Salamo

Toko faha-119 (118)

171 Hidera Anao anie ny molotro, satria nampianarinao ahy ny lalananao!

172 Hanambara ny hafatrao anie ny lelako, satria rariny avokoa ny didinao!

173 Ny fiarovanao anie hanampy ahy, satria ny fepetranao no nofidiko!

174 Mahaliana ahy, TOMPO o, ny famonjenao; ary ny lalananao no firavoako.

175 Veloma anie ny aiko hiderako Anao; ary hanampy ahy anie ny fitsipikao!

176 Ondry nania izaho mpanomponao ka tadiavo; fa ny didinao tsy mba hadinoiko.

Toko faha-120 (119)

1 Hira fiakarana. Fony aho tao an-katerena, dia nantsoiko ny TOMPO ka namaly.

2 TOMPO o, mba afaho re aho amin'ny mpilaza lainga sy fitaka!

3 Inona sy inona moa, ry mpilaza fitaka, no sazy hampiharin'Andriamanitra aminareo ?

4 Ireo zana-tsipika maranitra fitondra miady, sady voarehitra tamin'ny vainafon'anjavidy!

5 Dirandoza aho fa vahinin'olon-dia, niantrano tany amin'ny baribarianina!

6 Ela loatra no niarahako niaina tamin'olona tsy tia fiadanana.

7 Vao itenenako fiadanana izy, dia mila ady amiko foana.

Toko faha-121 (120)

1 Hira fiakarana. Manopy maso any amin'ireo tendrombohitra aho. Avy aiza moa ny famonjena ahy?

2 -Ny famonjena ahy dia avy amin'ny TOMPO, Mpanao ny lanitra sy ny tany!

3 -Tsy havelany ho solafaka anie ny tongotrao; tsy ho rendremana anie ny mpiambina anao!

4 -Tsia, tsy rendremana na matory ny mpiambina an'i Israely.

5 Ny TOMPO no mpiambina anao amin'ny alina; ny TOMPO eo anilanao no fialofanao;

6 ka tsy hamely anao ny masoandro, raha antoandro; tsy hamely anao ny volana, raha alina.

7 Ny TOMPO hiambina anao amin'ny ratsy rehetra; eny, hiambina ny ainao Izy,

8 hiambina anao mandroso sy miverina manomboka izao ka ho mandrakizay!

Toko faha-122 (121)

1 Hira fiakarana. Nataon'i Davida. Faly aho raha nilazan'ireo namako hoe: "Andeha isika ho any an-tranon'ny TOMPO!"

2 He ny tongotray efa mijadona eto am-bavahadinao, ry Jerosalema.

3 Ianao, ry Jerosalema, dia voaorina ho tanana miray sady mirindra.

4 Ao ireo fokon'i Israely, dia ireo fokon'ny TOMPO, no miakatra hidera ny TOMPO : fepetra ho an'i Israely izany.

5 Ao no ijoroan'ny seza fiandrianam-pitsarana, dia ny seza fiandrianan'ny taranak'i Davida.

6 Mangataha fiadanana ho an'i Jerosalema: "Fanambinana anie ho an'ireo mpitia anao!

7 Fiadanana anie ho ao amin'ireo mandanao! Fanambinana anie ho ao amin'ireo lapanao!

8 Noho ireo mpiray firenena amiko sy ireo sakaizako, aoka aho hiteny hoe: Fiadanana anie ho ao aminao;

9 noho ny tranon'ny TOMPO Andriamanitray, avelao aho hirary soa ho anao!"

Toko faha-123 (122)

1 Hira fiakarana. Aminao no anandratako ny masoko, ry Ilay mitoetra any an-danitra.

2 Indro toy ny fijerin'ny ankizilahy ny tanan'ny tompolahiny, ary toy ny fijerin'ny ankizivavy ny tanan'ny tompovaviny, no fijerinay ny TOMPO Andriamanitray mandra-piantrany anay!

3 Iantrao izahay, TOMPO o, iantrao fa tototry ny eso ela loatra;

4 Ela loatra no tototry ny tebak'ireo tretrika izahay, sy tototry ny eson'ireo mpiavonavona!

Toko faha-124 (123)

1 Hira fiakarana. Nataon'i Davida. Raha tsy ny TOMPO no nomba antsika... -Aoka ny vahoaka Israely hilaza hoe:

2 "Raha tsy ny TOMPO no momba antsika tamin'ny namelezan'ny olona antsika,

3 dia ho nateliny velona tokoa isika satria nirehitra loatra ny havinirany;

4 eny, ho toy ny rano nandifotra antsika ireo, ho toy ny riaka nanafotra antsika,

5 ho toy ny rano misamboaravoara nanafotra antsika."

6 Hisaorana anie ny TOMPO tsy nahafoy antsika ho rotidrotehin'ny vangin'ireo!

7 Toy ny fody afa-pandrika harato isika: rovitra ny harato, ka afaka isika!

8 Ny famonjena antsika dia ny anaran'ny TOMPO, Mpanao ny lanitra sy ny tany.

Toko faha-125 (124)

1 Hira fiakarana. Izay matoky ny TOMPO: toy ny tendrombohitra Tsiona, tsy mihontsona fa mitombina mandrakizay.

2 Tendrombohitra no manodidina an'i Jerosalema; ny Tompokoa manodidina ny vahoakany, hatrizao ka ho mandrakizay

3 Tsia, tsy haharitra amin'ny anjaran'olo-marina ny tehim-panjakan'olon-dratsy, sao dia ny olo-marina indray no hiroso hanao ny tsy rariny.

4 Hasoavy, TOMPO o, ny tsara fanahy mbamin'ireo olona mahitsy fo.

5 Fa izay mivaona any amin'ny lala-miolikolika kosa dia aoka horoahin'ny TOMPO miaraka amin'ny mpanao ratsy! Ny fiadanana anie ho amin'i Israely!

Toko faha-126 (125)

1 Hira fiakarana. Fony nampody ny babo tamin'i Tsiona ny TOMPO , dia ohatra ny nanonofinofy isika.

2 Tonga feno hehy isika sady feno fihobiana. Tamin'izany ireo hafa firenena dia loa-bolana hoe: "Zava-dehibe no nataon'ny TOMPO taminy!"

3 Eny, zava-dehibe no nataon'ny TOMPO tamintsikaka faly tokoa isika!

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.9172