Salamo
Toko faha-132 (131)
18 Ny fahavalo ny hotafiko henatra, fa fehiloha manjelatra kosa no eo aminy."
Toko faha-133 (132)
1 Hira fiakarana. Nataon'i Davida. Endrey, tsara sady mahafinaritra tokoa izany firindran'ny mpiray tampo miara-monina!2 Toy ny ilo manitra mby an-dohan'olona nasaina ka mitsororoka hatreny amin'ny somotra. Toy ny somotr'i Aharona mpisorombe ka midina hatreny amin'ny vozon'akanjony.
3 Toy ny ando avy any amin'ny tendrombohitra Hermona ka mirotsaka eo amin'ny tendrombohitra Tsiona; satria eo Tsiona no fanomezan'ny TOMPO fitahiana, dia ny fiaina-maharitra mandrakizay.
Toko faha-134 (133)
1 Hira fiakarana. Izao ary, misaora ny TOMPO ianareo rehetra mpanompony izay mialina ato an-tranony.2 Manandrata tanana mitodika ny Toeramasina, ka misaora ny TOMPO ianareo.
3 Hitahy anareo hatreto Tsiona anie ny TOMPO, Mpanao ny lanitra sy ny tany!
Toko faha-135 (134)
1 Haleloia! Midera ny anaran'ny TOMPO ianareo. Midera Azy ianareo mpanompony2 izay mitoetra ao an- tranony, ao an-kianjan'ny tranon'Andriamanitsika.
3 Midera ny TOMPO ianareo fa tsara Izy; mankalaza ny anarany fa mamy izany,
4 satria i Jakoba nofidin'ny TOMPO ho Azy ary i Israely natokany ho fananany.
5 Eny, fantatro fa lehibe ny TOMPO; ary ekeko fa izany Tompontsika izany dia ambonin'ny andriamanitra rehetra.
6 Izay sitraky ny TOMPO, ataony avokoa na any an-danitra na ety an-tany, na any an-dranomasina sy any an-drano lalimbe.
7 Nampiakatra rahona avy any am-paran'ny tany Izy, ka nanao helatra narahin-dranon'orana ary namoaka ny rivotra avy tamin'ny fitahirizany azy.
8 Namely ny lahimatoan'ny Ejiptianina Izy, hatramin'ny olombelona ka hatramin'ny biby.
9 Famantarana sy zava-mahagaga no nalefany teo anivonao, ry Ejipta, mba hanafaizana ny Farao sy ireo tandapany rehetra.
10 Namely hafa firenena maro Izy sy nahafaty mpanjaka mahery,
11 dia i Sihona mpanjakan'ny Amorita sy i Hoga mpanjakan'i Basana , ary namely ny fanjakana rehetra izay manerana an'i Kanahana.
12 Ny tanin'ireny nomeny ho lova, ho lovan'ilay Israely vahoakany.
13 TOMPO o, maharitra mandrakizay ny lazanao; amin'ny taona rehetra ny fahatsiarovana Anao,
14 satria omenao rariny ny vahoakanao ary iantranao indray ny mpanomponao.
15 Ny sampin'ny hafa firenena dia volafotsy amam-bolamena; zavatra notefen'olombelona ireny.
16 Manam-bava fa tsy miteny; mana-maso fa tsy mahita;
17 manan-tsofina fa tsy mandre; tsy misy fofonaina akory ao am-bavany.
18 Ho tahaka azy anie izay nanao azy sy izay rehetra mitoky aminy !
19 Ry fokon'i Israely o, misaora ny TOMPO; ry taranak'i Aharona o, misaora ny TOMPO;
20 ry tariky ny levita o, misaora ny TOMPO; ry mpanaja ny TOMPO o, misaora ny TOMPO.
21 Hisaorana avy ao Tsiona anie ny TOMPO, Izay monina ao Jerosalema! Haleloia!
Toko faha-136 (135)
1 Midera ny TOMPO ianareo fa tsara Izy; -eny, maharitra mandrakizay ny fitiavany !2 midera an'ilay Andriamanitry ny andriamanitra; -eny, maharitra mandrakizay ny fitiavany!
3 midera an'ilay TOMPOn'ny tompo; -eny, maharitra mandrakizay ny fitiavany!
4 Izy no hany mpanao zava-mahagaga lehibe-eny, maharitra mandrakizay ny fitiavany!
5 sy nanao ny habakabaka tamim-pahendrena -eny, maharitra mandrakizay ny fitiavany!
6 ary namelatra ny tany teo ambonin'ny rano ; -eny, maharitra mandrakizay ny fitiavany!
7 Izy no nanao ireo fanazavana lehibe, -eny, maharitra mandrakizay ny fitiavany!
8 dia ny masoandro ho mpanapaka ny andro-eny, maharitra mandrakizay ny fitiavany!
9 ary ny volana aman-kintana ho mpanapaka ny alina ; -eny, maharitra mandrakizay ny fitiavany!
10 Izy no namely ny lahimatoan'ny Ejiptianina -eny, maharitra mandrakizay ny fitiavany!
11 sy namoaka ny Israelita hiala tao Ejipta -eny, maharitra mandrakizay ny fitiavany!
12 tamin'ny fiarovana mahery sy fahefana lehibe; -eny, maharitra mandrakizay ny fitiavany!
13 Izy no nampisaraka ny Ranomasin'ny Volotara -eny, maharitra mandrakizay ny fitiavany!
14 ka nampandalo ny Israelita teo anivony, -eny, maharitra mandrakizay ny fitiavany!
15 fananipy ny Farao sy ny tafiny tao ; -eny, maharitra mandrakizay ny fitiavany!
16 Izy no nampizotra ny vahoaka ny tany an-taniefitra-eny, maharitra mandrakizay ny fitiavany!
17 sy namely mpanjaka lehibe-eny, maharitra mandrakizay ny fitiavany!
18 ary nahafaty mpanjaka mahery, -eny, maharitra mandrakizay ny fitiavany!
19 dia i Sihona mpanjakan'ny Amorita , -eny, maharitra mandrakizay ny fitiavany!
20 sy i Hoga mpanjakan'i Basana , -eny, maharitra mandrakizay ny fitiavany!
21 ka nanome ny tanin'ireny ho lova, -eny, maharitra mandrakizay ny fitiavany!
22 ho lovan'ny vahoaka Israely mpanompony; -eny, maharitra mandrakizay ny fitiavany!