Genesỳ

Toko faha-46

19 Ary ny zanakalahin'i Rahely vadin'i Jakoba kosa dia i Josefa sy i Benjamina.

20 Tany Ejipta i Josefa dia niteraka zanaka roa lahy, i Manase sy i Efraima, tamin'i Asenata vadiny, izay zanakavavin'i Potifera mpisorona tao Ona. 21 Folo no zanakalahin'i Benjamina: i Bela sy i Bekera, i Asbela sy i Gera, i Nahamana sy i Ehy, i Rosy sy i Hopima ary i Mopima sy i Arda.

22 Ireo izy efatra ambin'ny folo lahy taranak'i Rahely sy i Jakoba.

23 Dia ao koa i Dana sy i Hosima zanany lahy.

24 I Naftaly sy ireo zanany lahy, dia i Jahatsiela sy i Gony ary i Jetsera sy i Silema.

25 Ireo fito lahy ireo no taranak'i Jakoba tamin'i Bileha izay nomen'i Labana ho mpanompovavin'i Rahely.

26 Ny isan'ny ankohonan'i Jakoba rehetra, izany hoe ireo taranany mivantana izay tonga tany Ejipta, dia 66 ankoatra ireo vinantovaviny.

27 Ampian'ireo zanakalahin'i Josefa anankiroa teraka tany Ejipta izany, dia fitopolo no isan'ny ankohonan'i Jakoba rehetra tonga tany Ejipta.

28 Nirahin'i Jakoba hialoha azy any amin'i Josefa i Joda mba hiangavy azy hankany Gosena. Rehefa tonga tany Gosena i Jakoba sy ny ankohonany,

29 dia nanomana ny kalesiny i Josefa ka nandeha hihaona amin'ny rainy tany Gosena. Raha vao nahita an'i Jakoba izy, dia niantoraka teny am-bozony ary nitomany ela teo sady namihina azy.

30 Dia hoy i Jakoba taminy: -Mahazo modimandry amin'izay aho, satria mbola velona ihany ianao sady nifanatri-tava tamiko.

31 Dia hoy i Josefa tamin'ny rahalahiny sy ny olon-kafa ankohonan-drainy: -Handeha hampandre ny Farao aho ka hilaza aminy fa ireo rahalahiko sy ny olon-kafa ankohonan-draiko izay tany amin'ny tany Kanahana dia efa tonga eto amiko.

32 Holazaiko aminy fa lehilahy mpiandry ondry sy mpiompy ianareo, ka nentinareo koa ny omby sy ny ondry aman'osinareo ary izay rehetra anananareo.

33 Koa rehefa mampiantso anareo ny Farao ka manontany hoe: Inona no raharahanareo?,

34 dia hovalianareo hoe: Olona mpiompy toy ireo razanay izahay mpanomponao, nanomboka hatramin'ny fahazazanay ka mandraka izao. Amin'izay dia hahazo mipetraka ao amin'ny faritr'i Gosena ianareo, satria maharikoriko ny Ejiptianina ny mpiandry ondry rehetra.

Toko faha-47

1 Dia lasa i Josefa nampandre ny Farao hoe: -Ny raiko sy ny rahalahiko ary ireo ondry aman'osiny sy ny ombiny mbamin'izay rehetra ananany dia tonga avy any amin'ny tany Kanahana, ka indreo ao amin'ny faritr'i Gosena izy.

2 Nalain'i Josefa ny rahalahiny dimy, ka nasehony teo anatrehan'ny Farao.

3 Nanontany azy dimy lahy ny Farao hoe: -Inona moa no raharaha fanaonareo? Ka hoy ny navaliny azy: -Mpiandry ondry tahaka ny razanay ihany izahay mpanomponao.

4 Namely mafy ny mosary tao amin'ny tany Kanahana, ka tsy misy intsony ny ahitra ho an'ny ondry aman'osinay; koa tonga mba hivahiny eto amin'ity tany ity izahay mpanomponao ankehitriny, ary miangavy mba hipetraka ao amin'ny faritr'i Gosena.

