Salamo
Toko faha-136 (135)
23 Izy no nahatsiaro antsika fony isika nijaly -eny, maharitra mandrakizay ny fitiavany!24 sy nisarika antsika ho afaka amin'ny mpampahory -eny, maharitra mandrakizay ny fitiavany!
25 ary manome sakafo ny voaary rehetra; -eny, maharitra mandrakizay ny fitiavany!
26 Midera an'ilay Andriamanitry ny lanitra , -eny, maharitra mandrakizay ny fitiavany! Babilona
Toko faha-137 (136)
1 Teo amoron'ny onin'i Babilona no nipetraka izahay ka nitomany mafy nahatsiaro an'i Tsiona!2 Ny hazo malahelo izay teny ho eny no nanantonanay ny lokanganay.
3 Dia avy ny mpamabo anay nangata-kira taminay; avy ny mpifaoka anay nitaky antsam-pifaliana hoe: "Mba ihirao amin'ny hiran'i Tsiona izahay!"
4 Fa dia hataonay ahoana no fihira ny hiran'ny TOMPO aty an-tanin'olona aty?
5 Raha manadino anao aho, ry Jerosalema o, dia aoka ho tonga malemy ny tanako ankavanana!
6 Raha tsy mahatsiaro anao intsony aho, ry Jerosalema o, raha tsy ianao no ataoko antom-pifaliako ambony indrindra, dia aoka hiraikitra amin'ny lanilaniko ny lelako !
7 TOMPO o, tsarovy ny nafitsoky ny Edomita; fa tamin'ny andro nandravana an'i Jerosalema, dia ireo no nandrisika hoe: "Fongory io tanana io, eny, fongory hatramin'ny fanorenany!"
8 Ianao kosa, ry tananan'i Babilona o, dia efa horavana. Sambatra izay hampanody anao ny nafitsokao anay !
9 Sambatra izay hanainga ny zanakao madinika ka hanorotoro azy eo ambonin'ny vatolampy!
Toko faha-138 (137)
1 Nataon'i Davida. Tompo o, midera Anao amin'ny foko manontolo aho sady mankalaza Anao eo anatrehan'ireo anjely;2 Miankohoka mitodika ny tempolinao masina aho sy midera Anao noho ny fitiavanao mahatoky, fa ny lazanao sy ny fampanantenanao dia nataonao ambonin'ny zava-drehetra.
3 Tamin'ny andro nitarainako, dia novalianao aho ka nampitomboinao ny hery tao anatiko.
4 TOMPO o, hidera Anao avokoa ny mpanjakan'ny tany, rehefa handre ny fampanantenana voalazanao.
5 Hihira ny amin'ny sori-dalanao izy ireo hanao hoe: "Eny, lehibe ny voninahitry ny TOMPO!
6 Fa na dia avo toerana aza izy, dia mijery ny manetry tena; saingy ny mpiavonavona kosa dia fantany avy eny lavitra eny."
7 Na mizotra eo anivom-pahoriana aza aho, dia hamelombelona ny aiko Ianao; na misafoaka amiko aza ny fahavaloko, dia haneho hery hampandresy ahy Ianao.
8 TOMPO o, hotanterahinao amiko izany. Maharitra mandrakizay ny fitiavanao, TOMPO o, ka aza atsahatra ny asa ataonao.
Toko faha-139 (138)
1 Tao amin'ny tahirin-kiran'ny filohan'antoko-mpihira. Salamo nataon'i Davida. TOMPO o, nandinika ahy Ianao ka fantatrao avokoa ny momba ahy.2 Fantatrao aho na mipetraka na mitsangana; elabe mialoha, dia efa tsinjonao ny hevitro.
3 Voadinikao aho na mamindra na miato; ary tsy misy miafina aminao ny lalan-kalehako.
4 Tsy mbola eo am-bavako akory ny teny holazaiko, dia indro efa fantatrao avokoa, TOMPO o.
5 Voambombanao aho na eo aloha na eo ivoho; ny fiarovanao no apetrakao amiko.
6 Mahagaga loatra amiko ny fahalalanao ahy; avo tokoa izany, ka tsy takatro velively.
7 Aiza no hialako lavitra ny Fanahinao? Aiza no handosirako tsy ho eo anatrehanao?
8 Raha miakatra any an- danitra aho, any Ianao; mandry any amin'ny toeran'ny maty aho, io koa Ianao.
9 Raha maka ny elatry ny mazavatsinanana aho na lasa honina any am-paran'ny ranomasina,
10 dia mbola ny fiarovanao no mitondra ahy any ary mbola ny herinao koa no mihazona ahy.
11 Ka hoy aho hoe: "Aoka ny haizina hanarona ahy! Aoka ny hazavana manodidina ahy hanjary alina!"
12 Na ny haizina aza tsy maizina aminao, ary ny alina koa dia mazava toy ny andro: ny haizina dia toy ny hazavana ihany!
13 Ianao no nahary ny saina amam-panahiko sy namolavola ahy tao an-kibon-dreniko.
14 Midera Anao aho fa nataonao ho zava-mahatalanjona tokoa; zava-mahagaga ny asanao ary ekeko mihitsy izany.
15 Tsy misy takona taminao izany tenako, fony aho noforoninao tao amin'ny miafina ka notenominao tao an-kibon-dreniko.
16 Tsy mbola nisy endrika aho no efa hitanao; voasoratrao tao amin'ny bokinao avokoa ireo andro voatendrinao hiainako, talohan'ny tsy mbola nisiany akory.
17 Tsy haiko takarina velively ny hevitrao sady akory ity hamaroany, ry Andriamanitra o!
18 Raha hanisa aho, dia maro noho ny fasika ireny; raha hahisa aza, dia mbola tsy hahatakatra Anao.
19 Andriamanitra o, haringanao mihitsy anie ny olon-dratsy ary hohalavirinao ahy anie ny mpamono olona!
20 Miresaka Anao amim-pihatsarambelatsihy ireo fahavalonao sady mitonona Anao mba hoenti-mamitaka.
21 Ankahalaiko ny mpankahala Anao, TOMPO o; ary maharikoriko ahy ny mpanohitra Anao.
22 Halako dia halako tokoa ireo sady efa tonga fahavaloko.
23 Andriamanitra o, diniho aho ka fantaro ny foko; zahao toetra aho ka fantaro eritreritra.
24 Jereo raha miroso amin'ny lala-mampidi-doza aho, dia tariho hizotra amin'ny sori-dalanao hatrizay.
Toko faha-140 (139)
1 Tao amin'ny tahirin-kiran'ny filohan'antoko-mpihira. Salamo nataon'i Davida.2 TOMPO o, vonjeo ho afaka amin'ny olon-dratsy aho ary arovy tsy ho azon'ny olon-dozabe
3 izay misaina haratsiana ao am-pony ka manangana ady isan'andro vaky.
4 Toa mandrani-dela hanindrona tahaka ny bibilava ireo, toa poizi-menarana ny teny avoakan'ny vavany.
5 TOMPO o, ambeno tsy ho voatanan'ny olon-dratsy aho, arovy tsy ho azon'ny olon-dozabe izay nihevitra handronjina sy hamotraka ahy.