Salamo

Toko faha-85 (84)

4 Nofoananao manontolo ny fahatezeranao ka nialanao ny fahaviniranao mirehitra.

5 Andriamanitra mpamonjy anay o, mba avereno ho firenena matanjaka izahay, ka atsaharo ny loniloninao aminay.

6 Ho tezitra aminay mandrakizay ve Ianao ka hampaharitra ny fahaviniranao amin'ny taranaka mifandimby?

7 Tsy ho velominao indray ve izahay mba hifalianay vahoakanao aminao?

8 TOMPO o, asehoy anay ny fitiavanao ka omeo anay ny famonjenao.

9 Te hihaino izay lazain'Andriamanitra TOMPO aho. Fiadanana tokoa no ampanantenainy ho an'ny vahoakany, dia ireo mpivavaka aminy, raha tsy miverina amin'ny hadalany intsony ireo.

10 Eny, akaiky an'izay manaja Azy ny famonjeny; hitoetra eto amin'ity tanintsika ity ny voninahiny.

11 Tafahaona ny fitiavana sy ny fahamarinana, mifanoroka ny rariny sy ny fiadanana.

12 Mitrebona avy amin'ny tany ny fahamarinana ary midina avy any an-danitra ny rariny.

13 Ny TOMPO mihitsy no hanome ny zava-tsoa ka hahavokatra tokoa ny tanintsika;

14 ary handeha eo alohany ny rariny ka hanoritra ny lalan-kodiaviny.

Toko faha-86 (85)

1 Vavaka nataon'i Davida. TOMPO o, mba atongilano ny sofinao ka valio aho fa ory sy mahantra.

2 Arovy ny aiko fa mpivavaka aminao aho. Mpanomponao aho ka matoky Anao, vonjeo aho fa Ianao no Andriamanitro.

3 TOMPO o, mba iantrao aho fa miantso Anao tontolo andro.

4 Ampifalio re aho mpanomponao satria Ianao, Tompo o, no ifantohako.

5 TOMPO o, Ianao no tsara fo sady mpamela heloka, be fitia amin'izay rehetra miantso Anao.

6 Mba henoy, TOMPO o, ny vavaka ataoko; ka ho tandrinao anie ny fitarainako.

7 Amin'ny androm-pahoriako, Ianao no antsoiko satria mamaly ahy.

8 TOMPO o, tsy misy tahaka Anao amin'ireo andriamanitra; tsy misy mahavita ny vitanao.

9 Ianao no namorona ny firenen-drehetra, ka ho avy hiankohoka eo anatrehanao izy ary hanome voninahitra Anao, Tompo o ,

10 fa lehibe Ianao sy manao zava-mahagaga; Ianao ihany no tena Andriamanitra.

11 TOMPO o, toroy ny lalanao aho mba handehanako araka ny fahamarinanao, ataovy tokam-po aho mba hankato Anao.

12 TOMPO Andriamanitro o, ho deraiko amin'ny foko manontolo Ianao ary homeko voninahitra mandrakizay,

13 satria lehibe ny fitiavanao ahy; fa izaho no efa nafahanao tsy ho lasa any an-davaka, any amin'ny toeran'ny maty any.

14 Olona mpiavonavona no mitsangan-kamely ahy andian'olon-dozabe no mitady hahafaty ahy; Ianao, Andriamanitra o, tsy raharahainy akory.

15 Kanefa Ianao, TOMPO o, dia Andriamanitra mamindrafo sy miantra, mahari-po sady be fitiavana amam-pahamarinana.

16 Mba itodiho aho ka iantrao; omeo ahy mpanomponao ny herinao, ary vonjeo aho fa voatokana ho Anao.

17 Omeo porofo aho fa tsara fo Ianao; dia ho menatra ireo mpankahala ahy, rehefa mahita fa Ianao, TOMPO o,no mamonjy sy mampionona ahy.

Toko faha-87 (86)

1 Salamo nataon'ny terak'i Kora. Tononkira. Teo an-tendrombohitra masina no nanorenan'ny TOMPO an'i Jerosalema.

2 Tiany tokoa ny tananan'i Tsiona mihoatra noho ny toerana rehetra izay nonenan'ireo taranak'i Jakoba.

3 Ry ilay tananan'Andriamanitra o, zava-malaza no ambarany momba anao:

4 "Eo anatrehan'ireo mpahalala Ahy, hoy Izy, no hotsarovako fa ny Ejiptianina sy ny Babilonianina mbamin'ny Filistinina sy ny Tirianina ary ny Etiopianina dia samy teraka tany amin'ny taniny avy.

5 Izao kosa no ho lazaiko momba an'i Tsiona: Ny olona tsirairay dia samy teraka tao; Ilay Avo Indrindra mihitsy no manamafy orina azy."

6 Ny TOMPO manao lisitra ireo firenena ka manoratra ny isam-batan'olona hoe: "Ity dia teraka tao Tsiona."

7 Ireo kosa mandihy sy mihira hoe: "Ao Tsiona no loharano ipoiran'ny fitahiana rehetra ho anay."

Toko faha-88 (87)

1 Tononkira. Salamo nataon'ny terak'i Kora. Tao amin'ny tahirin-kiran'ny filohan'antoko-mpihira. hohiraina amin'ny feo malahelohelo. Tononkalo fananarana avy amin'i Hemana zanakalahin'i Zera.

2 Ry TOMPO Andriamanitra mpamonjiko o, miantso vonjy aminao aho na andro na alina.

3 Aoka ho tonga eo anatrehanao ny fivavako; atongilano ny sofinao hihaino ny tarainako.

4 Eny, tofoky ny fahoriana aho, ary efa ambavahaona ny aiko.

5 Heverina ho isan'ireo afaka aina izay efa midina mankany am-pasana aho sady tahaka ny olona tsy manan-kery intsony.

6 Any amin'ny maty no anjara toerako toy ireo faty mitsitra ao am-pasana, izay tsy tsaroanao intsony sady tsy omban'ny fiarovanao.

7 Napetrakao any am-paran'ny lavaka aho, any amin'ny haizina tsy hita noanoa.

8 Nanindry mafy ahy ny fahatezeranao toy ny onjan-drano nanotofanao ahy.

9 Nampanalavirinao ahy ireo namako; izaho dia nataonao nankaloiloy azy. Voahidy tao amin'ny fahoriako aho, ka tsy tafavoaka intsony.

10 Jembin'ny alahelo ny masoko. TOMPO o, miantso vonjy aminao isan'andro aho ka manandra-tanana hivavaka aminao.

11 Hanao zava-mahagaga ho an'ny maty ve Ianao? Hitsangana indray ve ireny mba hidera Anao?

12 Ny fitiavanao ve hotantaraina any amin'ny maty ary ny fahamarinanao ho visavisaina any amin'ny toeram-pahaverezana?

13 Ny zava-mahagaga vitanao ve ho fantatra any amin'ny haizina? Ary ny fitandroanao ny rariny ve ho fantatra any amin'ny tany fanadinoana?

14 Izaho kosa, TOMPO o, miantso vonjy aminao; vao maraina dia efa eo anatrehanao ny tarainako:

15 TOMPO o, nahoana no nanary ahy Ianao ka tsy mety mijery ahy akory?

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.9138