Ohabolana
Toko faha-3
5 Matokia ny TOMPO amin'ny fonao manontolo, fa aza miantehitra amin'ny fahakingan-tsainao.6 Mieke Azy amin'izay rehetra alehanao, dia hatorony anao ny soritra harahinao.
7 Aza manao ny tenanao ho hendry, fa hajao ny TOMPO ka ialao ny ratsy.
8 Hanasitranana ny tenanao izany ary hamelombelomana ny taolanao.
9 Anomezo voninahitra ny TOMPO ireo fanananao sy izay voaloham-bokatrao rehetra.
10 Dia ho feno vary mitafotafo ny sompitrao; ary hihoatra ny barika fanantazanao azy ny divay.
11 Anaka, aza hamavoinao ny famaizan'ny TOMPO ary aza tofoka amin'ny fananarany.
12 Fa izay tian'ny TOMPO no anariny toy ny ataon-dray amin'ny zanany malala.
13 Sambatra izay olona nahita ny fahendrenasy izay olona nahazo ny fahaiza-manavaka.
14 Fa ny fananana azy dia tsara noho ny fananana volafotsy ary ny tombontsoany dia mihoatra noho ny volamena.
15 Sarobidy noho ny voahangy ny fahendrena; ary izay rehetra azo irina dia tsy misy mitovy aminy.
16 Maha ela velona ny fahendrena etsy an-kilany ary mampahazo harena sy haja etsy an-daniny.
17 Lalana mahafinaritra ny lalany; ary antoky ny fiadanana ny sakeli-dalany rehetra.
18 Hazon'aina sy fahasambarana ny fahendrena ho an'izay mitana azy sy mifikitra aminy.
19 Fahendrena sy fahaiza-manavaka no nanorenan'ny TOMPO ny tany sady nahariany ny lanitra.
20 Ny fahaizany no nampiboiboika rano avy any an-kibon-tany lalina any sy mampitosaka orana avy amin'ny rahona.
21 Anaka, ny fahamalinana sy ny fahaiza-mandinika no ifikiro ka imasoy hatrany.
22 Fa ho antoky ny fiainana ho anao izany sady sarobidy toa firavaka fiambozonanao.
23 Handroso amim-pahatokiana ianao ka tsy hosolafa-mamindra.
24 Tsy hatahotra ianao rehefa miala sasatra, ary ho tafandry mandry rehefa matory.
25 Aza manahy ny fampitahoran'ireo adalana ny famelezan'ny olon-dratsy, raha tonga izany.
26 Fa ny TOMPO no ho tokinao ka hiaro ny tongotrao tsy ho voafandrika.
27 Aza misalasala manao soa amin'izay mila izany raha azonao atao ihany.
28 Aza manao amin'ny namanao hoe: "Miverena fa rahampitso aho manome", raha manan-komena azy izao ianao.
29 Aza mikendry hanisy ratsy namana izay mitoetra amin-toky eo anilanao.
30 Aza miady tsy amin'antony amin'olona, raha tsy mbola nanisy ratsy anao izy.
31 Aza mialona ny mpanao an-keriny ary aza misy alain-tahaka ny ataony,
32 satria halan'ny TOMPO ny mpaniasia fa ny olo-marina kosa isaka izany fatratra.
33 Ozonin'ny TOMPO ny tranon'ny olon-dratsy fa ny fonenan'ny olo-marina kosa tahiny.
34 Maniratsira izay mpaniratsira Azy Izy nefa kosa manome fahasoavana ny manetry tena.
35 Haja no anjaran'ny hendry fa henatra kosa ny an'ireo adala.
Toko faha-4
1 Henoy, rey anaka, ny anatry ny ray ary milofosa hahalala ny fahaiza-manavaka.2 Fa torohevitra mahasoa no omeko anareo; aza mahafoy ny fampianarako.
3 Izaho koa mba zanaka mamin-draiko ary malalan-dreniko toy ny lahitokany.
4 Nampianatra ahy i dada ka nanao tamiko hoe: "Tano mafy ao am-ponao ny teniko; tandremo ny didiko, dia ho velona ianao.
5 Mahazoa fahendrena sy fahaiza-manavaka; ka aza misy hadinoina na ialana ireo teny aloaky ny vavako.
6 Aza mahafoy ny fahendrena, dia harovany ianao; tiavo izy, dia hiambina anao.
7 Ny voalohan-tanjon'ny fahendrena dia izao: mahazoa fahendrena; koa izay rehetra anananao no ahazoy fahaiza-manavaka.
8 Fenjao ny fahendrena, dia hanandratra anao; eny, ho voninahitrao izy raha fihininao.
9 Hasiany diadema soa eo an-dohanao ary homeny satroboninahitra marevaka ianao.
10 Henoy ka raiso, anaka, ny teniko; dia ho ela velona ianao.
11 Hampianariko ny lalam-pahendrena ianao ary ho tarihiko amin'ny soritra mahitsy.
12 Tsy ho voasembantsembana ianao raha mandeha, ary tsy ho tafintohina raha mihazakazaka.
13 Tano mafy izay nanabeazana anao ka aza avela; tehirizo izany fa foto-piainanao.
14 Aza mankany amin'ny falehan'ny olon-dratsy ary aza mizotra amin'ny lalan'ny mpanao ratsy.
15 Halaviro fa aza lalovana akory izany, ary ialao ka mizora lavidavitra kokoa.
16 Tsy matory ireny raha tsy efa nanao ratsy ary tsy mahita tory raha tsy efa nanafintohina olona.
17 Fa ny faharatsiana no mofo fihinany isan'andro; ary ny herisetra no divay fisotrony.
18 Ny fitondrantenan'ny olo-marina dia toy ny fahazavan'ny maraina izay mihamazava mandra-pahantoandro ny andro.
19 Fa ny toetran'ny olon-dratsy fanahy kosa toy ny haizim-pito ka tsy fantany akory izay hanafintohina azy.