Ohabolana
Toko faha-6
20 Anaka, tandremo ny didin-drainao ary aza lavina ny fampianaran-dreninao.21 Araiketo mandrakariva ao am-ponao ireo, ary kajio toa firavaka fiambozonanao.
22 Hitari-dalana anao izy raha mandeha ianao, hiambina anao raha matory ianao ary hanoro hevitra anao raha mifoha ianao.
23 Fa tahaka ny jiro ny didy toy ny fanilo ny fampianarana, ary toy ny sori-dalam-piainana ireo famaizam-panabeazana,
24 ka hiaro anao amin'ny vehivavy ratsy fitondrantena sy amin'ny fanangolen'ny vehivavy vadin'olon-kafa.
25 Aza mitsiriritra ny hatsaran-tarehiny ianao ary aza babon'ny masony mitsipalopalotra.
26 Vidin-tapa-mofo no ahazoan-dehilahy ny vehivavy mpivarotena iray; fa mihaza remby lafo vidy kosa ny vehivavy mpanitsakitsa-bady.
27 Misy olona mitondra afo amin'ny paosin'akanjony ve ka tsy hirehitra akanjo?
28 Misy olona manitsaka vain'afo ve ka tsy ho may tongotra?
29 Dia toy izany fa tsy hieren-doza izay mandry amin'ny vadin'ny namany.
30 Tsy omen-tsiny akory ny mpangalatra, raha toa ka mandroba hampitony hanoanana.
31 Fa raha tratra kosa izy, dia hanonitra impito heny ka hanome izay ananany rehetra ao an-tranony.
32 Adala izay lehilahy mangala-badin'olona; manimba tena ny manao izany.
33 Fa hijinja aretina sy fahafaham-baraka izy ka tsy ho afa-kenatra mandrakizay.
34 Satria ny fahasaro-piaro dia hampisafoaka ny vadin'izany vehivavy izany; ka tsy hiantra rafilahy izy amin'ny andro hamaliany faty.
35 Tsy hanaiky handray onitra izy ary tsy hety hilefitra mihitsy, na dia ho tambazana fanomezana be aza.
Toko faha-7
1 Anaka, tandremonao ny teniko ary ataovy raki-tsoa ho anao ny didiko.2 Tandremo ny didiko, dia ho velona ianao; ary tandremo toy ny anakandriamaso ny fampianarako.
3 Ataovy toy ny peratra amin'ny rantsan-tananao ireo ary soraty ao am-ponao toy ny amin'ny vato fisaka.
4 Hevero toy ny anabavinao ny fahendrena ary toy ny havanao ny fahalalana;
5 ireo no hiaro anao amin'ilay vehivavy mpanitsakitsa-bady dia vehivavy hafa mpanao teny manangoly.
6 Raha teo am-baravarankelin'ny tranoko aho no mba nitazantazana indray andro,
7 dia nahita tovolahy maromaro; ary tamin'ireo no nisy anankiray kely saina,
8 dia tanora maivan-doha izay nandeha tamin'ny lalana akaikin'ny fonenan'izany vehivavy izany ka nizotra nankany an-tranony.
9 Efa somambisamby ny takariva tamin'izay ary efa manakaiky ny alina sy ny haizina.
10 Indro tamy nitsena azy ilay vehivavy sady nanao fitafin'ny mpivarotena no feno hafetsifetsena ao am-po.
11 Sahisahy sady tsy mahatombin-tsiraka izy ka tsy mety tafapetraka ao an-tranony.
12 Fa mbetika eny an-dalambe, mbetika eny an-kianja no mamitsaka miandriandry izy eny amin'ny zoron-trano rehetra eny.
13 Dia nisavika ilay tovolahy izy ka nanoroka azy ary nisolantsolana nilaza taminy hoe:
14 "Efa nivoady tamin'Andriamanitra aho fa hanatitra sorom-pihavanana; ary androany no nanefako izany.
15 Koa nivoaka ny tranoko hitsena anao aho; te hahalala anao aho, ka dia nahita anao.
16 Ny fandriako efa novelarako firakotra, dia lambam-pandriana avy any Ejipta
17 ka nasiako miora sy aloesy ary kanelina hanamanitra azy.
18 Andeha isika hivoky fitia mandra-paharain'ny andro ka hiara-mankafy ny fahafinaretana vokatr'izany.
19 Fa tsy ao an-trano ny vadiko fa lasa nandeha lavitra.
20 Kitapo feno vola no nentiny, ka tsy hiverina izy raha tsy fenomanana indray ny volana."
21 Teny mamy no nandreseny lahatra ilay tovolahy ary resaka manodoka no nitaomany azy.
22 Koa nanaraka an-dravehivavy teo noho eo izy tahaka ny ombilahy entina ho vonoina: adala voafatotra toy izany izy no hofaizina
23 mandra-pitsatoky ny zana-tsipika amin'ny fony; tahaka ny vorona miriotra mankamin'ny harato izy, ka tsy mahalala fa hahafaty azy izany.
24 Koa ankehitriny henoinareo aho, rey anaka, ary tandremo tsara ny teny aloaky ny vavako.
25 Aoka tsy ho babon'ny vehivavy toy izany ny fonareo, ary aza mania mankany amin'ny sakeli-dalany.
26 Fa maro no efa naratrany ka simbany ary tsy tambo isaina ireo rehetra efa matiny.
27 Ny tranony no lalana ho amin'ny toeran'ny maty, dia lala-midina any am-ponenan-dRafahafatesana.
Toko faha-8
1 Injany fa miantso ny Fahendrena ary manandra-peo ny fahaiza-manavaka.2 Eo an-tampon-kavoana amoron-dalana sady eo am-pihaonan-tsakelidalana no ijoroany.
3 Eo anilan'ny vavahady fidirana ny tanana sy toeram-pandalovan'olona no iantsoantsoany hoe:
4 "Ianareo anie, rey olona, no antsoiko; ianareo rehetra no iantefan'ny teniko.
5 Ry kely saina, fantaro ny fahendrena, ry adala, hamafiso ny fahalalana.
6 Henoy fa zava-dehibe no ho lazaiko ka hiteny tsy misorona aminareo aho.
7 Eny, ny marina ihany no lazain'ny vavako fa halan'ny molotro ny faharatsiana.