Salamo
Toko faha-51 (50)
13 Aza esorina anoloanao aho; ny Fanahinao Masina, aza alana amiko.14 Avereno amiko ny hafalian'ny voavonjy; ilay Fanahinao mampazoto no anohany ahy.
15 Dia hotoroako ny lalanao ireo olon-diso ka hiverina aminao ny mpanota.
16 Andriamanitra o, Andriamanitra mpamonjiko Ianao. Namono olona ho faty aho ka ataovy afa-keloka mba hihobiako ny fanafahanao ahy.
17 TOMPO o, ampio hiloa-bava aho, mba hanambarako ny fiderana Anao.
18 Tsy ny sorona amam-panatitra no ho sitrakao; raha izany, dia nomeko ihany Ianao. Na ny sorona dorana manontolo aza dia tsy hahafaly Anao akory.
19 Ny sorona ataoko aminao, Andriamanitra o, dia ny fanahiko tsy miavonavona; ny foko tsy miavonavona sy mangorakoraka dia tsy mba ataonao tsinontsinona, Andriamanitra o.
20 Noho ny fanambinanao, hasoavy i Tsiona, atsangano ny mandan'i Jerosalema.
21 Dia ho sitrakao ireo sorona amam-panatitra ara-dalana mbamin'ny sorona dorana sy izay atolotra manontolo; ka dia ombilahy no hakarina eo ambonin'ny alitaranao.
Toko faha-52 (51)
1 Tao amin'ny tahirin-kiran'ny filohan'antoko-mpihira. Tononkalo fananarana nataon'i Davida,2 fony tonga i Doega, ilay Edomita, ka nilaza tamin'i Saoly hoe: Nankany an-tranon'i Abimeleka i Davida.
3 Ahoana ianao no mirehareha amin'ny ratsy, ry ilay mahery mamely ny mpivavaka marina.
4 Heloka hatrany no saininao; toa hareza maranitra ny lelanao, ka kinga tokoa raha hanendrikendrika;
5 tsy mba ny tsara no tianao fa ny ratsy, tsy mba ny marina fa ny lainga.
6 Teny manimba avokoa no maminao, ry mpamitaka.
7 Andriamanitra kosa no hanongana anao mandrakizay; hisambotra sy hisarika anao hiala ny tranonao Izy ary hanongotra anao amin'ity tany ivelomantsika ity.
8 Ny olo-marina hahita izany ka hitolagaga ary dia haneso anao sy handatsalatsa hoe:
9 Indro ilay lehilahy mpiady, tsy nanao an'Andriamanitra ho heriny fa niantehitra tamin'ny harem-beny, nirehaka tamin'ny haratsiany.
10 Izaho kosa, ao an- tranon'Andriamanitra, dia toa fototr'oliva maitso mavana; ny fitiavany no itokiako mandrakizay mandrakizay.
11 TOMPO o, hoderaiko hatrany Ianao noho ny amin'izay nataonao; ary eo anatrehan'ny mpivavaka aminao no hanambarako fa tsara Ianao.
Toko faha-53 (52)
1 Tao amin'ny tahirin-kiran'ny filohan'antoko-mpihira. Hohiraina amin'ny fomba fihira malahelohelo. Tononkalo fananarana nataon'i Davida.2 Adala izay miteny anakampo hoe:"Tsy misy Andriamanitra !" Maneho toetra lo sy maharikoriko ireo sady tsy mba misy manao ny tsara.
3 Avy eny an-danitra eny Andriamanitra no miondrika hijery ny olombelona, hizaha sao mba misy olon-kendry izay mitady Azy tokoa.
4 Fa Izy rehetra no mania, ka samy tsy valahara avokoa; tsy mba misy manao ny tsara, na dia iray akory aza !
5 Hoy kosa Andriamanitra hoe:"Tena tsy mahalala mihitsy ny mpanao ratsy rehetra fa fitsentsefana ny vahoakako no ataony foto-pivelomana sady Izaho tsy antsoiny akory!"
6 Indreo matahotra dia matahotra ireny amin'ny tsy tokony hatahorany akory, satria efa naelin'Andriamanitra ny taolan'ny tsy mpivavaka. Ho menatra tokoa izy ireo satria efa narian'Andriamanitra.
7 Hivoaka avy ao Tsiona anie ny famonjena an'i Israely, ka hifaly sy hiravo ny taranak'i Jakoba, dia ny vahoaka Israely tsivakivolo, rehefa hambinin'Andriamanitra indray izy !
Toko faha-54 (53)
1 Tao amin'ny tahirin-kiran'ny filohan'antoko-mpihira. Hampiarahina amin'ny valiha. Tononkalo fananarana nataon'i Davida,2 fony tonga ny Zifita ka nanao tamin'i Saoly hoe: Miery any aminay i Davida.
3 Andriamanitra o, vonjeo aho noho ny voninahitrao; ary omeo rariny aho satria mahery Ianao!
4 Andriamanitra o, henoy ny fivavako; mba mampandria sofina amin'ny teniko.
5 Fa olona hafa firenena no mitsangan-kamely ahy, olon-dozabe no mitady hahafaty ahy tsy miraharaha Anao akory ireo.
6 Indro kosa Andriamanitra manampy ahy, ny Tompo no hany mpanohana ahy;
7 Izy anie hamaly ny ratsy ataon'ny mpitsikilo ahy! Aringano ireo satria mahatoky tokoa Ianao.
8 An-tsitrapo no anaterako sorona ho Anao; TOMPO o, hidera Anao aho fa tsara Ianao; nafahanao tamin'ny fahoriako rehetra aho ka hitako maso ny fahavaloko resy.
Toko faha-55 (54)
1 Tao amin'ny tahirin-kiran'ny filohan'antoko-mpihira. Hampiarahina amin'ny valiha. Tononkalo fananarana nataon'i Davida.2 Andriamanitra o, mba henoy ny fivavako, ary aza idifiana ny tarainako.
3 Aoka aho hotandrinao sy hovalianao fa mivezi-poana amin-tsento sy toloko,
4 noho ny fahavaloko mihiaka sy ny olon-dratsy mampahory ahy; eny, hasomparana no atorany amiko, sady tezerany sy ankahalainy aho.
5 Mangorohoro ato anatiko ny foko; fanahiana ny ho faty no mamely ahy.
6 Voan'ny tahotra sy tebiteby aho ary koa heniky ny horohoro.
7 Hoy aho hoe: "Raha izay, hono aho, no mba ary elatra toa voromahailala hisidinako hitady izay hitoerako,
8 dia handositra lavitra aho ka honina any an-taniefitra!
9 Ho dodona hamonjy fialofana aho, tsy ho tratry ny tafiotra sy ny oram-baratra."
10 Akorontano, TOMPO o, ny fikasan'ireo mpanohitra ahy; asaritaho ny teny ifanaovany. Ady sy an-keriny no hitako ao an-tanana
11 sy manodidina ny manda ny andro aman'alina; heloka sy fampahoriana no ao anivon-tanana
12 tsy ialam-pitaka sy kolikoly ny lalambeny.
13 Raha fahavalo no mamingavinga ahy, ho niaretako ihany; raha mpankahala no mirehareha hamely ahy, ho niafenako fotsiny.
14 Saingy ianao iray tarika amiko, tapaka, namana sy sakaiza!
15 Izany isika nifanao teny mamy sy niara-dia, fony nankao an- tranon'Andriamanitra!