Ohabolana
Toko voalohany
10 Anaka, aza manaiky ianao, raha taomin'ny naman-dratsy11 ka ilazany hoe: "Andao hiaraka aminay; aoka isika hanotrika handatsa-dra, ka hotampohintsika tsy ahoan-tsy ahoana hatramin'ny olon-tsy manan-tsiny aza.
12 Tahaka ny fitelin'ny toeran'ny maty no hitelemantsika azy mbola velona ka hanaovantsika azy telimoka ho toy ny olona midina any am-pasana.
13 Halaintsika avokoa ireo haren-tsarobidiny; ka ho fenointsika babo ny tranontsika.
14 Dia hiombona anjara aminay ianao fa hiraisantsika rehetra ny kitapom-bolantsika!"
15 Anaka, aza mba miara-dalana amin'ny olona tahaka izany; halaviro ny lalan-kalehany.
16 Fa mihazakazaka ho amin'ny ratsy izy sady dodona ery handatsa-dra.
17 Tsy misy vokany ny famelaram-pandrika, raha toa ka hitan'ny voromanidina izany.
18 Ireny olon-dratsy ireny kosa dia manotrika handatsaka ny ran'ny tenany ihany; ka mamela-pandrika hamelezan-tena.
19 Toy izany no iafaran'izay rehetra fatra-pandroba, ka ipaohana ny ain'izay fatra-panao azy.
20 Miantso mafy eny ankalamanjana ny Fahendrena ka manandra-peo eny an-kianja malalaka.
21 Mitory eny amin'ny fihaonan-dalanabe olona izy ka manambara eo am-bavahadin'ny tanana hoe:
22 "Ry kely saina, mandra-pahoviana no hitiavanareo hakelezan-tsaina? Ry mpaniratsira, mandra-pahoviana no handalanareo faniratsirana? Ry adala, mandra-pahoviana no hankahalanareo fahalalana?
23 Miverena hihaino ny fananarako ianareo fa indro haidiko aminareo ny fanahiko ary hampahafantariko anareo ny teniko.
24 Efa niantso aho fa nolavinareo, efa nanolo-tanana anareo fa tsy nahoanareo.
25 Nolavinareo ny torohevitro rehetra ary tsy noraharahainareo ny anatro.
26 Izaho kosa mba hihomehy ny faharavanareo ary handatsa rehefa ho tonga aminareo ny tahotra.
27 Eny, ho tonga aminareo toy ny tafiodrivotra ny tahotra, hiantonta toy ny rivodoza ny faharavanareo, ho tonga aminareo ny zava-mampahory sy mampitebiteby;
28 amin'izay no hisy hiantso ahy fa tsy ho valiako ary koa hisy hitady ahy fa tsy hahita.
29 Hiharan'izany tokoa ianareo, satria nankahala ny fahalalana ary tsy nifidy hanaja ny TOMPO
30 sady tsy nanaiky ny torohevitro ary naniratsira ny anatro rehetra.
31 Ny saim-pantatrareo sy ny vokatry ny fitondrantenanareo no hampizihi-kibo ka hankandoa anareo.
32 Fa ny di-doha no mahafaty ny kely saina ary ny fahatokian-tena no mahavery ny adala.
33 Izay mihaino Ahy kosa dia hitoetra amin-toky; eny, handry feizay izy ka tsy hanahy fahoriana."
Toko faha-2
1 Anaka, raisonao ny teniko ary ataovy raki-tsoa ho anao ny didiko.2 Henoy ny teny ataon'ny fahendrena ka ampiezaho ny fonao hahay manavaka.
3 Mangataha fanampiana amin'ny fahalalana, miantsoa famonjena amin'ny fahaiza-manavaka.
4 Fa raha tadiavinao toy ny fitady volafotsy ireo ary katsahinao toy ny fikatsaka harena nafenina.
5 dia ho fantatrao tokoa ny fanajana ny TOMPO ary ho hitanao ny fahalalana an'Andriamanitra.
6 Fa ny TOMPO no manome ny fahendrena; ary avy amin'ny vavany no mipoitra ny fahalalana sy ny fahiratan-tsaina.
7 Mampahomby ny olo-mahitsy Izy ary toy ny ampinga fiarovana ho an'izay mandeha tsy misy tsiny.
8 Miaro ny lalan'ny fahamarinana Izy ary miambina izay mpifikitra aminy.
9 Raha mihaino Ahy ianao, dia ho fantatrao ny marina sy rariny ary hizoranao avokoa ny lalam-pahasambarana.
10 Ho tonga ao am-ponao ny fahendrena, ary hampifaly anao ny fahalalana,
11 hiaro anao ny fahamalinana ary hiambina anao ny fahaiza-manavaka;
12 ireo no hampiala anao amin'ny toe-dratsy sy amin'ny olona miteny fitaka
13 na mandao ny sori-dalam-pahitsiana mba hizotra amin'ny lalan'ny haizina,
14 dia ny olona faly manao ratsy sady finaritra amin'ny famitaha-namana,
15 miolikolika sori-dalana ka mivaona amin'ny fitapitaka.
16 Ny fahamalinana sy fahaiza-manavaka no hampiala anao koa amin'ny teny mandrobo fanaon'ny vehivavy izay vadin'olona,
17 dia vehivavy nandao ny vadiny sy nanadino ny fifanekena izay nataony teo amin'Andriamaniny.
18 Mitondra amin'ny fahafatesana ny toetran'izany vehivavy izany, ary mankany amin'ny fahaverezana ny fitapitaka ataony.
19 Izay mankao amin'izany vehivavy izany dia tsy misy afa-miverina intsony ary tsy mihazo ny lalan'ny fiainana.
20 Noho izany, ny toetran'ny tsara fanahy no hizoranao ary ny sori-dalan'ny olo-marina no ho tandremanao.
21 Fa ny olo-mahitsy sady tsy manan-tsiny no honina amin'ny tany sy hitoetra eo.
22 Ny olon-dratsy sy ny mpivadika kosa ho fongorana amin'ny tany sy ho voaroaka tao.
Toko faha-3
1 Anaka, aza manadino ny fampianarako; ary aoka ho voatandron'ny fonao ny didiko.2 Fa andro lava sy taona maro iainana ka hiadam-pinaritra hatrany no ho vokatr'ireny ho an'ny tenanao:
3 Aoka tsy hialanao mihitsy ny fitiavana sy ny toetra mahatoky; kajio toa firavaka fiambozonanao izany, ary soraty ao am-ponao toy ny amin'ny vato fisaka.
4 Fa hahita sitraka sy fahombiazana ianao eo imason'Andriamanitra sy ny olona.