Salamo
Toko faha-78 (77)
66 Nasiany teo ivoho ireo fahavalony ka nataony afa-baraka mandrakizay.67 Nariany ny taranak'i Josefa: tsy nofidiny ny fokon'i Efraima ,
68 fa ny fokon'i Joda no voafidiny ary ny tendrombohitra Tsiona no maminy;
69 teo no nanorenany ny tempoliny ho avo toy ny lanitra ambony ary ho mafy tahaka ny tany izay najorony ho mandrakizay.
70 Dia nofidiny i Davida mpanompony ka nalainy avy tany an-kijana;
71 teo am-piandrasana reniondry mampinono izy no nampanalainy mba hiandry ny olony, dia ireo taranak'i Jakoba na ny vahoaka Israely izay efa voatokana ho fananany.
72 Tamin'ny fo mahitsy no nikarakaran'i Davida azy ary tamim-pahakingana no nitarihany azy.
Toko faha-79 (78)
1 Salamo nataon'i Asafa. Andriamanitra o, nidiran'ireo hafa firenena ny taninao ka nozimbazimbainy ny tempolinao masina ary nataony korontam-bato i Jerosalema.2 Ny fatin'ny mpanomponao, eny, ny nofon'ireo mpivavaka aminao, dia nomeny ho sakafon'ny papango ary natsipiny ho hanin'ny bibidia.
3 Ny ran'ireo mpanomponao dia nataony mandriaka toy ny rano manerana an'i Jerosalema, ka tsy misy olona tavela handevina.
4 Tonga fandatsan'ny vahoaka hafa izay mpifanila aminay izahay, zary fihomehezana sy faneso ho an'ireo firenena manodidina anay.
5 TOMPO o, mandra-pahoviana izahay no hitananao ny fahatezeranao sy ity fahasarotam-piaronao izay mandoro tahaka ny afo?
6 Aoka ireo firenen-kafa no hotezeranao, dia ireo firenena tsy mahalala Anao, ireo fanjakana tsy mivavaka aminao,
7 fa norobainy ny taranak'i Jakoba ary nosimbany ny tany fonenany.
8 Aza tsaroana hamelezana anay ny heloka vitan'ireo talohanay; fa aoka ny famindramponao no ho tonga haingana hitsena anay, satria voa mafy tokoa izahay!
9 Andriamanitra mpamonjinay o, vonjeo izahay noho ny voninahitrao; mba avelao re ny fahotanay, ka afaho izahay noho ny lazanao.
10 Nahoana ny firenen-kafa no hanontany hoe: "Aiza ary izay Andriamanitrareo ?" Aoka ho fantany sy ho hitanay fa valianao ny ran'ireo mpanomponao izay novonoin'izy ireny ho faty!
11 Aoka ho tonga eo anatrehanao ny fitarainan'ireo voafonja! Araka ny haben'ny herinao no iarovy ny ain'ireo voaheloka ho faty.
12 TOMPO o, mba valio impito heny amin'ireo firenena mifanila aminay ny fanalam-baraka nataony Anao.
13 Fa izahay vahoakanao, andian'ondry fiandrinao, dia hanolotra fisaorana Anao mandrakizay, hanambara ny fiderana Anao hatrany hatrany.
Toko faha-80 (79)
1 Tao amin'ny tahirin-kiran'ny filohan'antoko-mpihira. Hampiarahina amin'ny gitara. Salamo fahatsiarovana nataon'i Asafa.2 Ry Mpiandry an'i Israely o, mba mihainoa anay, Ianao Izay mitarika ny taranak'i Josefa toy ny andian'ondry; Ianao Izay mipetraka eo ambony kerobima , mba misehoa.
3 Eo anatrehan'i Efraima sy i Benjamina ary i Manase, fohazy ny herinao ka tongava hamonjy anay.
4 Ry Andriamanitr'izao rehetra izao o, mba avereno ho firenena matanjaka izahay; aoka hijery anay amin-kamorampo Ianao, dia ho voavonjy izahay!
5 Ry TOMPO Andriamanitr'izao rehetra izao o, mandra-pahoviana no hotezeranao izahay ho setrin'ny vavakay vahoakanao?
6 Alahelo no zary sakafo afahanao anay, ranomaso mandriaka no ampisotroinao anay.
7 Ataonao ho fanarabin'ireo firenen-kafa izay mpifanila aminay izahay sy ho fihomehezan'ny fahavalonay.
8 Ry Andriamanitr'izao rehetra izao o, mba avereno ho firenena matanjaka izahay; aoka hijery anay amin-kamorampo Ianao, dia ho voavonjy izahay!
9 Namindra voaloboka iray avy any Ejipta Ianao ary nandroaka firenen-kafa mba hambolena azy;
10 nodiovinao ny tany teo anoloany, koa namaka lalina izy ary nameno ny tany.
11 Ny alokalony naharakotra ny tendrombohitra any atsimo ary ny rantsany nananika ny sedera goavana any Libano;
12 nampisandrahaka ny rantsany hatrany an-dranomasina any andrefana izy, ary nampihanaka ny sakeliny hatrany amin'ny ony any atsinanana.
13 Nahoana ary no dia noravanao ny fefy manodidina an'ilay voalobokao, ka mioty azy ny mpandalo rehetra?
14 Manimba azy toa lambo avy any an'ala ireo ary tonga miraoka azy toa bibidia.
15 Ry Andriamanitr'izao rehetra izao o, mba miverena; tsinjovy avy any an-danitra ka jereo ary karakarao ilay voalobokao:
16 arovy ilay zana-kazo nambolenao, ilay solofo nohatanjahinao ho Anao.
17 Aoka ho levon'ny fandrahonanao ireo fahavalo nanjera sy nandoro!
18 Aoka homban'ny fiarovanao ilay vahoaka voafidinao , dia ilay firenena nohatanjahinao ho Anao!
19 Amin'izay dia tsy handao Anao intsony izahay; Ianao no hamelona anay indray ary hivavahanay.
20 Ry TOMPO Andriamanitr'izao rehetra izao o, mba avereno ho firenena matanjaka izahay; aoka hijery anay amin-kamorampo Ianao, dia ho voavonjy izahay!
Toko faha-81 (80)
1 Tao amin'ny tahirin-kiran'ny filohan'antoko-mpihira. Hampiarahina amin'ny jejilava. Salamo nataon'i Asafa.2 Manaova hobim-pifaliana ho an'Andriamanitra herintsika, ankalazao ny Andriamanitr'i Jakoba.
3 Ingao ny hira, velezo ny amponga, tendreo ny lokanga tsara feo mbamin'ny valiha.
4 Amin'ny tsinam-bolana sy volam-penomanana, tsofy ny trompetra ho an'ny andro fetintsika ,
5 satria lalana ho an'ny Israelita izany, didin'ny Andriamanitr'i Jakoba,
6 fitsipika nataony ho an'ny taranak'i Josefa fony Izy namely an'i Ejipta. -Feo tsy fantatro no reko nanao hoe:
7 "Nesoriko teo an-tsorokareo ny entana; ny tananareo afa-namela ny sobika mavesatra.
8 Fony noporetina ianareo, dia niantso Ahy ka nafahako; novaliako tao anaty kotrokorana ianareo ary nozahako toetra teo amin'ny ranon'i Meriba.
9 Ry vahoakako, mihainoa fa mampitandrina Aho; satriko hihaino Ahy ianareo, ry Israelita:
10 Aoka tsy hisy andriamani-kafa eo aminareo, aoka ny andriamanitra vahiny tsy hivavahanareo,