Salamo
Toko faha-78 (77)
16 rano mandriaka no navoakany avy amin'ny harambato ka nataony nikoriana tahaka ny renirano.17 Kanjo nanohy ny fahotany ihany ireo ka nikomy tamin'ilay Avo Indrindra, tao amin'izany tany karankaina izany.
18 Sahy nihantsy an'Andriamanitra aza izy, ka nangataka izay hanina nahaliana azy;
19 niteny ratsy an'Andriamanitra ireo, raha nanao fanontaniana hoe: "Andriamanitra ve afaka hanome sakafo ho hanintsika aty an-taniefitra aty?
20 Marina fa nikapoka vatolampy Izy ka nampigororoana rano avy ao hanjary riaka mibosasaka. Saingy ho hainy ve ny hanome mofo na hamatsy hena ny vahoakany?"
21 Nandre izany ny TOMPO ka nisafoaka tamin'ireo taranak'i Jakoba; nirehitra toy ny afo ny hatezerany ka namely ny Israelita,
22 satria tsy nino Azy akory ireo sady tsy natoky ny famonjeny.
23 Nefa nandidy ny rahona avy any ambony Izy, ka nanokatra ny varavaran'ny lanitra;
24 dia nandrotsahany ny mana ireo ho sakafony, vary avy any an-danitra no nomeny azy.
25 Mofon'ny mahery no nohanin'ny olona efa osa, fa nandefasany vatsy mahavoky izy.
26 Nataon'Andriamanitra nifofofofo teny an-danitra ny rivotra avy any atsinanana; ary ny heriny no nitondrany ny rivotra avy any atsimo.
27 Dia nandatsahany hena betsaka hoatra ny vovoka ireo ary voro-manidina marobe toy ny fasi-dranomasina;
28 teo anivon'ny tobiny no nandatsahany azy, teny manodidina ny tranolainy teny.
29 Dia nihinana izy rehetra ka voky tokoa, satria izay niriny dia nomen'ny Tompo azy;
30 kanefa mbola tsy afa-po ihany ireo, na dia mbola feno aza ny vavany.
31 Koa nirehetan'ny fahatezeran'Andriamanitra izy: dia nahafatesany tamin'ireo matanjaka, nataony ripaka ny zatovo israelita.
32 Na teo aza izany rehetra izany, dia mbola nanota ihany ireo; ary na teo aza ny zava-mahagaga nataony, dia tsy natoky an'Andriamanitra izy.
33 Koa indray mitsoka monja no nandevonany ny fisiany; ary tamin'ny loza tampoka no nanaperany ny taonany.
34 Fa raha naringana izy, dia nitady an'Andriamanitra, ary mba niverina nikatsaka Azy ihany;
35 tsaroany fa Andriamanitra no vatolampiny, Andriamanitra Avo Indrindra no mpanavotra azy.
36 Saingy nanao teny fitaka hilaza lainga tamin'ny Tompo ireo;
37 tsy niraiki-po taminy izy ary tsy natoky ny fanekem-pihavanana izay nifanaovany taminy.
38 Be indrafo anefa Andriamanitra ka namela ny hadisoany ary tsy nandringana azy; nahatsindry hatezerana Izy ary nampitony fahavinirana.
39 Tsaroany fa osa sy malemy ireo tsio-drivotra mandalo ka tsy hiverina intsony.
40 Impiry impiry akory moa ireo no efa nikomy taminy tany an-taniefitra ka nampahatezitra Azy tany an-tany foana!
41 Fa nikiry nihantsy an'Andriamanitra izy ka nampalahelo an'ilay Masin'i Israely.
42 Nohadinoiny ny hery nasehony fony Izy nanafaka azy tamin'ny mpampahory,
43 ka nanao famantarana tany Ejipta sy zava-mahagaga teo amin'ny faritr'i Tsohana:
44 novany ho ra ny rano teny an-dakandrano ka tsy azon'ny Ejiptianina nosotroina intsony ;
45 nalefa ny hitsentsitra azy ireo ny fihitra ary hanimba zavatra ny sahona ;
46 nomeny ho hanin'ny sompanga ireo vokatry ny taniny ary ho hanin'ny valala ny valin-kasasarany ;
47 naripany tamin'ny havandra ny voalobony sy tamin'ny fanala ny aviaviny;
48 natolony hasian'ny havandra ny biby fiompiny sy hasian'ny varatra ny omby aman'ondriny.
49 Nozerany fahatezerana mirehitra ny Ejiptianina, dia fahavinirana sy fisafoahana ary fampahoriana izay toy ny andian'iraka tonga hitondra loza.
50 Namparin'Andriamanitra ny fahatezerany, ka tsy narovany tamin'ny fahafatesana ireo fa natolony velona ho azon'ny areti-mandringana;
51 novonoiny ho faty avokoa ny lahimatoa rehetra tany Ejipta , dia ireo santatry ny hery tamin'ny ankohonan'ny terak'i Hama.
52 Ny vahoakany kosa nafindrany toy ny ondry ary notarihiny toy ny andiany tany an-taniefitra ;
53 nentiny tamim-pilaminana ireo ka tsy natahotra, fa ny fahavalony no voasaron-dranomasina.
54 Nentiny ho any amin'ny tany masina ny vahoakany , teo amin'ilay tendrombohitra izay azony tamin-kery ;
55 noroahiny ny firenen-kafa teo anoloany, nozarainy antsapaka ho azy ny taniny; ka ny tranon'ireo firenen-kafa ireo ihany no nampitoerany ny fokon'i Israely.
56 Nefa nihantsy an'Andriamanitra Avo Indrindra izy ka nikomy taminy sy nandika ny didiny ;
57 nihemotra sy nivadika toy ireo razany izy, eny, nisampotina toy ny tsipika manody.
58 Nampahatezitra ny TOMPO izy tamin'ireo toeram-panasinany sady nankasiaka mafy Azy tamin'ny sarivongan'andriamani-tsiizy.
59 Nahatsapa izany Andriamanitra, dia nisafoaka; ka nariany tanteraka ny Israelita,
60 nilaozany ny fonenany tao Silao, dia ny tranolay nitoerany teo amin'ny olona.
61 Ary ny Vatamasina maneho ny heriny sy voninahiny dia nafoiny ho voababon'ny fahavalo.
62 Natolony ho fatin-tsabatra ny vahoakany, fa nahatezitra Azy tokoa ireo voatokana ho fananany.
63 Kilan'ny afo ireo zatovolahiny; noho izany ireo zatovovaviny dia tsy nanaovana hiram-pampakarana;
64 matin-tsabatra ireo mpisorony, ary tsy afaka nisaona azy akory ireo vehivavy mpitondratenany.
65 Dia nifoha ny TOMPO toy ny avy natory, tahaka ny mpiady maherifo notairin'ny divay.