Salamo
Toko faha-45 (44)
12 Ny mpanjaka mankatelina ny bikanao, ka iondreho izy fa tomponao.13 Ny mpanefoefo avy any Tirosy ny mpanankarena amin'ny vahoaka dia samy hitondra fanatitra hahazoana sitraka aminao.
14 Mamirapiratra tokoa ilay Andriambavy omban'ny firavaka mifaham-bolamena.
15 Manao fitafiana misoratsoratra izy no entina eo amin'ny mpanjaka. Manotrona ny andriambavy koa ireo zazavavy sakaizany izay efa nentina teo aminy:
16 mandroso amim-pifaliana sy haravoana ireo ary miditra ao an-dapan'ny mpanjaka.
17 Ry mpanjaka o, ny zanakao anie handimby anao eo amin'ny seza fiandrianan'ny razanao, ka hotendrenao ho mpifehy manerana ny tany tontolo!
18 Izaho kosa hampahatsiaro ny lazanao amin'ny taranaka mifandimby; izany no hahatonga ny firenen-kafa hidera anao mandrakizay mandrakizay.
Toko faha-46 (45)
1 Tao amin'ny tahirin-kiran'ny filohan'antoko-mpihira. Hampiarahina amin'ny zava-maneno avo feo. Tononkira nataon'ireo terak'i Kora.2 Andriamanitra ny anay no aro sy hery; mpamonjy mora azo indrindra Izy amin'ny fahoriana.
3 Koa tsy atahoranay na tany hihozona, na tendrombohitra hianjera any anaty ranomasina,
4 na riaka hirohondrohona sy handroatra ka hibontsina hampikoa ny tendrombohitra. Ny TOMPOn'izao rehetra izao no momba anay; ilay Andriamanitr'i Jakoba no fialofanay!
5 Misy renirano mampifaly ny tananan'Andriamanitra, dia ilay fonena-masina tsy manan-tsahala amin'ireo fonenan'ny Avo Indrindra.
6 Andriamanitra no eo anivony ka tsy hihontsona izy; Andriamanitra mamonjy azy raha ho avy ny maraina.
7 Mitabataba ny firenena, mikorontana ny fanjakana; ny Tompo kosa namoaka feo toa kotro-baratra, dia nihovotra sy niempo ny tany.
8 Ny TOMPOn'izao rehetra izao no momba anay; ilay Andriamanitr'i Jakoba no fialofanay!
9 Tongava hizaha ny asa vitan'ny TOMPO, dia ny zava-mampitolagaga nataony teto an-tany:
10 ny ady ampitsahariny hatrany am-paran'ny tany, ny tsipika sy ny lefona tapatapahiny, ary ny ampinga ataony kilan'ny afo.
11 Hoy ny TOMPO hoe: "Tapitra hatreo ny ady; ka ekeo fa Izaho no Andriamanitra, voasandratra hanerinerina amin'ireo firenena, voasandratra hanerinerina amin'ny tany."
12 Ny TOMPOn'izao rehetra izao no momba anay; ilay Andriamanitr'i Jakoba no fialofanay!
Toko faha-47 (46)
1 Tao amin'ny tahirin-kiran'ny filohan'antoko-mpihira. Salamo nataon'ireo terak'i Kora.2 Ry vahoaka rehetra, mitehafa tanana sy manaova hobim-pifaliana ho an'Andriamanitra;
3 fa ny TOMPO no avo indrindra ka mahatahotra, Mpanjaka lehibe amin'ny tany tontolo Izy.
4 Vahoaka maro noreseny hofehezinay, firenen-tsamy hafa no ataony manaiky anay.
5 Nofidiny ny zaratany ho lovanay ka izany no ireharehanay, satria izahay taranak'i Jakoba dia vahoaka tiany tokoa.
6 Arahina hoby Andriamanitra no miakatra ao Tsiona. Omban'ny feon'anjomara no tonga ao Izy TOMPO.
7 Ankalazao Andriamanitra, ankalazao amin-tsalamo!Ankalazao ny Mpanjakantsika, ankalazao amin-tsalamo!
8 Fa Mpanjakan'ny tany tontolo Andriamanitra, koa ankalazao amin-kira faran'izay mirindra.
9 Andriamanitra manjaka amin'ny firenen-drehetra sy mitoetra amin'ny seza fiandrianany manokana.
10 Ireo mpanapaka ny firenen-kafa dia nikambanaho mpomba an'ilay Andriamanitr'i Abrahama; ka voasandratra ambony dia ambony Andriamanitra noho Izy mifehy ireo andriambaventin'ny tany!
Toko faha-48 (47)
1 Tononkira. Salamo nataon'ireo terak'i Kora.2 Lehibe ny TOMPO Andriamanitsika, hany ka mendrika hoderaina fatratraao an-tananany, ao an-tendrombohiny masina.
3 Tsara fideza ny tendrombohitra Tsiona sady fifalian'ny vahoaka eran-tany: tendrombohitra fonenan'ny Tompo , tananan'ilay Mpanjaka lehibe.
4 Ao an-dapany ao Andriamanitra no miseho ho fiarovana avo.
5 Indreny mpanjaka mivorivory, dia miara-mandroso hamely an'i Tsiona;
6 kanjo nahatazana, dia nidonaka, nangorohoro ka riatra nandositra.
7 Nihovotrovotra foana teo izy ireo, nanaintaina toa vehivavy hiteraka;
8 moa va tsy ny rivotra avy any atsinanana, izay mahapotika sambo goavana, no nifofofofo nianjady taminy.
9 Araka ny henonay no mbola hitanay ao an-tananan'ny TOMPOn'izao rehetra izao, ao an-tananan'ilay Andriamanitray!Izy Andriamanitra no mampijoro azy hatrany.
10 Eto anivon'ny tempolinao, Andriamanitra o, no ametsovetsoanay ny fitiavanao.
11 Hatrany am-paran'ny tany ny lazanao, ka hatrany koa no hiderana Anao. Feno fahamarinana ny tananao ankavanana;
12 ary, noho ny fitsarana ara-drariny navoakanao, dia aoka hifaly ny olona ao an-tendrombohitra Tsiona, ao ka hiravo ny mponina ao an-tananan'i Joda!
13 Mitanjozora manodidina an'i Tsiona ka isaonareo ny tilikambony,
14 banjino tsara ny mandany, ary diniho fatratra ny lapany; dia ho azonareo tantaraina amin'ny taranaka any aoriana
15 fa io Andriamanitra io no Andriamanitsika mandrakizay, ary Izy mihitsy no hitantana antsika hatrany hatrany.
Toko faha-49 (48)
1 Tao amin'ny tahirin-kiran'ny filohan'antoko-mpihira. Salamo nataon'ireo terak'i Kora.2 Mandrenesa, ry olombelona rehetra; mihainoa, ry mponina eran-tany,
3 na olona ambony na sarambabem-bahoaka, na ny mpanankarena na ny mahantra;
4 fa hilaza fahendrena ny vavako, hametsovetso fahalalana ny foko.
5 Atongilako hihaino oha-teny ny sofiko; arahin-dokanga no hivoasako ny ankamantatra.
6 Inona moa no hatahorako amin'ny andro fahoriana, raha manodidina ahy ny mpisompatra mandoza