Ohabolana

Toko faha-13

13 Mamery tena izay manamavo ny teny; fa hahazo valisoa kosa izay manaja ny didy.

14 Ny fampianaran'ny hendry dia loharanon'aina, mba hialana amin'ny fandriky ny fahafatesana.

15 Ahazoan-tsitraka ny fahalalana enti-manasoa, fa ny toetran'ny ratsy fanahy kosa mitratrevatreva.

16 Ny malina rehetra dia miasa amim-pandinihana; fa ny adala kosa mampiseho hafokana.

17 Ny iraka ratsy fanahy dia mampidi-doza; fa ny masoivoho mahatoky kosa manarin-javatra.

18 Hahantra sy ho menatra izay manda fananarana; fa homem-boninahitra kosa izay mandray tsikera.

19 Fifaliam-panahy ny firarian-tsoa izay tanteraka; maharikoriko ireo adala kosa ny hiala amin'ny ratsy.

20 Izay miaraka amin'ny hendry dia hihahendry; fa izay misakaiza amin'ny adala kosa hiharatsy.

21 Loza no manjohy ny mpanota; fa hasambarana kosa no valisoan'ny olo-marina.

22 Ny olona tsara fanahy mamela lova ho an'ny taranany; fa ny haren'ny mpanota kosa voatahiry ho an'ny olo-marina.

23 Ny sahan'ny mahantra izay voaasa dia mahavokatra hanina be; fa ny olona sasany kosa ringana noho ny tsy rariny ataony.

24 Izay tsy mba mikapoka an-janany tsy tia azy; fa izay tia azy kosa tsy misalasala manafay azy.

25 Ny olo-marina dia mihinana mahalala onona; fa ny kibon'ny olon-dratsy kosa tsy mety afa-po.

Toko faha-14

1 o oNy fahendren'ny vehivavy no mahamafy tokantrano; fa ny fahadalany kosa maharava izany.

2 Izay mizotra amim-pahitsiana no manaja ny TOMPO; fa izay maniasia kosa manamavo Azy.

3 Ny tenin'ny adala no itsimohan'ny fiavonavonana; fa ny resaky ny hendry kosa fiarovana ho azy.

4 Raha tsy misy omby, dia foana ny efitrano fitahirizam-bary; fa ny omby matanjaka no mampahazo vokatra betsaka.

5 Ny vavolombelona mahatoky tsy mba mandainga; fa ny vavolombelona sandoka kosa milaza lainga.

6 Mba mitady fahendrena ny mpaniratsira, fa tsy mahita; fa izay manan-tsaina kosa mora mahazo fahalalana.

7 Halaviro ny olona adala, fa tsy hahitanao teny fahalalana.

8 Mitandrim-pitondrantena ny malina satria hendry; verin'ny hadalany kosa ny olona adala.

9 Tsy miraharaha izay hanonitra fahadisoana ny adala; fa ny olo-mahitsy ihany no mahatsapa fahafaham-po.

10 Irery ao amin'ny alahelony sy ny fifaliany ny tsirairay; fa tsy misy olon-kafa afaka hiombona izany aminy.

11 Ny tranon'ny olon-dratsy horavana fa ny fonenan'ny olo-mahitsy kosa hambinina.

12 Misy toetra heverin'ny olona ho mahitsy, kanjo mankany amin'ny fahafatesana no iafarany.

13 Na mihomehy aza ny olona, dia mety ory fo; ary ny iafaran'ny fifaliana dia alahelo.

14 Ny mpaniasia hotsiravin'ny vokatry ny toetrany; fa ny tsara fanahy kosa ho ambony noho izy.

15 Ny kely saina dia mino ny teny rehetra ambara aminy; fa ny malina kosa mandinika, vao mandroso.

16 Matahotra ny ratsy ny hendry ka mivily miala aminy, fa misafoaka kosa ny adala satria matoky tena loatra.

17 Izay mora tezitra manao hadalana, ary ny olona miteti-dratsy dia ankahalaina.

18 Ny anjaran'ny kely saina dia fahadalana, fa ny voninahitry ny misaina kosa dia fahalalana.

19 Miondrika eo anatrehan'ny tsara fanahy ny ratsy fanahy; ary mitsatoka eo am-bavahadin'ny olo-marina ny olon-dratsy.

20 Mankahala ny mahantra na dia ny havany aza; fa ny manankarena kosa no maro sakaiza.

21 Izay manamavo ny namany dia manota; fa sambatra kosa izay miantra ny ory.

22 Maniasia ny olona mikasa hanao ratsy; fa fitiavana sy fihavanana kosa no ho hitan'izay mikasa hanao soa.

23 Ny ezaka tsara rehetra dia misy tombontsoa avokoa, fa ny fitsaontsaom-bava kosa miteraka fahantrana.

24 Ny hareny no satroboninahitry ny hendry; fa hadalana kosa no ironan'ny adala.

25 Ny vavolombelona marina mahavonjy ain'olona, fa ny vavolombelona sandoka kosa dia fiasan'ny lainga.

26 Izay manaja ny TOMPO dia manam-pialofana mahatoky; ary misy fiarovana koa ho an'ny zanany.

27 Ny fanajana ny TOMPO dia loharanom-piainana, hahazoana miala amin'ny fandrika mahafaty.

28 Ny hamaroam-bahoaka no voninahitry ny mpanjaka; fa ny havitsiany kosa no fietreny.

29 Izay mahatsindry fo no tena manan-tsaina; fa izay mora misendaotra mampiseho ny hadalany.

30 Ny fiadanam-po dia mamelombelona ny vatana; fa ny fialonana kosa dia tahaka ny homamiadana.

31 Izay mampahory ny mahantra dia manala baraka an'ilay Andriamanitra Mpanao azy; fa izay miantra ny ory kosa no manome voninahitra Azy.

32 Ny ratsy ataon'ny olon-dratsy no mahavery azy; fa ny olo-marina kosa matoky satria tsy manan-tsiny.

33 Mitoetra ao am-pon'ny manan-tsaina ny fahendrena, fa moa mba fantatra ao amin'ny olona adala ve izany?

34 Ny fahamarinana manandratra avo ny firenena;fa ny fahotana kosa dia henatra ho an'ny vahoaka.

35 Ankasitrahin'ny mpanjaka ny mpandraharaha kinga; fa tezerany kosa izay manala baraka.

Toko faha-15

1 Famaliana am-pitiavana mampitony hatezerana; fa teny mitratreva kosa mahatonga havinirana.

2 Ny fitenin'ny hendry manosaka fahalalana mahasoa; fa ny vavan'ny adala kosa mampiely fahadalana.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.9139