5 Dia hoy ny Farao tamin'i Josefa: -Tonga aty aminao ny rainao sy ny rahalahinao,

6 ary ny tany Ejipta manontolo dia eo anatrehanao; koa izay faritra tsara indrindra no amponeno azy. Mahazo mipetraka ao amin'ny faritr'i Gosena izy; ary raha fantatrao fa misy olo-mahay amin'izy ireo, dia tendreo ho lehiben'ny fiandrasana ny andiam-biby fiompiko.

7 Nentin'i Josefa teo anatrehan'ny Farao koa i Jakoba rainy. Dia niarahaba sady nirary soa ny Farao i Jakoba,

8 ka nanontaniany hoe: -Firy taona moa ianao izao?

9 Ka hoy i Jakoba hoe: -Efa telopolo amby zato taona izao no nivezivezeko toy ny mpivahiny. Fohy sady sarotra ny androm-piainako ka tsy nahatratra akory ny andron'ireo razako tamin'ny fotoana nivahiniany.

10 Dia nisaotra sy nanao veloma ny Farao i Jakoba ary niala teo anatrehany.

11 Tao amin'ny faritra tsara indrindra tany Ejipta, tao amin'ny faritra manodidina an'i Ramsesa, no napetrak'i Josefa ny rainy sy ireo rahalahiny, araka ny baikon'ny Farao, ary nomeny zaratany.

12 Novatsin'i Josefa hanina ny rainy sy ny rahalahiny ary ny ankohonan-drainy rehetra, araka ny isan'ny vava mihinana.

13 Ary mafy tokoa ny mosary ka tsy nisy hanina intsony teo amin'ny faritany manontolo. Na tany Ejipta na tany Kanahana dia efa very hevitra ny olona niatrika ny mosary.

14 Nangonin'i Josefa ny vola rehetra tany Ejipta sy tany Kanahana, dia ny vola izay nividianan'ny olona vary, ka nasainy nentina tao an-dapan'ny Farao.

15 Ary rehefa tsy nisy vola intsony na tany Ejipta na tany Kanahana, dia tonga tany amin'i Josefa ny Ejiptianina rehetra ka nanao hoe: -Omeo hanina izahay. Satria tsy manam-bola ve izahay, dia ho faty eto anatrehanao?

16 Hoy kosa i Josefa hoe: -Raha tsy manam-bola ianareo, dia omeo ahy ny andiam-biby fiompinareo, fa hatakaloko sakafo ho anareo.

17 Dia nentin'ny olona tany amin'i Josefa ny andiam-biby fiompiny; ka notakalozan'i Josefa hanina ny soavaliny sy ny ondry aman'osiny ary ny ombiny sy ny borikiny. Koa tamin'iny taona iny dia nanome sakafo azy i Josefa ho takalon'ny biby fiompy rehetra.

18 Nony afaka herintaona dia niverina tany amin'i Josefa indray ny olona ka niteny taminy hoe: -Tsy afeninay aminao, tompoko, fa tsy manam-bola intsony izahay, ary ireo biby fiompinay dia efa lasanao. Koa tsy misy afa-tsy ny tenanay sy ny taninay no sisa eto anatrehanao. 19 Nahoana no avela ho faty eto anatrehanao izahay ka hipetra-potsiny eo ny taninay? Vidio ny tenanay sy ny taninay, ka omeo hanina izahay; dia hanompo ny Farao ny tenanay sy ny taninay. Omeo masom-boly izahay mba hahazoanay mivelona ka ny tenanay tsy ho faty ary ny taninay tsy ho lao.

20 Dia novidin'i Josefa ho an'ny Farao ny tany rehetra tao Ejipta, satria nihamafy ny mosary ka samy nivarotra ny sahany avy ny Ejiptianina. Noho izany dia lasa fananan'ny Farao avokoa ny tany manontolo;

21 ary ny vahoaka kosa noteren'i Josefa hanao fanompoana nanomboka amin'ny sisin-tany an-kilany ka hatrany amin'ny sisin-tany an-daniny.

