Ohabolana
Toko faha-23
16 Ho tretrika tokoa aho, raha amim-pahitsiana no hitenenanao.17 Aza mialona ny mpanota, fa manaja ny TOMPO hatrany
18 satria azo antoka fa misy ny ho avy ary tsy ho foana ny fanantenanao.
19 Mihainoa ahy, anaka, ary hendre; ka mizora amin'ny lala-mahitsy.
20 Aza mikambana amin'ny mpimamodivay na ny mpiletra hena.
21 Fa hihamahantra ny mpiboboka sy ny tendan-kanina, satria be torimaso ka hisaringo-boridamba.
22 Mihainoa ny rainao izay niteraka anao; ary aza manamavo ny reninao efa antitra.
23 Manana toetra mahatoky, ka aza amidy izany; aza amidy koa ny fahendrena sy ny fanabeazana ary ny fahaiza-manavaka.
24 Ny ray niteraka olo-marina sy hendry dia hibita-karavoana sy hifaly aminy;
25 omeo ny rainao sy ny reninao izany fifaliana izany; eny, aoka hibita-karavoana ilay reny niteraka anao.
26 Anaka, aoka hatoky ahy ny fonao ary aoka ny masonao hifaly amin'ny sori-dalako.
27 Fa mampidi-doza toy ny hady lalina ny mpivarotena ary toy ny lava-pantsakana ety ny vehivavy vadin'olona ;
28 manotrika toy ny mpangalatra ireo, ary manamaro ny lehilahy mpanitsakitsa-bady.
29 Ho an'iza ny alahelo? Ho an'iza ny nenina? Ho an'iza ny fifandirana? Ho an'iza ny toloko? Ho an'iza ny ratra tsy amin'antony? Ho an'iza ny maso mandroroa?
30 Ho an'izay mitaraikiraiky amin'ny divay sy ho an'izay tsy mitsaha-manandrana fisotro mifangaro misy alikaola.
31 Aza lia-mijery ny divay mena izay manganohano ao anaty kaopy. Hikoriana moramora ao an-tendanao izy,
32 nefa amin'ny farany hanaikitra toy ny bibilava ary hanindrona toy ny menarana misy poizina.
33 Hahita zavatra hafahafa ny masonao; ary resaka mifanjevo no avoakan'ny eritreritrao.
34 Hihevi-tena ho any afovoan'ny ranomasina ianao ka ho toy ny mihevaheva eny an-tampon'ny lain-tsambo.
35 Dia hoy ianao anakampo hoe: "Nisy nikapoka aho nefa tsy naharary! Nisy nively aho nefa tsy tsaroako akory! Raha vantany vao taitra ange aho, dia hangataka hisotro indray!"
Toko faha-24
1 Aza mitsiriritra ny ratsy fanahy na maniry hiaraka aminy.2 Fa tsy misaina afa-tsy fandravana ny fony, ary tsy miteny afa-tsy faharatsiana ny molony.
3 Ilana fahendrena ny fanorenan-trano, ilana fahaizana ny hahamafy azy;
4 ilana fahalalana ny famenoana azy fanaka soa sy sarobidy ao anatiny.
5 Aleo hendry toy izay matanjaka; ary aleo manam-pahalalana toy izay mihetraketraka.
6 Tetika voarindra no hitondranao ny ady; ary tolotsaina maro no ahazoam-pandresena.
7 Avo tsy takatry ny adala ireo tenim-pahendrena, ka tsy mba manoka-bava izy eo am-bavahady.
8 Izay misaintsaina ny hanao ratsy no atao hoe mpanao tetika maizina;
9 ny tetika ataon'ny adala dia fahotana, ary halan'ny olona ny mpaniratsira.
10 Raha osa amin'ny androm-pahoriana ianao, dia kely dia kely herim-po tokoa!
11 Aza misalasala mamonjy ireo voaheloka ho faty kanefa tsy mitombina ny antony amonoana azy.
12 Raha hoy ianao hoe: "Tsy fantatro izany", dia mahatakatra an-tsaina izany kosa Ilay mahita ny ao am-po tsy miloaka ary mahalala izany Ilay mandinika anao; sady ho valiany araka ny asany avy ny olona.
13 Anaka, mihinana tantely fa tsara izany; ary ho mamy am-bavanao ny tohony.
14 Aoka ho fantatrao fa toy izany koa ny hatsaran'ny fahendrena ho anao. Koa raha anananao izany, dia hisy ny ho avy handrandrainao ary tsy ho foana ny fanantenanao.
15 Ry ilay olon-dratsy, aza anaovanao otrika eo akaikin'ny tranon'ny olo-marina, ary aza ravanao ny fonenany;
16 satria mety lavo impito ny olo-marina, kanefa tafarina ihany, fa ny olon-dratsy kosa mianjera rehefa injay idiran-doza.
17 Aza mifaly, raha lavo ny fahavalonao; ary aza mibitaka, raha mianjera izy.
18 Fandrao hitan'ny TOMPO ka tsy sitrany izany, ary tsy ho tezitra amin'ny fahavalonao intsony Izy.
19 Aza tezitra amin'ny mpanao ratsy ary aza mialona ny olon-dratsy;
20 fa tsy mba manana ho avy handrandraina ireo ary ho faty toy ny jiro mitsilopy ny fiainany.
21 Anaka, manaja ny TOMPO ary koa ny mpanjaka; aza ikambananao ireo mitady hikomy aminy.
22 Fa hanjo azy tampoka ny antambo; ary iza no mahalala izay loza hataon'ny Tompo sy ny mpanjaka aminy?
23 Izao koa dia mbola avy amin'ny hendry: Tsy tsara ny manao fitsara-mitanila.
24 Izay mpitsara manao amin'ny meloka hoe: "Tsy manan-tsiny ianao", dia hozonin'ny vahoaka ary hankahalain'ny firenena.
25 Fa izay mpitsara manameloka ny diso kosa dia ho finaritra sy hiantefan'ny laza tsara.
26 Porofom-pihavanana tena izy ny valinteny omena am-pahatsorana.
27 Vitao aloha ny asanao any ivelany ary ataovy vonon-kamokatra ny saha, vao izay ianao no manangana ny tranonao.
28 Aza mety ho vavolombelom-poana hanameloka tsy amin'antony ny namanao; sa ianao ve te hamitaka amin'ny teninao?
29 Aza manao hoe: "Hataoko aminy izay nataony tamiko, ho valiako araka ny asany iny olona iny!"
30 Nandalovako, indray andro, ny sahan'ny kamo sy ny tanimboaloboky ny tsy ampy saina.