Salamo
Toko faha-140 (139)
6 Efa nanafim-pandrika hamelezana ahy ny mpiavonavona: eny, nanenjan-tady sy harato teo amoron-dalana ireo ary nametraka tadivavarana mba hahazoany ahy.7 Hoy kosa aho tamin'ny TOMPO: "Ianao no Andriamanitro. TOMPO o, mba henoy izany feoko mitaraina aminao!
8 Ry TOMPO Andriamanitra Mpamonjy mahery o, nosaronanao ny lohako tamin'ny andro niadiana.
9 TOMPO o, aza tovinao izay irin'ny olon-dratsy, aza avela hahomby ny fikasany!"
10 Be rehaka lalandava ireo fahavalo manemitra ahy; ka ny ratsy notonontononiny anie hanototra azy!
11 Vainafo miredareda anie no toy ny orana halatsaka aminy; lavaka lalina tsy hainy hiakarana anie no hamarinana azy ao anaty afo!
12 Aoka ny olo-mahay vava tsy honina amin'ny tany, ary ny olon-dozabe ho enjehin'antambo ka tsy hamelany!
13 Fantatro, TOMPO o, fa ho tandrovinao ny zon'ny ory ary hamoahanao fitsarana ara-drariny ny mahantra.
14 Eny tokoa, ny olo-marina hisaotra Anao ary ny olo-mahitsy hitoetra eo anoloanao.
Toko faha-141 (140)
1 Salamo nataon'i Davida. TOMPO o, miantso Anao aho: faingana ho eto amiko. Mba henoy ny feoko amin'ny fiantsoako Anao.2 Ny fivavahako anie hisandratra eo anoloanao toy ny eton'ny vovo-javamanitra! Ny fanandratako tanana anie ho toy ny fanatitra hariva !
3 TOMPO o, asio mpiambina ny vavako; arovy ny varavaran'ny molotro.
4 Aza avela hirona amin'ny zava-dratsy ny foko. Aoka aho tsy hiaraka amin'ny mpanao heloka na hivarilavo amin'ny fanao tsy mety na hihinana ny hanim-pin'ireo koa!
5 Raha ny olo-marina hikapoka ahy, dia mari-pitiavana izany; raha hananatra ahy koa izy, dia ilomanitra soa indrindra izany ka enga anie tsy holavin'ny lohako! Fa ny fivavahako anie hitohy hatrany hanoherana ny haratsian'ny mpanao heloka!
6 Rehefa havarina amin'ny hantsam-bato ireo filohany, vao hiaiky ny mahamarina ny teniko ny olon-dratsy.
7 Toy ny hazo tapatapahina sy vakivakina eny an-tsaha no nanelezana ny taolam-balony, rehefa hitelina azy ny toeran'ny maty.
8 Ianao kosa no andrandrain'ny masoko, ry TOMPO Andriamanitro o; Ianao no ialofako, ka aza avela ho faty aho.
9 Ambeno aho tsy ho voan'ny fandrika mivelatra sy ny tadivavaran'ny mpanao heloka.
10 Enga anie ireo olon-dratsy ireo no hiara-datsaka anaty haratony, fa izaho kosa ho afaka amin'izany!
Toko faha-142 (141)
1 Tononkalo fananarana nataon'i Davida. Vavaka nataony fony izy tao anaty zohy.2 Miantso mafy ny TOMPO aho, mitalaho mafy aminy.
3 Loarako eo anatrehany ny tarainako, ambarako eo anatrehany ny fahoriako.
4 Raha reraka ato anatiko aho, dia fantatrao ny manjo ahy. Eo amin'ny lalana izorako no namelaram-pandrika hamely ahy.
5 Tazano eo ankavanako ka jereo: tsy misy olona mba miraika amiko, tsy misy toerana mba hialofako, tsy misy olona miahy ny aiko.
