Salamo

Toko faha-89 (88)

47 TOMPO o, mbola ho ela ve no hiafenanao? Mandra-pahoviana ny fahatezeranao no mbola hirehitra tahaka ny afo?

48 Tsarovy fa fohy loatra ny fiainako! Toa zava-poana dia zava-poana no naharianao anay olombelona.

49 Olona iza no velona ka tsy hiharam-pahafatesana, na hahavotra aina tsy voatanan'ny toeran'ny maty?

50 TOMPO o, nankaiza irony mari-pitiavanao fahiny izay nianiananao marimarina tamin'i Davida?

51 TOMPO o, diniho ny latsa manjo ahy mpanomponao izay itambesaran'ny fanalam-barakan'ireo vahoaka,

52 satria latsain'ny fahavalonao, TOMPO o, ilay mpanjaka voahosotrao; eny, latsain'ny fahavalonao izy na aiza na aiza andehanany.

53 Hisaorana mandrakizay anie ny TOMPO! Amen! Amen!

Toko faha-90 (89)

1 Vavak'i Mosesy, olon'Andriamanitra. Tompo o, fialofanay hatrany hatrany Ianao.

2 Fony tsy mbola ary akory ny tendrombohitra, tsy mbola voaforonao ny tany sy izao tontolo izao, dia efa Andriamanitra Ianao hatrizay ka ho mandrakizay.

3 Averinao ho vovoka ny olona ka ilazanao hoe: "Miverena amin'izay niavianareo, rey olombelona."

4 Fa eo imasonao ny arivo taona dia toy ny andro omaly efa lasanana ora vitsivitsy amin'ny alina.

5 Farananao ny fiainan'ny olona ka mihelina toa torimaso maraina; tahaka ny ahitra maniry izy,

6 ka mamony sy mandrobona nony maraina, fa malazo sy maina nony hariva.

7 Lanin'ny fahatezeranao izahay ary tonafan'ny fahaviniranao.

8 Napetrakao eo anatrehanao ny helokay; na ny fahotanay miafina aza dia hitanao mazava.

9 Noho ny haviniranao dia lasanao ny androm-piainanay, ka indray misento monja dia nifarana ny taonanay.

10 Tsy maharitra afa-tsy fitopolo taona izany, na valopolo taona ho an'izay matanjaka; kanefa hasasarana sy zava-poana no vokany. Mandalo vetivety tokoa izany fiainana ary manidina ho any amin'ny varo-tsy mifody izahay.

11 Iza no mahalala ny herin'ny fahatezeranao ary hanaja Anao araka ny fahaviniranao?

12 Ampahafantaro anay fa voaisa ny andronay mba hahatonga anay hanana fisainana hendry.

13 TOMPO o, mandra-pahoviana no mbola hitezeranao anay? Mba itodiho izahay mpanomponao ka amindrao fo.

14 Fenoy ny fitiavanao izahay raha vao maraina, dia hihoby sy hifaly amin'ny andro sisa iainanay.

15 Aoka hampifalinao izahay araka ny andro nampahorinao anay sy araka ny taona nahitanay loza!

16 Ny ataonao aminay anie ho hitanay maso ary ny voninahitrao ho tsapan'ny taranakay!

17 Ry TOMPO Andriamanitray o, aoka ho aminay ny fahamoram-panahinao ka ampahombiazo ny asan'ny tananay; eny, ampahombiazo ny asan'ny tananay.

Toko faha-91 (90)

1 Izay mipetraka ao amin'ny fialofan'ilay Avo Indrindra dia mitoetra eo ambany fiarovan'Andriamanitra Tsitoha,

2 ka tokony hiteny amin'ny TOMPO izy hoe: "Ianao no manda fiarovana ho ahy; Ianao no Andriamanitro ka itokiako."

3 -Ny TOMPO mihitsy no hanafaka anao amin'ny fandrika mivelatra sy areti-mandringana.

4 Harovany amin'ny elany ianao; eo ambany elany no hialofanao tahaka ny zanak'akoho eo ambany ela-dreniny. Ny fahamarinany no ampinga fiarovana,

5 ka tsy misy zavatra atahoranao akory: na ny loza mampihorohoro amin'ny alina, na ny zana-tsipika manidina amin'ny antoandro,

6 na ny areti-mandringana misoko amin'ny haizina, na ny voina mandripaka amin'ny mitataovovonana.

7 Eny, na misy olona arivo aza maty eo akaikinao ary na 10000 aza miampatra eo ankavananao, dia tsy hisy loza hihatra aminao akory.

8 Ahirato fotsiny ny masonao, dia ho hitanao ny famalian'Andriamanitra ny olon-dratsy.

9 Ny TOMPO mihitsy no fialofana ho anao sady ny Avo Indrindra no nataonao fonenana;

10 ka tsy hisy loza hianjady aminao na antambo hanakaiky ny tranonao.

11 Fa ny TOMPO handidy ny anjeliny hiahy anao mba hiaro anao na aiza na aiza alehanao;

12 ho entin'ireo eny an-tanany ianao mba tsy ho tafintohina amin'ny vato ny tongotrao.

13 Hodiavinao ny liona sy ny menarana ho hitsahinao ny tigra sy ny dragona.

14 Hoy ny TOMPO hoe: "Nifikitra tamiko izy, ka hovonjeko; harovako izy satria miaiky ahy ho Tompo.

15 Raha miantso vonjy amiko izy, dia ho valiako; raha azom-pahoriana izy, dia ho eo anilany Aho; hafahako izy sy homeko voninahitra.

16 Hataoko ela velona tokoa izy ary hanehoako ny famonjeko."

Toko faha-92 (91)

1 Salamo. Tononkira fanao amin'ny andro sabata.

2 Tsara ny midera Anao, TOMPO o, sy ny mankalaza Anao an-kira, ry ilay Andriamanitra Avo Indrindra,

3 ka manambara ny fitiavanao raha vao maraina ary ny fahamarinanao mandritra ny alina,

4 amin'ny valiha torifolosy amin'ny feon-dokanga.

5 Mahafaly ahy ny asanao, TOMPO o, ary manao horakora-pihobiana aho manoloana ireo zavatra vitanao.

6 Lehibe tokoa izay nataonao, TOMPO o, ary lalina aoka izany ny fisainanao!

7 Ny ketrina no tsy mahalala izany ary ny adala no tsy mahatsapa.

8 Na manorobona toy ny ahitra aza ny olon-dratsy ka mamony avokoa ny mpanao ny tsy rariny, dia ny mba haringana mandrakizay.

9 Ianao, TOMPO o, no ambony indrindra ka mitoetra ho mandrakizay!

10 Ireo fahavalonao kosa, TOMPO o, eny, ireo fahavalonao dia ho levona ireo mpanao tsy an-drariny hiparitaka avokoa.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.9518