Salamo

Toko faha-96 (95)

6 Fahalehibeazana sy famirapiratana no manodidina Azy ary hery sy fiandrianana no mameno ny Toeramasiny.

7 Ianareo fianakaviamben'ny firenen-drehetra, tolory haja ny TOMPO fa be voninahitra sy hery.

8 Tolory haja ny TOMPO satria be voninahitra Izy. Mitondra fanatitra ka midira eo an-kianjan'ny tempoly;

9 dia miankohofa eo anatrehan'ny TOMPO, rehefa miseho ny fahamasinany. Mangovita eo anoloany, ry mponin'ny tany tontolo.

10 Lazao amin'ny olona hoe: "Ny TOMPO no mpanjaka! Voaorina mafy izao rehetra izao ka tsy hihontsona; ho fehezin'ny Tompo araka ny hitsiny ny vahoaka."

11 Aoka hifaly ny lanitra ary hiravoravo ny tany, aoka hirohondrohona ny ranomasina mbamin'izay rehetra ao anatiny,

12 aoka hibita-kafaliana ny saha mbamin'izay rehetra ao aminy aoka ny hazo rehetra any an'ala hihoby

13 mba hitsena ny TOMPO satria tamy Izy: eny, tamy Izy mba hifehy ny tany; dia hifehy ny tontolo araka ny rariny Izy ary hifehy ny firenena araka ny hitsiny.

Toko faha-97 (96)

1 Ny TOMPO no mpanjaka: miravoa, ry tany tontolo; mifalia, ry mponina amin'ny nosy maro.

2 Rahona sy zavona mikitroka no manodidina Azy; rariny sy hitsiny no iorenan'ny fanjakany.

3 Misy afo mandeha mialoha Azy ka mandevona ny fahavalony eny manodidina.

4 Mahazava izao tontolo izao ny tselany; mahita izany ny tany ka dia mangovitra.

5 Miempo toy ny savoka ny tendrombohitra eo anoloan'ilay TOMPOn'ny tany tontolo;

6 manambara ny fahamarinany ny lanitra ary mahita ny voninahiny ny firenen-drehetra.

7 Aoka ho menatra izay rehetra manompo sampy sy mirehareha amin'ny zavatra tsinontsinona! Aoka hiankohoka eo anoloan'ny Tompo ianareo andriamanitra rehetra!

8 Mandre izany i Tsiona ka miravo; ireo tananan'i Joda mifaly noho ny fifehezanao, TOMPO o,

9 satria IANAO no Ilay Avo Indrindra eran-tany sady ambonin'ireo andriamanitra rehetra.

10 Ianareo fatra-pitia ny TOMPO, mankahala ny ratsy fa miaro ny ain'ireo mpivavaka aminy Izy ka manafaka azy tsy ho voatanan'ny olon-dratsy.

11 Misy hazavana mamiratra ho an'ny olo-marina, ka mitondra haravoana izany ho an'ny mahitsy fo.

12 Mifalia ao amin'ny TOMPO, ianareo olo-marina; manaova fiderana Azy ka tsarovy fa masina Izy.

Toko faha-98 (97)

1 Salamo nataon'i Davida. Mihira hira vao ho an'ny TOMPO fa nahavita zava-mahagaga Izy! Ny hery sy ny fahefana ananany no nampiasainy hahazoam-pandresena.

2 Dia nampahafantarin'ny TOMPO izany fandresena izany; teo anatrehan'ireo firenena no nanehoany fa mpanafaka Izy:

3 Tsy nohadinoin'ny Tompo, ry terak'i Israely, ny naneho fitia sy toetra mahatoky tamintsika; ka dia hitan'ny vahoaka hatrany am-paran'ny tany fa nandresy tokoa ilay Andriamanitsika.

4 Mihobia ny TOMPO, ry mponin'ny tany tontolo; ataovy manakoako ny horakora-pifaliana mbamin'ny feon'ireo zava-maneno.

5 Mankalaza ny TOMPO amim-baliha sy feon-kira;

6 Mihobia ilay TOMPO Mpanjaka amin'ny trompetra sy feon'anjomara.

7 Aoka hirohondrohona ny ranomasina mbamin'izay rehetra ao anatiny ary aoka hiredona hira ny tany sy ny mponina ao aminy!

