Salamo
Toko faha-147 (146-1
16 Izy no mandatsaka orampanala toa volon'ondry, sy mamafy fanala toa lavenona,17 manipy rano mandry toa sombi-mofo ka tsy misy mahazaka ny hatsiakany.
18 Alefany ny teniny, ka miempo ireny; atsokany ny rivotra, dia mandriaka ny rano.
19 Izy no manambara ny teniny amin'ny taranak'i Jakoba, ny didiny sy fitsipiny amin'ny vahoaka Israely,
20 fa tsy mba nanao izany tamin'ny firenen-kafa ka ny fitsipiny tsy mba fantatr'ireo. Haleloia!
Toko faha-148
1 Haleloia! Midera ny TOMPO ianareo any an-danitra any; eny, midera Azy ianareo any ambony any.2 Midera Azy, ry anjeliny rehetra; midera Azy, ry tafiny tontolo.
3 Midera Azy, ry masoandro amam-bolana; midera Azy, ry kinta-mazava rehetra.
4 Midera Azy, ry lanitra faratampony mbaminareo rano any ambonin'ny habakabaka.
5 Aoka ireo samy hidera ny anaran'ny TOMPO, satria Izy no nandidy, dia ary ireo
6 sady nataony maharitra mandrakizay sy nomeny lalana tsy azo dikaina!
7 Midera ny TOMPO ianareo eto an-tany; midera Azy, ry dragona sy rano lalimbe rehetra,
8 ry afo sy havandra, ry orampanala sy zavona, ry rivotra mahery izay mpankato ny teniny;
9 midera Azy, ry tendrombohitra sy havoana rehetra, ry hazo mamoa sy sedera rehetra,
10 ry bibidia sy biby fiompy rehetra, ry biby mandady sy voro-manidina.
11 Midera Azy, ry mpanjakan'ny tany sy ry vahoaka rehetra, ry mpitondra sy mpifehy rehetra eran-tany,
12 ry tovolahy sy tovovavy, ry zokiolona omban'ny ankizy.
13 Aoka ianareo samy hidera ny Tompo, satria ny anarany irery no avo indrindra: ambonin'ny tany aman-danitra ny fiandrianany.
14 Nataony mitraka sy mahery ny vahoakany; ka midera ny TOMPO ireo mpivavaka aminy, dia ireo Israelita vahoaka lalainy. Haleloia!
Toko faha-149
1 Haleloia! Mihira hira vao ho an'ny TOMPO ianareo. Hidera Azy anie ny fiangonan'ny mpivavaka!2 Hifaly anie ny vahoaka Israely, fa ny Tompo no Mpanao azy; hiravo anie ny terak'i Tsiona, fa Izy no mpanjakany!
3 Hoderaina amin-dihy anie ny anaran'ny Tompo, ka hankalazaina amin'amponga sy lokanga
4 fa sitraky ny TOMPO ny vahoakany sady ravahany fandresena ny ory!
5 Ny mpivavaka anie hientanentana hanome voninahitra ny Tompo; hanao hobin-kafaliana anie ireo na dia mandritra ny alina aza,
6 ka am-bava hanandratra an'Andriamanitra, an-tanana hanainga sabatra roa lela!
7 Ny mamaly faty an'ireo hafa firenena sy manao famaizana ny vahoakany,
8 ny mamatotra ireo mpanjakany sy managadra ireo mpifehy azy,
9 ary ny mampihatra amin'ireny ny fitsarana voarakitra an-tsoratra: izany sy izany no zavatra ireharehana ho an'izay rehetra mpivavaka amin'ny Tompo. Haleloia!
Toko faha-150
1 Haleloia! Midera an'Andriamanitra eo amin'ny Toeramasiny, Midera Azy eo amin'ny habakabaka isehoan'ny fahefany.2 Midera Azy noho ny asany mahery, Midera Azy noho ny halehibeny tapitra ohatra.
3 Midera Azy amin'ny fitsofana anjomara , Midera Azy amim-baliha sy lokanga.
4 Midera Azy amin'amponga sy dihy, Midera Azy amin'ny jejilava sy sodina.
5 Midera Azy amin'ny kipantsona madinika, Midera Azy amin'ny kipantsona vaventy.
6 Aoka ny miaina rehetra samy hidera ny TOMPO! Haleloia!
Toko faha-151
1 Salamo nosoratana manokana ho an'i Davida, nefa tsy tafiditra ao amin'ny fanisana. Fony i Davida nanao ady samy irery tamin'i Goliata. Izaho no kely indrindra taminay mirahalahy avy sy zandriny indrindra tamin'ny ankohonan-draiko. Ny miandry ny ondrin-draiko no lahasako.2 Nanao sodina ny tanako; namboatra valiha ny rantsan-tanako.
3 Iza no hanambara izany amin'ny Tompoko? Ny Tompo ihany, eny, Izy mihitsy no mandre.
4 Koa dia nandefa ny irany Izy, ka naka ahy teo anivon'ny ondrin-draiko io sy nanosotra ahy tamin'ny menaka fanosorany.
5 Bikana sy ranjanana avokoa ny zokiko; nefa tsy izy ireo no sitraky ny Tompo.
6 Lasa nisehatra an'ilay Filistinina aho, ka nozoniny tamin'ireo sampiny.
7 Fa notsoahako ny sabatra teny aminy ary dia nanapa-doha azy aho; ka indro ny henatra fa voaaisotra teo amin'ny taranak'i Israely.
Ohabolana
Toko voalohany
1 Ohabolan'i Salomona zanakalahin'i Davida sady mpanjakan'i Israely.2 Ireo ohabolana ireo dia hahalalan'ny olona ny fahendrena amam-panabeazana, sy hahatakarany teny hahaiza-manavaka,
3 ary hahazoany fanabeazana mahiratra momba ny fahamarinana sy rariny ary fahitsiana.
4 Anomezam-pahamalinana ho an'ny olon-tsotra ireny ary fahalalana sy fahaiza-mandinika ho an'ny tanora.
5 Na dia ny hendry aza no mihaino ireny, dia hitombo traikefa izy, ary ny lalin-tsaina hahita torolalana
6 hahatakarana ohabolana sy fanoharana ary ny tenin'olon-kendry sy ny ankamantany.
7 Ny fanajana ny TOMPO no loharanom-pahalalana ; fa ny adala kosa manamavo fahendrena amam-panabeazana.
8 Henoy, anaka, ny fananaran-drainao ary aza lavina ny fampianaran-dreninao;
9 handravaka ny fiainanao izany ka toy ny fehiloha kanto eo an-dohanao ary koa toy ny rado eo am-bozonao.