Salamo
Toko faha-144 (143)
12 Ny zanakay lahy anie ho toy ny zana-kazo: toy ny hazo tanora maroroka fitsiry! Ny zanakay vavy anie ho toy ny andry fehizoro, izay tsara sokitra toy ny any an-dapa!13 Ny sompitray anie ho feno hika, ho hipoka vokatra isan-karazany! Ny biby fiompy any an-tsahanay anie hitombo arivoarivo sy alinalina!
14 Ny mpiandany aminay no hizaka ny mafy, ka ny mandanay anie tsy hisy banga! Samy tsy hisy koa na ny faharesenana ny fibabababana eny an-kianja!
15 Sambatra ny firenena izay hahazo fanambinana toy izany! Sambatra ny firenena izay manana ny TOMPO ho Andriamanitra!
Toko faha-145 (144)
1 Fiderana nataon'i Davida.Andriamanitro o , Ianao no mpanjakako ka dia hanandratra Anao aho sy hankalaza ny anaranao mandrakizay.
2
Hankalaza Anao isan'andro aho sy hidera ny anaranao mandrakizay.
3 Lehibe ny TOMPO ary mendri-piderana fatratra; tsy takatry ny saina ny halehibiazany
4
Ny taranaka rehetra samy hilaza amin'izay mandimby azy ny fiderana ny zava-bitanao sy hanambara ny asanao mahery.
5 Ny fiandriananao malaza sy be voninahitra mbamin'ny asanao mahagaga no hosaintsainiko;
6 hotenenin'ny olona anie ny herinao mahatahotra, fa hotanisaiko kosa ny halehibiazanao!
7 Aoka izy hiventy fahatsiarovana ireo asa soa lehibe nataonao ary hihoby ny fahamarinanao!
8
Miantra sy be indrafo ny TOMPO, tsy malaky tezitra ary be fitiavana ;
9 tsara amin'ny olon-drehetra ny TOMPO, be indrafo amin'ny asany rehetra.
10 TOMPO o, midera Anao ny asanao rehetra; misaotra Anao ny mpivavaka aminao.
11 Resahiny ny fanjakanao be voninahitra ary teneniny ny asanao mahery
12 mba ho fantatry ny olona ny asanao mahery sy ny fanjakanao be voninahitra sy malaza.
13
Fanjakana maharitra mandrakizay ny fanjakanao; amin'ny taona mifandimby ny fanapahanao.
Mahatoky amin'ny fampanantenany rehetra ny TOMPO ary be fitiavana amin'ny asany rehetra.
14 Ny TOMPO no manohana izay rehetra ho lavo sy mampitraka izay rehetra mitanondrika.
15 Mifantoka aminao ny mason'izao rehetra izao fa Ianao manome azy ny sakafony ara-potoana.
16 Manokatra ny tananao Ianao ka mamoky zava-tsoa ny miaina rehetra.
17 Marina amin'ny lalany rehetra ny TOMPO ary be fitiavana amin'ny asany rehetra.
18 Ny TOMPO eo akaikin'izay rehetra miantso Azy, dia izay rehetra miantso Azy marina tokoa.
19 Manao izay irin'ny manaja Azy ny Tompo, ary mihaino ny tarainany ka mamonjy azy.
20 Ny TOMPO miambina izay rehetra tia Azy; ny olon-dratsy kosa aringany avokoa.
21 Aoka ny vavako hiteny fiderana ny TOMPO; ny voaary rehetra anie hankalaza ny anarany masina mandrakizay mandrakizay!
Toko faha-146 (145)
1 Haleloia! Aoka hidera ny TOMPO aho!2 Hidera ny TOMPO aho raha mbola miaina koa; hankalaza ny Andriamanitro aho raha mbola velona koa.
3 Aza mba mitoky amin'ny mpanapaka, dia izay olombelona tsy afa-mamonjy:
4 vantany vao miala ny fofonain'ireo, dia miverina amin'ny vovoka niaviany izy; ka amin'izay indrindra no ravany fikasany.
5 Sambatra izay manana an'Andriamanitra ho Mpitahy, dia ilay Andriamanitr'i Jakoba; sambatra izay mametraka ny fitokiany ao amin'ny TOMPO Andriamaniny:
6 dia Andriamanitra nanao ny lanitra sy ny tany ary ny ranomasina mbamin'izay rehetra ao amin'ireny , mitandro fahamarinana hatrany
7 ka manome rariny ny ampahorina ary manome sakafo ny noana. Ny TOMPO mamaha ny mpifatotra;
8 ny TOMPO mampahiratra ny jamba; ny TOMPO mampitraka ny mitanondrika;
9 ny TOMPO miaro ny vahiny sy manohana ny kamboty amam-pitondratena; ny TOMPO mitia ny olo-marina fa mampibirioka kosa ny olon-dratsy.
10 Hanjaka mandrakizay ny TOMPO, dia ny Andriamanitrao, ry Tsiona o, amin'ny taona mifandimby. Haleloia!
Toko faha-147 (146-1
1 Midera ny TOMPO ianareo fa tsara Izy; mankalaza ny Andriamanitsika fa mamy Izy. Mendrika Azy tokoa ny fiderana.2 Manangana an'i Jerosalema ny TOMPO: ao no hamoriany izay efa niely tamin'i Israely.
3 Manasitrana ny torotoro fo Izy sy mamehy ny ferin'ireo.
4 Manisa tsirairay ny kintana Izy sy miantso azy amin'ny anarany avy.
5 Lehibe ny TOMPOntsika sady mahery; tsy misy fetra ny fahalalany.
6 Manarina ny ory ny TOMPO fa manetry ny olon-dratsy hatramin'ny tany.
7 Mihira fiderana ho an'ny TOMPO ianareo; mankalaza an'Andriamanitsika amin'ny lokanga:
8 Izy no manaron-drahona ny lanitra manomana orana ho an'ny tany, mampitsiry ahitra ny tanety, mamokatra anana ho an'ny olona,
9 manome sakafo ny biby fiompy sy ny zana-goaika mitoreo.
10 Tsy ny herin'ny soavaly na ny hakingan'ny olona no tena sitraky ny TOMPO sy ankamaminy,
11 fa izay manaja Azy ka matoky ny fitiavany.
12 Ry Jerosalema o, mankalaza ny TOMPO; ry Tsiona o, midera an'Andriamanitrao.
13 Izy no manamafy ny hidim-bavahadinao, mitahy ny zanakao ao anatinao,
14 manisy fiadanana ny faritaninao sy mamoky anao amin'ny vary tsara indrindra,
15 mandefa ny baiko ny eto an-tany ka faingam-piely tokoa ny teniny.