Salamo

Toko faha-126 (125)

4 Avereno ho firenena matanjaka izahay, TOMPO o, toy ny anondrahan'ny ranotrambo an'i Negeba.

5 Izay mamafy amin-dranomaso no hijinja amim-pihobiana.

6 Eny tokoa, mandroso no tomany mivesatra ny voa hafafy; fa nony miverina, feno fihobiana mivesatra ny amboaram-bokatra.

Toko faha-127 (126)

1 Hira fiakarana. Natao ho an'i Salomona. Raha tsy ny TOMPO no manorina ny trano, dia miasa foana ny mpanorina azy. Raha tsy ny TOMPO no miambina ny tanana, dia mitily foana ny mpiambina.

2 Sasa-poana ianareo mifoha maraina sy miari-tory, misahirana tokoa ny amin'izay hohanina. Izany kosa dia omen'ny TOMPO an'ireo olon-tiany mbola matory.

3 Indro fanomezan'ny TOMPO ireo zanaka maro; valisoa tokoa ny zaza nateraka.

4 Toy ny zana-tsipika an-tanan'ny mpiady ireo zanaky ny fahatanorana.

5 Sambatra ny lehilahy mahafeno tranon-jana-tsipika amin'ireo! Fa tsy ho menatra izy, rehefa hifamaly amim-pahavalo eo am-bavahadin-tanana.

Toko faha-128 (127)

1 Hira fiakarana. Sambatra izay rehetra manaja ny TOMPO sy manaraka ny sori-dalana nataony.

2 Ny vokatry ny asanao tokoa no hivelomanao ka sambatra sy ambinina ianao!

3 Ny vadinao eo an-tranonao dia toy ny voaloboka mahavokatra; ny zanakao manodidina ny latabatrao dia toy ny solofon'oliva.

4 Eny, toy izany no itahiana ny lehilahy manaja ny TOMPO!

5 Hitahy anao avy ao Tsiona anie ny TOMPO, ka amin'ny andro rehetra iainanao no hahitanao ny hasambaran'i Jerosalema

6 sy hahitanao ny zafikelinao! Ny fiadanana anie ho an'i Israely!

Toko faha-129 (128)

1 Hira fiakarana. Mafy izay nampahoriana ahy hatry ny fony kely izay! -Aoka ny vahoaka Israely hilaza hoe:

2 "Mafy izay nampahoriana ahy hatry ny fony kely izay! Kanefa tsy naharesy ahy ny olon-dratsy.

3 Nanoritana vava asa lava ny lamosiko, toy ny ataon'ny mpiasa tany eo amin'ny sahany.

4 Mandala ny rariny kosa ny TOMPO, ka namaha ny fatorana nataon'ireo tamiko."

5 Aoka ho menatra sy hihemotra izay rehetra mankahala an'i Tsiona!

6 Aoka izy ho toy ny ahitra an-tampontrano: tsy mbola ongotana, dia efa maina;

7 tsy mahafeno tanana, raha jinjana; tsy ahazoana amboara, raha angonina;

8 ka tsy mampiteny ny mpandalo hoe: " Notahin'ny TOMPO Andriamanitrareo e! " Amin'ny anaran'ny TOMPO no irarianay fitahiana ho anareo!

Toko faha-130 (129)

1 Hira fiakarana. Anaty hantsam-pahoriana aho no miantso Anao, ry TOMPO.

2 Mba henoy, TOMPO o, izany feoko! Ho tandrin'ny sofinao anie ny feoko mitaraina!

3 Raha mitsikilo heloka Ianao, ry TOMPO, iza moa no hahatanty, Tompo o?

4 Kanefa ao aminao ny famelana mba hanajan'ny olona Anao.

5 Koa manantena mafy ny TOMPO aho sady matoky ny teniny.

6 Miandry ny TOMPO aho, manoatra ny mpiambina miandry ny maraina. Eny, manoatra ny mpiambina miandry ny maraina,

7 no aoka hitokian'ny vahoaka Israely ny TOMPO, satria ny fitiavana no ao amin'ny TOMPO ary koa ny fanavotana tsy hita lany!

8 Eny, Izy no hanavotra ny vahoaka Israely ho afaka amin'ny fahotana rehetra.

Toko faha-131 (130)

1 Hira fiakarana. Nataon'i Davida. TOMPO o, tsy mirehareha ny foko, tsy miandranandrana ny masoko! Tsy mikendry zava-baventy aho na zavatra ambony tsy sahaza ahy.

2 Afa-po sy milamina aho toy ny zaza voky am-pofoan-dreniny; eny, toy izany zaza voky izany no fahatonian'ny foko ato amiko.

3 Aoka ny vahoaka Israely hatoky ny TOMPO manomboka izao ka ho mandrakizay!

Toko faha-132 (131)

1 Hira fiakarana. TOMPO o, ny zavatra rehetra niaretan'i Davida dia mba tsarovy hanasoavanao azy.

2 Tsarovy fa taminao, TOMPO o, no nanaovany fianianana; taminao, ry ilay Maherin'i Jakoba, no nanaovany voady hoe:

3 "Tsy hiditra ny tranolay fonenako aho na hiakatra ny farafara fandriako,

4 tsy hamela ny masoko hatory aho na ny hodi-masoko ho rendremana,

5 mandra-pahitako toerana ho an'ny TOMPO, dia fonenana ho an'ilay Maherin'i Jakoba."

6 Indro henonay hoe any Efrata ny Vatamasina ; ary hitanay tao amin'ny sahan'i Jahara.

7 "Koa ndeha isika ho any amin'ny fonenan'ny Tompo sy hiankohoka eo anoloan'ny fitoeran-tongony !

8 Avia, TOMPO o, ho amin'ny toeram-pitsaharanao, dia Ianao sy ilay Vatamasina maneho ny herinao.

9 Aoka ny mpisorona hitafy fahamarinana, ny mpivavaka aminao hihoby an-kafaliana!

10 Noho ny amin'i Davida mpanomponao, dia aza lavina ity mpanjaka voahosotrao."

11 Ny TOMPO efa nanao fianianana tamin'i Davida ka tsy hivadika amin'ny marina voalazany hoe: "Iray amin'ireo zanakalahinao no hataoko mpanjaka handimby anao amin'ny sezafiandriananao.

12 Raha ny zanakao mitandrina ny fanekem-pihavanako mbamin'ny fepetra izay hampitaiko aminy, dia zanany lahy hatrany hatrany koa no hipetraka eo amin'ny sezafiandriananao."

13 Ny TOMPO efa nifidy an'i Tsiona, izay tiany hatao fonenana.

14 "Inty, hoy Izy, no toeram-pitsaharako hatrany. Eto no honenako, satria eto no tiako!

15 Hotahiko tokoa i Tsiona, homeko ny sakafo hivelomany; hataoko voky hanina ireo mahantra ao aminy.

16 Ny mpisorony ho tafiko famonjena, ny mpivavaka hanao hobin-kafaliana.

17 Ao no hataoko mpanjaka mahery ny solofo iray avy amin'i Davida; ary ho toy ny fanilo maharitra izany mpanjaka voahosotro izany.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.9201