Salamo
Toko faha-88 (87)
16 Hatramin'ny fahazazako dia nahantra saika maty aho ary very hevitra dia very hevitra itambesaran'ny fampihorohoroanao.17 Safotry ny fahatezeranao aho ary reraky fampitahoranao;
18 toy ny rano nandifotra ahy isan'andro ireny ka indray nanemitra ahy hatraiza hatraiza.
19 Nampanalavirinao ahy ireo sakaizako ka ny haizina sisa no hany namako.
Toko faha-89 (88)
1 Tononkalo fananarana nataon'i Etana zanakalahin'i Zera.2 Ireo mari-pitiavanao, TOMPO o, no ho hiraiko mandrakizay; ho an'ny taranaka rehetra ho avy no hampahafantarako ny toetranao mahatoky.
3 Hambarako fa miorina mandrakizay ny fitiavanao, mamahatra any an-danitra ny toetranao mahatoky.
4 Fa hoy Ianao hoe: "Nanaovako fanekem-pihavanana ilay voafidiko, dia i Davida mpanompoko izay nianianako hoe:
5 Hisy taranakao hajoroko ho mpanjaka hatrany hatrany; amin'ny taona rehetra ho avy no hanorenako ny fiandriananao."
6 TOMPO o, aoka hidera Anao ny anjely any an-danitra noho izany zava-mahagaga nataonao izany; aoka hidera Anao ireo amin'ny fivoriany, indrindra koa noho ny toetranao mahatoky!
7 TOMPO o, tsy misy tahaka Anao any an-danitra; ary tsy misy mitovy aminao ireo andriamanitra.
8 Fa Andriamanitra mampitolagaga Ianao eo amin'ny fivorian'ny anjely, ka lehibe sy hajaina kokoa noho ireo rehetra manodidina Anao.
9 Ry TOMPO Andriamanitr'izao rehetra izao o, iza moa no mahery toa Anao? Ny toetranao mahatoky no mipariaka manodidina Anao.
10 Ianao no mamolaka ny avonavon'ny ranomasina sy mampangina ny hatezeran'ny onjany.
11 Ianao no nahafaty sy nanorotoro an-dRahaba ; ary ny herinao mahefa no nentinao hampielezana ny fahavalonao.
12 Anao ny lanitra, Anao koa ny tany; Ianao no nanorina izao tontolo izao sy izay rehetra mameno azy.
13 Ianao no namorona ny avaratra sy ny atsimo; mihoby Anao ny tendrombohitra Tabora sy Hermona.
14 Anao ny hery tsy hay tohaina; azo antoka ny fifehezanao, tsy refesi-mandidy ny fahefanao.
15 Rariny sy hitsiny no fototry ny fanjakanao; fitiavana sy toetra mahatoky no mandeha eo alohanao.
16 Sambatra ny vahoaka mahay mankalaza Anao; TOMPO o, ao anatin'ny hazavanao no hiainany;
17 ny aminao no hifalifaliany isan'andro, ary ny fahamarinanao no hampitraka azy.
18 Ianao no hery lehibe ho anay ary ny fitiavanao no hireharehanay,
19 satria miankina aminao TOMPO ilay mpanjaka ampinganay, miankina aminao izy, ry ilay Masin'i Israely.
20 Indray andro dia niteny tamin-tsindrimandry Ianao ka nilaza tamin'ireo mpivavaka aminao hoe: "Nanaiky hanampy sy hanandratra olo-mahery fo iray aho, dia tovolahy anankiray avy tao amin'ny vahoakako.
21 I Davida mpanompoko no efa hitako ka nohosorako ilo masina ho mpanjaka.
22 Ny fiarovako no homba azy ary ny heriko no hampahatanjaka azy.
23 Tsy hahatratra azy ny fahavalo ary tsy hampahory azy ny mpikomy.
24 Eo imasony no hanapotehako ny mpanohitra azy ary hamelezako izay mankahala azy.
25 Ny toetrako mahatoky sy ny fitiavako no hiaraka aminy ary Izaho no hampitombo ny fahefany.
26 Homeko azy ny fifehezam-panjakana hatramin'ny ranomasina sy ny ony.
27 Izy hiantso Ahy hoe: "Raiko Ianao, Andriamanitro, Vatolampy mamonjy ahy",
28 Izaho kosa hanao azy ho lahimatoako, sady ambony indrindra amin'ireo mpanjakan'ny tany.
29 Hitahirizako mandrakizay ny fitiavako izy ary hitazonako izao fanekempihavanako izao:
30 Hisy hajoroko ho mpanjaka hatrany ny taranany; ary haharitra toy ny lanitra ny seza fiandrianany.
31 Raha mahafoy ny lalanako ny taranany ka tsy manaraka ny fitsipiko,
32 raha manevateva ny baiko avy amiko ka tsy mitandrina ny didiko,
33 dia hofaiziko tsorakazo ny fikomiany ary ho saziko kapoka ny heloka vitany;
34 kanefa tsy hofoanako ny fitiavako azy ary tsy hivadihako ny toetrako mahatoky.
35 Tsy hotsoahako ny fanekem-pihavanako ary tsy hovako izay nampanantenaiko.
36 Efa nanao izao fianianana izao Aho fahiny; tamin'ny fahamasinako no nanaovako izany fa tsy hamitaka velively an'i Davida Aho:
37 Hisy hatrany hatrany ny taranany; ary tahaka ny aharetan'ny masoandro no haharetan'ny seza fiandrianany eo anatrehako;
38 hitombina hatrany izany, raha mbola eo koa ny volana izay vavolombelona mahatoky eny amin'ny rahona."
39 Saingy narianao sy nolavinao ilay mpanjaka voahosotrao, satria tezitra taminy Ianao.
40 Nofoananao ilay fanekem-pihavanana izay nataonao tamin'ity mpanomponao; natsipinao tamin'ny tany ny satroboninahiny ka nolotoinao hahavery fahefana azy.
41 Narodanao ny fefiny rehetra ary noravanao ny mandany.
42 Norobain'ny vahiny rehetra mandalo izy, ary lasa fihomehezan'ireo firenena mifanila.
43 Nampirisika ny fahavalony Ianao ary nampifaly ny mpifanandrina aminy.
44 Nataonao tsy nahomby ny fiadian'ilay voahosotrao ary tsy notohananao akory tamin'ny ady izy.
45 Notapahinao ny tehim-panjakany ary naonganao ny seza fiandrianany, ka nadabokao ho amin'ny tany.
46 Nohafohezinao ny androm-pahatanorany ary norakofanao henatra izy.