Ohabolana

Toko faha-4

20 Anaka, tandremonao ny teniko ka henoy tsara izay lazaiko.

21 Imasoy hatrany ireo ary tehirizo ao am-ponao.

22 Fa aina ho an'izay mandray azy tokoa ireo ary fahasalamana ho an'ny tenany manontolo.

23 Tandremo izay eritreretin'ny fonao fa izany no iankinan'ny fiainanao.

24 Ambeno tsy hiteny lainga ny vavanao na hilaza fitaka ny molotrao.

25 Aoka hifantoka amin'ny olona ny masonao ka hibanjina tsara eo anoloanao.

26 Savao lalana ny tongotrao; aoka ho azo antoka avokoa ny famindranao.

27 Aza mivily miankavanana na miankavia; halaviro ny tongotrao ny ratsy.

Toko faha-5

1 Anaka, tandremonao ny tenim-pahendreko ary anongilano sofina ny tenim-pahalalako,

2 mba hitandroanao ny fisainana mazava ary mba hitenenanao amim-pahaizana.

3 Eny, mamy toy ny tantely avy amin'ny tohotra ny firesaky ny vehivavy ratsy fitondrantena; ary malama noho ny menaka aza ny fiteniny.

4 Nefa ny farany mafaitra toy ny hazo mangidy ary mandratra hoatra ny sabatra roa lela.

5 Fa midina ho amin'ny fahafatesana ny fizotran'izany vehivavy izany; ary miafara any amin'ny toeran'ny maty ny diany.

6 Tsy manaraka ny lalana ho amin'ny fiainana izy fa diso lalana tsy mahafantatra izay alehany.

7 Koa ankehitriny, anaka, henoinao Aho; aza miala amin'ny teniko.

8 Halaviro ny lalanao ny vehivavy toy izany ary aza manakaiky ny tokonam-baravarany,

9 fandrao homeny ny hafa ny voninahitrao ary ho voagejan'izay lehilahy lozabe ny taonanao.

10 Ka vahiny no hivoky amin'ny fanananao, olon-kafa no hitavana amin'ny vokatry ny asanao;

11 dia hitoloko ianao amin'ny farany, rehefa mihaosa ny tenanao ama-nofonao.

12 Dia iny ianao fa hilaza hoe: "Nahoana re no nankahala famaizana aho sy naniratsira fananarana,

13 ka tsy nihaino ny tenin'ireo mpanabe ahy ary tsy nanongilan-tsofina tamin'ireo mpampianatra ahy?

14 Efa saiky rembin'ny faharatsiana isan-karazany aho ary saiky voailiky ny fiangonana sy ny fiaraha-monina."

15 Ny vadinao dia tahaka ny loharano madio sy toy ny fantsakana ho anao; koa misotroa aminy.

16 Fa aza avela hikoriana sy hipariaka eny an-dalambe fotsiny ny ranony.

17 Aoka ho anao samirery izany fa aza ikambanana amin-kafa!

18 Hotahina anie izany loharano madio izany, dia ilay vadinao hatry ny fahatanoranao, ka mifalia aminy mandrakariva.

19 Fa toy ny diera vavy maha te ho tia sy toy ny gazela mahafinaritra ny vadinao. Hahafeno haravoana anao anie ny hatsaram-bikany ary hahasambatra anao mandrakariva ny fitiavany!

20 Koa nahoana ianao, anaka, no ho raiki-pitia amin'izay vehivavy vadin'olon-kafa ka manolo-tena hanafosafo azy?

21 Fa izay toetran'ny lehilahy tsirairay dia eo imason'ny TOMPO hatrany ka dinihiny avokoa izay izorany.

22 Ny heloky ny olon-dratsy dia mamandri-tena, ka ny fahotany ihany no maningotra azy.

23 Ho fatin'ny tsy fahaiza-mifehy tena izy, ka ho very noho ny hadalany mihoa-pampana.

Toko faha-6

1 Anaka, niantoka trosan'ny namanao ve ianao ka nandray tanan'olon-kafa ho marik'izany?

2 Namatotra sy naningotra anao ve ny teny sy fampanantenana voalazanao?

3 Raha eny, dia izao no ataovy, anaka, mba hahafaka ny tenanao izay efa mby eo an-tanan'ny namanao: mandehana mitalaho mafy aminy.

4 Aza miala sasatra mihitsy na matory mandra-panaikin'io namanao io.

5 Afaho ny tenanao, ka tahafo ny gazela sy ny vorona izay afa-miala amin'ny fandrika nihazonana azy.

6 Mankanesa any amin'ny vitsika, ry ilay kamo ; diniho ny fanaony, ka mba hendre.

7 Tsy manana komandy na mpifehy na mpibaiko izy,

8 nefa mamory ny haniny raha faha varatra ary manangona ny sakafony raha fararano.

9 Fa ianao kosa, ry ilay kamo, mandra-pahoviana no mbola handrianao? Rahoviana ihany ianao vao hifoha?

10 Mbola hatory kely sy ho rendremana kely ianao ary hanohon-tanana kely eo am-pandriana ihany.

11 Amin'izay anefa dia hamely anao tampoka toy ny mpisodisody ny fahantrana ary toy ny jiolahy ny fahoriana.

12 Tsy valahara sady tsy misy ilana azy ny olona mpamafy lainga.

13 Mipi-maso hamitaka ny hafa izy sady miantso amin'ny tongony no manao famantarana amin'ny rantsan-tanany.

14 Hafetsifetsena no mameno ny fony ka mampihevi-dratsy azy mandrakariva sy mahatonga azy hamafy ady.

15 Izany no hampiavy tampoka ny faharavany; fa ho potika vetivety tsisy fanafana izy.

16 Misy zavatra enina izay halan'ny TOMPO ka tsy zakany mihitsy, dia ireto:

17 ny fijery miavonavona, ny fiteny mandainga, ny tanana mahafaty olon-tsy manan-tsiny,

18 ny fo mamorona teti-dratsy, ny tongotra dodon-kihazakazaka hanao ratsy,

19 ny vavolombelona mandainga sy manendrikendrika. Fa misy koa zavatra fahafito, dia ny olona mpamafy ady amin'ny rahalahiny.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.91