6 Ianao, TOMPO o, no antsoiko. Hoy aho hoe: "Ianao no aroko sady anjara voatokana ho ahy, eto amin'ity tany ivelomanay ity!"
7 Ho henonao anie ny tarainako, fa reraka dia reraka tokoa aho! Afaho amin'ny mpanenjika aho, fa mahery noho izaho ireny.
8 Avoahy hiala ny tranomaiziko aho mba hahazoako hidera ny anaranao eo anivon'ny olo-marina hanodidina ahy, rehefa nanisy soa ahy Ianao.
Toko faha-143 (142)
1 Salamo nataon'i Davida. TOMPO o, mba henoy vavaka aho, anongilano sofina ny fifonako. Araka ny toetranao mahatoky sy araka ny fiantranao no amalio ahy.2 Mpanomponao aho ka aza antsoina hotsaraina, fa tsy misy olombelona ho marina eo anatrehanao.
3 Nenjehim-pahavalo tokoa aho; nohoseny an-tany ny aiko. Nampitoeriny tamin'ny haizina aho mova tsy ny maty fahagola.
4 Koa reraka ato anatiko aho; fadiranovana ny foko ato amiko.
5 Tsaroako izany andro fahiny; sainiko avokoa ny nataonao, eritreretiko ny asa vitanao.
6 Mivavaka manandra-tanana aminao aho ; ny fanahiko eo anatrehanao dia tahaka ny tany mangentana.
7 Valio faingana aho, TOMPO o, fa efa ambivitra ny aiko. Aza manafin-tava amiko Ianao, ndrao ho tahaka izay midina any am-pasana aho.
8 Ataovy tsapako isa-maraina ny fitiavanao, satria Ianao no itokiako; ampahafantaro ahy ny lalan-kizorako, satria Ianao no ifantohako.
9 TOMPO o, afaho amin'ny fahavalo aho fa ao aminao no iereko.
10 Ampianaro aho hanao ny sitrakao, satria Andriamanitro Ianao. Enga anie ny Fanahinao tsara hitarika ahy amin'ny tany marina!
11 Araka ny maha TOMPO Anao, dia velomy indray aho; noho ny fahamarinanao, dia esory amin'ny fahoriana aho.
12 Noho ny fitiavanao ahy, dia fongory ny fahavaloko ka aringano avokoa ny mpandrafy ahy, satria mpanomponao aho.
Toko faha-144 (143)
1 Nataon'i Davida. Hisaorana anie ny TOMPO vatolampiko, Ilay manazatra ahy hamely fahavalo sy manomana ahy hiady amin'ireo!2 Izy no fialofako sy fonena-mimandako fiarovana avo sy mpanafaka ahy. Izy no ampingako sy fiereko, mampietry firenena maro hanoa ahy.
3 TOMPO o, mba inona moa ny olombelona no ahinao sy izay zanak'olombelona no karakarainao?
4 Fa ny olombelona toa tsio-drivotra ihany; ny androm-piainany toa aloka mihelina.
5 TOMPO o, mba aletseo ny lanitra ka midina; tendreo ny tendrombohitra hanetona.
6 Ataovy mitselatselatra ny helatra hipariaka; alefao ny zana-tsipikanao hifanaretsaka.
7 Ny tananao atsory avy any ambony mba hisarika ahy ho afaka amin'ny ranobe, dia amin'ny famelezan'ny hafa firenena,
8 izay miteny fitaka ny vavany ary fianianana tsy marina no anandratany tanana ankavanana.
9 Andriamanitra o, hihirako hira vaovao Ianao ary hankalazaiko amin'ny valiha torifolo:
10 Ianao no manome fandresena ny mpanjaka sy manafaka an'i Davida mpanomponao.
11 Vonjeo tsy ho voan'ny sabatry ny olon-dratsy aho, afaho amin'ny famelezan'ny hafa firenena, izay miteny fitaka ny vavany ary fianianana tsy marinano anandratany tanana ankavanana