8 Aoka hiteha-tanana ny ony ary aoka ny tendrombohitra hihoby

9 mba hitsena ny TOMPO satria tamy Izy: eny, tamy Izy mba hifehy ny tany; dia hifehy ny tontolo araka ny rariny Izy ary hifehy ny firenena araka ny hitsiny.

Toko faha-99 (98)

1 Ny TOMPO no mpanjaka, hany ka mangovitra ireo vahoaka. Ambony kerobima ny seza fiandrianany, hany ka mihorohoro ny tany.

2 Lehibe ao Tsiona ny TOMPO, avo ambonin'ny firenena rehetra Izy.

3 Aoka ireo hidera ny anaranao izay lehibe sy mampitolagaga, satria masina tokoa Ianao!

4 Ry mpanjaka mahery sy tia rariny o, Ianao no nampiorina ny hitsiny sady niantoka ny rariny sy ny fitsarana teo amin'ny taranak'i Jakoba.

5 Asandrato ny TOMPO Andriamanitsika; Izy no masina ka iankohofy eo anoloan'ny fitoeran-tongony.

6 I Mosesy sy i Aharona tamin'ireo mpisorony ary i Samoela tamin'ireo mpivavaka aminy dia samy niantso vonjy taminy ka novaliany.

7 Tao anaty andry rahona ny Tompo no niteny tamin'ny vahoakany; dia nankatoavin'ireo ny baikony mbamin'ny fitsipika nomeny azy.

8 TOMPO Andriamanitray o, Ianao mihitsy no mamaly azy; fa Andriamanitra nahari-po taminy Ianao, nefa kosa nanafay azy noho ny ratsy nataony.

9 Asandrato ny TOMPO Andriamanitsika; eny, masina ny TOMPO Andriamanitsika ka iankohofy eo an-tendrombohiny masina.

Toko faha-100 (99)

1 Salamo fampiasa amin'ny sorom-pisaorana. Mihobia ny TOMPO, ry mponin'ny tany tontolo.

2 Anaovy fanompoam-pivavahana amim-pifaliana izy; midira eo anatrehany amin'ny hiram-piravoana.

3 Fantaro fa ny TOMPO no Andriamanitra; Izy no nanao antsika: ka Azy isika, vahoakany sady andian'ondry andrasany.

4 Ny vavahadin'ny tempoliny, idiro amin-tsaotra; ireo kianja ao anatiny, idiro amin-dera; isaory Izy, ary ankalazao ny anarany.

5 Eny, tsara ny TOMPO: maharitra mandrakizay ny fitiavany ary mahatoky hatrany hatrany Izy.

Toko faha-101 (100)

1 Salamo nataon'i Davida. TOMPO o, firaiketam-po aminao sy rariny ho an'ny vahoaka no zavatra tiako ho kaloina: izany no hankalazako Anao an-kira.

2 Hiezaka hiroso amin'ny fahitsiana aho, ka rahoviana no hankaty amiko Ianao? Amin-kitsim-po no hiainako ao amin'ny lapam-panjakako.

3 Tsy hahatanty zava-dratsy aho; halako ny mivadika finoana, tsy mba hahazo ahy izany.

4 Halaviriko ny haloto fo, tsisy antony amiko ny olon-dratsy.

5 Hofongorako ny mpanaratsy namana amin'ny takona fa tsy zakako ny mpiandranandrana miavona am-po.

6 Hojereko izay olo-mahatoky eto amin'ny tany sy ny fanjakana mba hametrahako azy eo anilako; izay mizotra amin'ny fahitsiana no ho tonga mpanampy ahy.

7 Tsy hitoetra ao amin'ny lapam-panjakako ny olona mpametsifetsy; ary tsy hijanona eo anilako ny mpanao teny mandrobo.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.9194