Salamo

Toko faha-92 (91)

11 Nomenao ahy ny tanjaky ny ombimanga, nandrarahanao menaka mbola vao aho.

12 Hitako ny faharesen'ireo mpifanandrina amiko, ary reko ny fikaikaikan'ireo mpisetrasetra ahy.

13 Fa ny olo-marina kosa hamololona toy ny rofia, hisandrahaka toy ny sederan'i Libano:

14 Toy ny hazo ambolena eo an-tokotanin'ny tempoly izy ka mivelatra eo an-kianjan'ny TOMPO Andriamanitsika;

15 sady, na antitra aza, dia mamoa hatrany ary mbola maitso sy milenodenoka;

16 izany no porofo fa mahitsy ny TOMPO, ary tsy misy olakolaka ao amin'ilay Mpiaro ahy.

Toko faha-93 (92)

1 Mpanjaka ny TOMPO, mitafy fiandrianana; eny, mitafy fiandrianana izy ary misikina hery ka voaorina tsara tsy hihontsona izao tontolo izao.

2 Efa niorina hatry ny ela ny sezafiandriananao; hatrizay hatrizay dia Andriamanitra Ianao.

3 Fahiny dia nisamboaravoara ny riaka, TOMPO o, eny, nisamboaravoaran'ny hatezerana ary mbola mety misamboaravoara ihany.

4 Fa mahery noho ny feon'ny rano be sy ny fidoboky ny onja vaventy, TOMPO o, ny fanapahanao any ambony any.

5 Azo antoka tanteraka ny fepetra nataonao, TOMPO o; ho masina lalandava koa ny tranonao.

Toko faha-94 (93)

1 TOMPO Andriamanitra mpamaly ny natao o, ry Andriamanitra mpamaly ny natao o, mba misehoa!

2 Ry ilay mpitsara ny mponin'ny tany o, mirotsaha an-tsehatra Ianao; izay nataon'ny mpiavonavona ihany no amalio azy.

3 TOMPO o, mandra-pahoviana no hifalifalian'ny olon-dratsy, eny, mandra-pahoviana?

4 Fa mirehaka izy sady miteniteny foana; mizahozaho ireo mpanao ratsy rehetra ireo.

5 Ny vahoakanao, TOMPO o, ampahoriny; ireo voatokana ho Anao ampijaliny.

6 Ny mpitondratena sy ny kamboty vonoiny ho faty, ny valovotaka eto amin'ny taninao ataony afaka aina.

7 Fa hoy izy hoe: "Tsy mahita akory ny Tompo; tsy mahalala velively ny Andriamanitr'i Jakoba !"

8 Ry olona ketrina indrindra, mitandrema! Ry adala, rahoviana vao handinika ianareo?

9 Ny TOMPO Izay nanao ny sofina ve tsy handre? Izy namorona ny maso indray no tsy hahita?

10 Ilay mpanitsy ny firenena ve tsy hanafay? Izy mpampianatra ny olona indray no heverina ho tsy manam-pahalalana?

11 Fantatry ny TOMPO ny fikasan'ny olona, eny, fantany fa tsinontsinona ireny.

12 Sambatra ny olona anarinao, TOMPO o, ka ampianarinao amin'ny lalananao!

13 Ataonao miadana amin'ny andro mahory izy, nefa ny olon-dratsy ihadiana longoa.

14 Fa tsy manary ny vahoakany ny TOMPO na mandalo an'ireo voatokana ho Azy:

15 hanjary ara-drariny indray ny fitsarana ka hiandanian'ny mahitsy fo rehetra.

16 Iza ary no hitsangana hiaro ahy amin'ny mpanao ratsy? Iza no hiady ho ahy amin'ny ataon'ireo mpanao heloka?

17 Raha tsy ny TOMPO no namonjy ahy, dia efa saika lasana mihitsy aho ho any amin'ny toera-manginan'ny maty.

18 Fa isaky ny niteny aho hoe: "Mangozohozo ny tongotro!", dia ny fitiavanao, TOMPO o, no nanohana ahy hatrany.

19 Rehefa feno fanahiana tao anatiko aho, dia nampionona sy nampifaly ahy Ianao.

20 Ianao ve dia hiray tsikombakomba amin'ireo mpitsara tsy marina izay mamoron-tsazy tsy ara-dalana?

21 Mikaon-doha hahafaty ny olo-marina ireo sady manameloka ny tsy manan-tsiny.

22 Saingy ny TOMPO no manda mafy ho ahy, Ilay Andriamanitro no vatolampy fialofako.

23 Hatsingeriny amin'ireo ihany ny helo ka nataony ary ny faharatsiany ihany no handringanany azy; eny, ny TOMPO Andriamanitsika no handringana azy.

Toko faha-95 (94)

1 Avia! Aoka isika hihoby ny TOMPO, hankalaza ilay Vatolampy Mpamonjy antsika!

2 Aoka hankeo anatrehany amim-piderana, hankalaza Azy amin'ny feon-java-maneno!

3 Fa Andriamanitra lehibe ny TOMPO, Mpanjaka lehibe ambonin'ny andriamanitra rehetra.

4 Eo ambany fifehezany ny atin'ny tany, ary Azy koa ny tampon'ny tendrombohitra;

5 Azy ny ranomasina fa nataony, Azy koa ny tanety fa novolavolainy.

6 Midira, aoka isika hiankohoka sy hitsaoka, handohalika eo anatrehan'ny TOMPO Mpanao antsika!

7 Satria Izy no Andriamanitsika, fa isika kosa vahoaka fiandriny, andian'ondry tarihiny. Koa enga anie ianareo anio mba hahahaino ny feony manao hoe:

8 "Aza manamafy ny fonareo tahaka ny nataon'ny razanareo tao Meriba tamin'ny zava-nitranga tao Masa , tany an-taniefitra.

9 Fa nihantsy sy nitsapa Ahy ny razanareo, na dia efa nahita ny asa nataoko aza.

10 Efapolo taona no nahatofoka ahy izany taranaka izany, ka hoy Aho hoe: Vahoaka very saina tokoa ireo, ka tsy mahatakatra izay lalana itarihako azy.

11 Koa nianiana tamin-katezerana Aho nanao hoe: Tsy hidiran'ireo ny toeram-pitsaharana nomaniko."

Toko faha-96 (95)

1 Mihira hira vao ho an'ny TOMPO. Mihira ho AZY, ry mponin'ny tany tontolo.

2 Mihira ho an'ny TOMPO, misaora ny anarany; torio isan'andro isan'andro ny namonjeny antsika.

3 Ambarao amin'ireo firenena ny voninahiny, lazao amin'ny vahoaka rehetra ny zava-mahagaga nataony.

4 Fa lehibe ny TOMPO ka mendrika hoderaina fatratra sady mahatahotra mihoatra noho ny andriamanitra rehetra.

5 Tsinontsinona avokoa ireo andriamanitry ny firenen-kafa, fa ny Tompo kosa no nanao ny lanitra.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.9666