Salamo
Toko faha-119 (118)
121 Ny rariny sy hitsiny no ataoko; aza atolotra ny mpampahory aho.122 Porofoy fa mahasoa ahy mpanomponao izany; aoka aho tsy hampahorin'ny mpirehareha!
123 Ny masoko valalanina miandry ny famonjenao sy ny fanafahana izay nampanantenainao.
124 Ny fitiavanao itondrana ahy mpanomponao: koa ampianaro ny lalananao aho.
125 Mpanomponao aho ka mba ataovy mahira-tsaina hahafantarako ny baikonao.
126 Izao no fotoana mety hihetsehanao, TOMPO o, fa dikain'ny olona ny lalananao.
127 Izany no itiavako ny didinao manoatra ny volamena madio indrindra.
128 Izany no ifidianako ny fepetranao sy ankahalako izay mety ho soritra mamitaka.
129 Mahagaga ny baikonao, ka izany no anarahako azy.
130 Manazava tokoa ny fahitana ny teninao ary mampahira-tsaina ny olon-tsotra.
131 Mitanatana vava, mihanahana aho: ny didinao no mahaliana ahy.
132 Mba todiho aho ka iantrao, araka ny tinapakao ho an'ireo mpitia Anao.
133 Hamafiso ho amin'ny hafatrao ny diako; aoka aho tsy hanjakam-paharatsiana!
134 Afaho amin'ny mpampahory aho mba hitandremako ny fepetranao.
135 Jereo amin-kamorampo izaho mpanomponao: ampianaro ahy ny lalananao.
136 Izaho dia mamarin-dranomaso, satria tsy voatandrina ny lalananao.
137 Mandala ny rariny Ianao, TOMPO o, ary mahitsy ny fitsipikao.
138 Ny baikonao dia ara-drariny sy azo antoka tokoa.
139 Mandoro ahy toy ny afo ny zotompoko, fa hadinon'ny mpandrafy ahy ny teninao.
140 Voasedra tanaty memy tokoa ny hafatrao, ka dia tia azy ireny izaho mpanomponao.
141 Kely sady mavomavo aho, nefa tsy hadinoko ny fepetranao.
142 Mahitsy mandrakizay ny fahitsianao ary mahatoky ny lalananao.
143 Azon'ny fahoriana sy ny fahaterena aho, nefa mbola miravo amin'ny didinao.
144 Mahitsy mandrakizay ny baikonao; ataovy mahira-tsaina aho mba ho velona.
145 Miantso amin'ny foko manontolo aho ka valio mba hanarahako ny lalananao, TOMPO o.
146 Miantso Anao aho ka vonjeo hitandremako ny baikonao.
147 Mialoha ny mazava tsinanana aho mitalaho ary dia miandry ny teninao.
148 Mialoha ny besinimaro aho no nifoha mba hisaintsaina ny hafatrao.
149 Henoy ny feoko araka ny fitiavanao; TOMPO o, velomy araka ny fitsipikao aho.
150 Ireo mpanenjika ahy manatona heloka; ny lalananao kosa halaviriny.
151 Akaiky ahy Ianao, TOMPO o, ary mahatoky avokoa ny didinao.
152 Ny baikonao dia fantatro hatry ny ela fa naorinao ho mandrakizay.
153 Jereo ny fahoriako, ka afaho aho, fa ny lalananao tsy hadinoiko.
154 Iandraiketo ny adiko ka avoty aho ary velomy araka ny fampanantenanao.
155 Lavitra ny olon-dratsy ny famonjena, satria tsy ny lalananao no katsahiny.
156 Lehibe ny indrafonao, TOMPO o; velomy aho araka ny fitsipikao.
157 Maro ny mpanenjika sy mpandrafy ahy; ny baikonao tsy mba ialako.
158 Nahita mpivadika aho, ka narikoriko; ny hafatrao tsy mba tandremany.
159 Jereo fa mankamamy ny fepetranao aho, ka velomy araka ny fitiavanao, TOMPO o.
160 Ny toetra mahatoky no mivohitra amin'ny teninao; ny fitsipikao dia ara-drariny avokoa sy mandrakizay.
161 Enjehin'andriana tsy amin'antony aho; ny teninao ihany no atahoran'ny foko.
162 Ny hafatrao no mahafaly ahy tahaka ny mahazo remby sesehena.
163 Halako ary maharikoriko ahy ny fitaka, fa ny lalananao no ankamamiko.
164 Impito isan'andro no iderako Anao noho ny fitsipikao ara-drariny.
165 Fiadanam-be ny an'izay mankamamy ny lalananao, ary tsy misy zavatra mahasolafaka azy.
166 Ny famonjenao, TOMPO o, no antenaiko ka ny didinao no tanterahiko.
167 Ny baikonao dia tandremako, satria ankamamiko aoka izany.
168 Eny, voatandriko ny fepetra amam-baikonao; eo anoloanao ny lalan-kalehako rehetra.
169 Aoka ho tonga eo anoloanao ny tarainako, TOMPO o! Ataovy mahira-tsaina aho araka ny fampanantenanao.
170 Ny fihantako anie ho tody eo anatrehanao; mba afaho aho araka ny toky nomenao.