22 Ny tany tsy mba novidin'i Josefa dia ny tanin'ireo mpisorona, satria nisy didy navoakan'ny Farao hitsimbinana azy. Anjara sakafo nomen'ny Farao azy no fihinany; izany no tsy nivarotan'ireo mpisorona ny taniny.

23 Dia hoy i Josefa tamin'ny vahoaka: -Ankehitriny efa voavidiko ho an'ny Farao ny tenanareo sy ny taninareo, koa homeko masom-boly ianareo hafafinareo any amin'ny taninareo.

24 Fa rehefa miakatra ny vokatra, dia haterinareo ho an'ny Farao ny ampahadiminy; ny efatra ampahadiminy kosa dia hotazoninareo mba ho masom-boly ary koa ho sakafonareo sy ny zanakareo mbamin'izay rehetra mipetraka ao an-tranonareo.

25 Ka hoy ny navalin'ireo hoe: -Namonjy ny ainay ianao, tompokolahy. Nahita sitraka teo imasonao izahay, koa ekenay ny ho mpanompon'ny Farao.

26 Toy izany no namoahan'i Josefa lalana tany Ejipta, lalana mbola manan-kery mandraka androany, fa ny ampahadimin'ny vokatra dia aterina ho an'ny Farao. Ny tanin'ny mpisorona irery ihany no tsy mba lasa fananan'ny Farao.

27 Nipetraka tany Ejipta, tao amin'ny faritr'i Gosena, ny Israelita. Nahazo zaratany tao izy, dia niteraka, ka nihamaro fatratra.

28 Niaina fito ambin'ny folo taona tany Ejipta i Jakoba, ka ny androm-piainany dia nahatratra fito amby efapolo amby zato taona.

29 Ary rehefa akaiky ny andro hahafatesan'i Jakoba, dia niantso an'i Josefa zanany izy ka nanao taminy hoe: -Raha tia ahy ianao, dia asehoy amiko ny fitiavanao sy ny toetranao mahafatra-po, aza alevina aty Ejipta aho. Mianiana amiko ianao, ka ataovy ato ambany feko ny tananao.

30 Rehefa maty aho, dia ento hiala aty Ejipta ka aleveno any am-pasan-drazako. Ka hoy i Josefa hoe: -Hotanterahiko araka ny teninao izany.

31 Ary hoy i Jakoba hoe: -Mianiana amiko mihitsy ary ianao. Dia nianiana taminy i Josefa. Ary teo an-doham-pandriany teo i Jakoba no niondrika mba ho fisaorana azy.

Toko faha-48

1 Taorian'izany zavatra izany, dia nisy nilaza tamin'i Josefa fa marary ny rainy. Dia nentin'i Josefa niaraka taminy ny zanany roa lahy, dia i Manase sy i Efraima.

2 Rehefa nampandrenesina i Jakoba fa tonga hamangy azy i Josefa zanany, dia niezaka hipetraka teo am-pandriana izy.

3 Ary hoy i Jakoba tamin'i Josefa: -Niseho tamiko tao Lozy tany amin'ny tany Kanahana ilay Andriamanitra Tsitoha ka nitsodrano ahy

4 sady niteny tamiko hoe: Indro Aho hahamaro anaka anao sady hampitombo anao, hahatonga anao ho vondrom-pirenena; ka homeko ny taranakao mandimby anao ho lova raikitra ity tany ity.

5 Hoy izy nanampy izany: -Koa ankehitriny, ireo zanakao roa lahy, teraka teto Ejipta talohan'ny nahatongavako taty aminao, dia raisiko ho zanako. Eny, ho zanako mitovy amin'i Reobena sy i Simehona mihitsy i Manase sy i Efraima.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 1.1949