Salamo

Toko faha-59 (58)

4 Indreo izy miery ka mikendry hahafaty ahy; olo-matanjaka no mivorivory hamely ahy, kanefa tsy meloka aho na nanota, TOMPO o;

5 tsy misy hadisoana vitako velively, kanefa milomay izy mivonon-kijoko ahy.

6 Ianao TOMPO Andriamanitr'izao rehetra izao sady Andriamanitr'i Israely o, mifohaza, tongava aty amiko ka jereo; mifohaza hanasazy ny mpanompo sampy, aza misy iantrana ireo mpivadika ratsy ireo.

7 Nony hariva, dia mitampody ny fahavaloko ka toa andian'alika mivovo mihaodihaody eran'ny tanana.

8 Injao fa midaondaom-bava izy, ka ny teniny toy ny sabatra; heveriny fa tsy misy mandre azy.

9 Kanjo Ianao, TOMPO o, homehy azy; esoinao ny mpanompo sampy rehetra!

10 Ry Heriko o, Ianao no andrandraiko satria Andriamanitra fiarovana avo ho ahy.

11 Ilay Andriamanitra fatra-pitia ahy dia ho avy tokoa hialoha ahy ka hataony hitako ny fahavaloko resy.

12 Andriamanitra o, aza aringana avy hatrany ireo fandrao hadinon'ny vahoakako ny fandresenao; ahofokofohy amin'ny herinao ireo ka azerao, ry Tompo ampinganay o.

13 Vao miteny izy, dia manota aminao; koa ataovy voafandriky ny avonavony sy tratry ny ozona aman-dainga tanisainy.

14 Aringano an-katezerana izy, aringano ka aza avela hisy hiangana; dia ho fantatra hatrany am-paran'ny tany fa Andriamanitra no mifehy eo amin'ny taranak'i Jakoba.

15 Nony hariva, dia mitampody ireo fahavaloko ka toa andian'alika mivovo mihaodihaody eran'ny tanana

16 sady miriorio mitady hanina; ka raha tsy voky izy, dia maneronerona.

17 Izaho kosa hihira ny herinao sy hihoby vao maraina ny fitiavanao, satria Ianao fiarovana avo ho ahy sady fialofana amin'ny andro fahoriana.

18 Ry Heriko o, mankalaza Anao amin-tsalamo aho satria Ianao Andriamanitra fiarovana avo ho ahy, dia ilay Andriamanitra fatra-pitia ahy.

Toko faha-60 (59)

1 Tao amin'ny tahirin-kiran'ny filohan'antoko-mpihira. Hampiarahina amin'ny gitara. Hira malefaka fahatsiarovana, nataon'i Davida ho fampianarana.

2 Tsiahivin'i Davida etoana ny nanafihany an'ireo Sirianina tany Mezopotamia sy tany Tsoba; rehefa nody kosa, dia noresen'i Joaba ny tafika edomita nisy miaramila 12000.

3 Andriamanitra o, narianao sy nahahakao izahay; kanefa na tezitra aza Ianao, dia velombelomy izahay.

4 Nohozongozoninao ny tany ka nitresaka; amboary re izy fa nisy nihotsaka.

5 Nataonao nahita ny mafy ilay vahoakanao ary nampisotroinao divay mahafanina.

6 Faneva manainga handositra no natsanganao mba ho lavitra ny tsipika ireo mpanaja Anao.

7 Vonjeo amin'ny herinao izahay ary valio vavaka, dia ho afaka fa vahoaka malalanao.

8 Ao an-Toeramasiny no niteny Andriamanitra hoe: "Faly tokoa Aho fa hizara an'i Sekema sy ny lohasahan'i Sokota ho an'ny vahoakako;

9 Ahy i Gilehada, Ahy koa i Manase; i Efraima no toy ny fiaro lohako; i Joda no toy ny tehim-piandrianako.

10 I Moaba hampiasaiko toy ny tavy fisasako; i Edoma hanipazako kapa ho fananako; i Filistia hanaovako horakora-pandresena."

11 Iza no hampiditra ahy ho eo anivon'i Edoma? Zovy no hitondra ahy ho ao amin'ilay tanana mafy?

12 Moa tsy Ianao ihany ve, Andriamanitra o? Kanefa izahay efa narianao mihitsy ary ny tafikay tsy iarahanao intsony.

13 Ampio re izahay hiady amin'ilay mpandrafy, fa tsy mankaiza ny famonjena ataon'ny olona.

14 Andriamanitra no hahazoanay fahombiazana goavana, satria Izy no hanitsakitsaka ireo mpandrafy anay.

Toko faha-61 (60)

1 Tao amin'ny tahirin-kiran'ny filohan'antoko-mpihira. Hampiarahina amin'ny valiha. Nataon'i Davida.

2 Andriamanitra o, mba henoy ny tarainako, aoka ho tandrinao ny fivavako!

3 Lavitra ny fonenako sady reraka aho ka dia miantso vonjy aminao.

4 Ianao no fialofana ho ahy, tilikambo mafy anoloan'ny fahavalo.

5 Te hitoetra ao an-tranonao mandrakizay aho, ka hialoka sy hiery eo ambany elatrao.

6 Fa Ianao, Andriamanitra o, mihaino ny voady izay ataoko sy manome an'ireo mpanaja Anao ny soa natokanao ho fananany.

7 Omeo andro lava hiaina ny ny mpanjaka; ho arivo tratry ny taona anie izy!

8 Ho mandrakizay eo anoloanao anie no hifehezany, Andriamanitra o! Aoka hasainao hiaro azy ilay fitiavanao mahatoky!

9 Dia hankalaza ny anaranao hatrany aho amin'ny salamo sy zava-maneno, sady hanolotra isan'andro isan'andro ny sorona nataoko voady taminao.

Toko faha-62 (61)

1 Tao amin'ny tahirin-kiran'i Jedotona filohan'antoko-mpihira. Salamo nataon'i Davida.

2 Andriamanitra irery no iadanako; avy aminy ny famonjena ahy.

3 Izy irery no Vatolampy ahazoako famonjena, fiarovana avo ho ahy ka tsy hihontsona aho.

4 -Ianareo kosa, mandra-pahoviana no hifarimbona hamely olona ka hiara-mioko handrodana azy ho toa rindrina mirona sy fefy mikoa?

5 Ny hany itadiavanareo hanongana azy dia satria izy manana toerana ambony. Fitaka no zavatra mba maminareo: am-bava mirary soa, fa am-po manozona.

6 Andriamanitra irery no iadanako satria Izy mihitsy no antenaiko.

7 Izy irery no Vatolampy ahazoako famonjena, fiarovana avo ho ahy ka tsy hihontsona aho.

8 Miankina amin'Andriamanitra ny famonjena ahy sy ny voninahitro; Andriamanitra no Vatolampy ianteherako mafy sy fialofako.

9 -Matokia Azy lalandava, ry vahoakany, atosahy eo anoloany ny fiahianareo fa Izy Andriamanitra no fialofantsika.

10 Tsio-drivotra mandalo ihany ny sarambabem-bahoaka; rendrarendra foana koa ireo olona manan-kaja; raha indray atao amin'ny mizana izy roa tonta, dia maivana noho ny tsio-drivotra mandalo.

11 -Aza mitoky amin'ny fanaovana an-keriny, aza miankina amin'ny fangalarana. Raha mitombo fananana ianareo, aza mba miraiki-po amin'izany.

12 Izao no tenin'Andriamanitra fandreko matetika: "Ahy ny hery!"

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.9255