, dia mivarilavo ny vahoaka; fa sambatra kosa izany vahoaka izany raha mitandrina ny lalanan'ny Tompo.

19 Tsy amin'ny teny no amaizana ny mpanompo; fa na azony aza izany, dia tsy hankatoaviny.

20 Raha mahita olona miteny tsy amim-piheverana ianao, dia ny adala no misy hantenaina kokoa noho izy.

21 Izay mampihanta ny mpanompony hatry ny fahakely dia hampahaditra azy amin'ny farany.

22 Ny olona mora tezitra manetsika ady; izay mora misafoaka mampiavosa hadisoana.

23 atra ny antokon-tafika sivy; noratrainy sy noboriny kosa ny ankabeazan'ny

24 Izay miray tetika amin'ny mpangalatra, dia fahavalon'ny tenany; nandre ny ozona mety hihatra izy, kanefa tsy milaza ny mpangalatra.

25 Mampidi-doza ny fahatahorana olona; fa izay matoky ny Tompo kosa no voaaro.

26 Maro no mila sitraka amin'ny mpitondra; fa ny TOMPO ihany no mitsara ny olona tsirairay.

27 Halan'ny olo-marina ny olona mpivadi-bolana; ary halan'ny olon-dratsy ny mahitsy fitondrantena.

Toko faha-30

1 Teny manan-danja nataon'i Agora zanakalahin'i Jake. Izao no teny hentitra nambaran'izany lehilahy izany tamin'i Itiela, dia tamin'i Itiela sy i Okala:

2 Eny, dondrona toa biby aho raha samy olona, fa tsy mba manana izay fahaizan'olombelona akory.

3 Tsy nianatra fahendrena na oviana na oviana aho, saingy nahazo ny fahalalan'ireo olo-masina.

4 Iza no efa niakatra tany an-danitra ka nidina avy tany indray? Iza no nahangona ny rivotra tao an-tanany? Iza no nahafono ny rano tamin'ny lambany? Iza no nandraikitra ny faravazan-tany rehetra? Iza no anarany? Iza no anaran-janany? Ambarao raha fantatrao.

5 Voazaha toetra avokoa ny tenin'Andriamanitra. Toy ny ampinga Izy ho an'izay mialoka aminy.

6 Aza manampy na inona na inona amin'ny teniny, fandrao ho faizin'Andriamanitra ianao ka hiharihary ny maha mpandainga anao.

7 "Zavatra roa no angatahiko aminao, Andriamanitra o, ka aza lavina alohan'ny hahafatesako.

8 Alao amiko ny fitaka sy ny lainga ary aza omena fahantrana aho na koa harena, fa izay hanina sahaza ahy ihany omena ahy.

9 Fandrao ho tototra harena aho, dia handa Anao ka hahateny hoe: Fa iza moa ny TOMPO?"" na fandrao hahantra aho, dia mety hangalatra ka hanala baraka ny anaran'Andriamanitro""."

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.9055