Salamo
Toko faha-81 (80)
11 satria Izaho no TOMPO Andriamanitrareo Izay nampiakatra anareo hiala tany Ejipta ! Atanatanao ny vavanareo, dia hofenoiko."12 Kanjo ny vahoakako tsy nihaino Ahy, ny Israelita tsy nila Ahy,
13 koa navelako izy hizotra amin'ny ditran'ny fony sy hanaraka izay tiany hatao.
14 Raha mba nihaino Ahy ny vahoakako, raha mba nanaraka ny torolalako ny Israelita,
15 dia ho nampietreko faingana ireo fahavalony ary ho nofaiziko ireo mpampahory azy.
16 Izay mpankahala ny TOMPO ho nikoy tamiko; ny famaizany azy ho naharitra mandrakizay.
17 Ny Israelita kosa ho nofahanany vary tsara indrindra ary ho novokisany tantely avy amin'ny vatolampy.
Toko faha-82 (81)
1 Salamo nataon'i Asafa. Mijoro eo anivon'ny fivoriam-be Andriamanitra; eo afovoan'ireo andriamanitra Izy no mitsara ka miteny hoe:2 "Mandra-pahoviana no hanaovanareo fitsara-mitanila ka hanafahanareo foana ny olon-dratsy?
3 Omeo hitsiny ny mahantra sy ny kamboty, omeo rariny ny ory sy ny fadiranovana;
4 vonjeo ny mahantra sy ny malahelo, ka afaho tsy ho voatanan'ny olon-dratsy.
5 Tsy mahalala na mahazo an-tsaina velively ianareo; ao anatin'ny haizim-paharatsiana no iraparapanareo, ka voahozongozona avokoa ny fanorenan'ny tany.
6 Andriamanitra ianareo , hoy Aho fahiny; ankohonan'ilay Avo Indrindra ianareo rehetra.
7 Kanefa ho faty toy ny olombelona ihany ianareo, samy hiongana tahaka ireny manampahefana ireny."
8 Andriamanitra o, mijoroa hitsara ny tany fa Ianao no tompon'ny firenen-drehetra.
Toko faha-83 (82)
1 Tononkira. Salamo nataon'i Asafa.2 Andriamanitra o, aza mangina Ianao, aza mihenahena sy mijanom-potsiny.
3 Indreo misafoaka ny fahavalonao ary miandranandrana ny mpankahala Anao.
4 Mikotrika fiokoana hamelezana ny vahoakanao ireo ary mifandinika hanohitra ny olona arovanao.
5 Hoy ireo hoe: "Andeha holevonintsika tsy ho firenena izy; dia tsy hotsarovana intsony ny anarana hoe Israely."
6 Efa niray tetika tokoa ireo ka nifanaiky hanohitra Anao:
7 dia ny Edomita sy ny Jismahelita, mbamin'ny Moabita sy ny Hagirita,
8 ny Gebalita sy ny Hamonita sy ny Hamalekita, ary ny Filistinina miaraka amin'ny mponina any Tiro ;
9 nikambana taminy koa ny Asirianina mba hifarimbona amin'ny taranak'i Lota.
10 Andriamanitra o, ataovy tahaka an'i Sisera ireo, ataovy tahaka an'i Sisera sy i Jabina teo amin'ny renirano Kisona , na ataovy tahaka ny Midianita
11 izay naringana tao Haina-Haroda ka nanjary zeziky ny tanimboly;
12 ataovy tahaka an'i Horeba sy i Zeeba ny andriandahiny ary tahaka an'i Zeba sy i Tsalmona ny lehibeny rehetra ,
13 dia ireo olona nilaza hoe: "Andeha halaina ho antsika ilay fonenan'Andriamanitra."
14 Andriamanitro o, ataovy fanina izy tahaka ny vovoka atambolin'ny tadio na tahaka ny akofa paohin'ny rivotra.
15 Toy ny afo mandoro ala, toy ny lelafo mandrehitra tendrombohitra
16 no anenjeho azy amin'ny tafio-drivotrao sy ampitahory azy amin'ny rambon-danitrao.
17 Sarony henatra ny tavany mba hitadiavany Anao, TOMPO o.
18 Aoka ho menatra sy ho raiki-tahotra izy hatrany amin'ny mandrakizay ka hangaihay sy ho ringana!
19 Ary aoka ho fantany fa Ianao ihany no TOMPO, ilay Avo Indrindra, eto ambonin'ny tany tontolo!
Toko faha-84 (83)
1 Tao amin'ny tahirin-kiran'ny filohan'antoko-mpihira. Hampiarahina amin'ny jejilava. Salamo nataon'ny terak'i Kora.2 Ry TOMPOn'izao rehetra izao o, endrey ny fitiavako ny tranonao!
3 Efa tsindrian-daona sady manina aho te ho ao an-kianjan'ny tempolinao. Ny tenako iray manontolo no mihoby an'ilay Andriamanitra velona.
4 Na ny tsikirity aza, mahita fialofana, ny sidintsidina koa mahita akany mba hametrahany ny zanany, eo anilan'ny alitaranao, ry TOMPOn'izao rehetra izao o, Mpanjakako sady Andriamanitro.
5 Sambatra izay mitoetra ao an-tranonao ka afaka midera Anao hatrany!
6 Sambatra ny olona mahazo hery avy aminao ka manampo hanao fivahiniana any Tsiona;
7 Rehefa mandalo ny lohasahan'ny Balsama izy, dia hasian'Andriamanitra loharano izany; sady avy koa ny loha orana hameno kamory azy.
8 Mitombo hery hatrany izy arakaraka ny andro soa ny mba hiseho eo anatrehan'Andriamanitra ao Tsiona.
9 Ry TOMPO Andriamanitr'izao rehetra izao o, mba henoy ny vavaka ataoko; ry Andriamanitr'i Jakoba o, mandrenesa.
10 Andriamanitra o, mba jereo ny mpanjaka izay toy ny ampinga miaro anay; tsinjovy ilay olona voahosotrao.
11 Ny indray andro eo an-kianjan'ny tempolinao dia tsara kokoa noho ny arivo any an-toeran-kafa; koa eo am-baravaran'ny tranonao no aleoko ipetrahana, Andriamanitro o, toy izay hitoetra ao amin'ny fonenan'ny olon-dratsy.
12 Eny, ny TOMPO Andriamanitra no manda sy ampinga ho antsika. Fitiavana sy voninahitra no omen'ny TOMPO; tsy mba misy zava-tsoa laviny amin'izay madio fitondrantena.
13 Ry TOMPOn'izao rehetra izao o, sambatra ny olona mitoky aminao!
Toko faha-85 (84)
1 Tao amin'ny tahirin-kiran'ny filohan'antoko-mpihira. Salamo nataon'ny terak'i Kora.2 TOMPO o, nanehoanao fitia ilay taninao ka nampodinao ny babo tamin'ny terak'i Jakoba.
3 Nesorinao ny heloky ny vahoakanao ary navelanao avokoa ny fahotany.