Salamo

Toko faha-42 (41)

6 Nahoana re aho no mitanondrika sy mitoloko toy izao ato anatiko? Aoka Andriamanitra no hitokiako! Eny, mbola hoderaiko hatrany Izy, dia ilay Mpamonjiko sady Andriamanitro!

7 Tsy hitanondrika foana aho, TOMPO o, fa aleoko mivetsovetso Anao avy aty amin'ny faritra iandohan'i Jordana, dia ny tendrombohitra Hermona sy Mitsehara.

8 Mitambolimbolina ny rano be, satria mirohondrohona ny riananao; miantonta toy izany hanafotra ahy avokoa ny onja aman'alondranom-pahoriana alefanao.

9 Ny TOMPO anie haneho fitia amiko nony andro; izaho kosa, nony alina, hihira sy hidera an'ilay Andriamanitra fototry ny aiko.

10 Ka dia izao no teny lazaiko amin'Andriamanitra Vatolampiko:"Nahoana moa Ianao no nanadino ahy? Nahoana aho no nampahorin'ny fahavaloko ka manjary miaina mijoretra toy izao?"

11 Ny fandatsalatsany ahy dia toa mahatorotoro ny taolako, noho izaho ilazany foana hoe:"Aiza ity Andriamanitrao?"

12 Nahoana re aho no mitanondrika sy mitoloko toy izao ato anatiko? Aoka Andriamanitra no hitokiako! Eny, mbola hoderaiko hatrany Izy, dia ilay Mpamonjiko sady Andriamanitro!

Toko faha-43 (42)

1 Omeo rariny aho, Andriamanitra o, iandanio hanohitra ny tsy mpivavaka, ataovy afaka amin'ny mpamitaka sy amin'ny mpanao ratsy.

2 Fa Andriamanitra mpiaro ahy Ianao, ka nahoana no dia mandao ahy? Nahoana aho no nampahorin'ny fahavaloko, ka manjary miaina mijoretra toy izao?

3 Ny hazavanao sy ny fahamarinanao alefaso hitarika sy hitantana ahy hatrany an-tendrombohitrao masina , hatrany amin'ny fonenanao.

4 Dia hankeo amin'ny alitaranao aho, Andriamanitra o, eo aminao Andriamanitra fototry ny hafaliako; ka hidera Anao amin-dokanga, ry Andriamanitra Andriamanitro!

5 Nahoana re aho no mitanondrika tsy mitoloko toy izao ato anatiko? Aoka Andriamanitra no hitokiako! Eny, mbola hoderaiko hatrany Izy, dia ilay Mpamonjiko sady Andriamanitro!

Toko faha-44 (43)

1 Tao amin'ny tahirin-kiran'ny filohan'antoko-mpihira; tononkalo fananarana nataon'ireo terak'i Kora.

2 Andriamanitra o, ny sofinay no nandre ny razanay no nitantara taminay ireo zava-bitanao fahiny tamin'ny andro fahavelony.

3 Norobainao ireo firenen-kafa mba hamponenana ny firenenay; nampahorinao ireo vahoakany mba hanomezan-toerana ny vahoakanao.

4 Ny nahazoan'ny razanay ity tany ity dia tsy ny sabatra nananany; ny nahazoany fandresena dia tsy ny heriny velively, fa ny herinao nirotsaka an-tsehatrasy ny fanatrehanao azy amim-pitiavana.

5 Ianao tokoa, ry Andriamanitra Mpanjakako,no manome fandresena an'i Jakoba vahoakanao.

6 Ianao no anosehanay ny fahavalonay; ny anaranao no anitsakitsahanay ny mpamely anay.

7 Tsy ny tsipikako no itokiako, tsy ny sabatro no andreseko;

8 fa Ianao no mamonjy anay amin'ny fahavalonay sy manafo-kenatra ny mpankahala anay.

9 Ianao Andriamanitra no ankalazainay mandrakariva ary ny voninahitrao no derainay mandrakizay.

10 Kinanjo Ianao nanary sy nanafo-kenatra anay, tsy mandeha miaraka amin'ny tafikay intsony.

11 Izahay ataonao mihemotra eo anoloan'ny fahavalonay sy famabon'ny mpankahala anay;

12 atolotrao azy toa ondry hatao sakafo izahay sy aelinao any amin'ny firenen-kafa.

13 Ny vahoakanao ataonao varo-boba ka tsy ahazoanao tombony velively.

14 Izahay ataonao fandatsan'ny vahoaka hafa izay mpifanila aminay, zary fanakora sy faneso ho an'ireo firenena manodidina anay;

15 ambentin-dresak'ireo firenen-kafa sy mampihifikifi-doha an'ireo vahoakany.

16 Eo anoloako mandrakariva ny fahafaham-barakako ary manarona ahy ny fangaihaizako,

17 vokatry ny fandatsana sy ny fanarabiana avy amin'ireo fahavalo sy mpisompatra.

18 Mihatra aminay izany rehetra izany, na dia tsy nohadinoinay aza Ianao ary na tsy nivadihanay akory aza ilay fanekem-pihavananao taminay.

19 Tsy nihemotra hianotra ny fonay, tsy niala tamin'ny lalanao ny dianay,

20 nefa izahay asesikao aty an-toeram-bibidia sady saronanao amin'ny haizina mikitroka.

21 Raha nanadino Anao Andriamanitray izahay na nananty tanana tamin'andriamani-kafa,

22 tsy ho tsinjonao ve izany, Andriamanitra o, Ianao ilay mahalala ny tsiambaratelon'ny fo?

23 Eny, noho ny aminao no amonoana anay mandrakariva sy iheverana anay ho toy ny ondry fanjedaka.

24 Mifohaza, TOMPO o! Nahoana Ianao no matory? Miarena Ianao fa aza manary mandrakizay.

25 Ahoana Ianao no tsy te hanatrika anay ary manadino ny fahorianay sy ny famoretana anay,

26 kanefa mihohoka amin'ny tany izahay sady mifetaka amin'ny tany ny kibonay?

27 Koa midira an-tsehatra hamonjy anay, avoty izahay noho ny fitiavanao.

Toko faha-45 (44)

1 Tao amin'ny tahirin-kiran'ny filohan'antoko-mpihira. Hampiarahina amin'ny gitara. Tononkalo fananarana nataon'ireo terak'i Kora. Tononkiram-pitiavana.

2 Ny foko miboiboika teny soa, ry mpanjaka, raha hambarako ny tononkaloko ho anao. Fomba kanto no hanononako an'izany, tahaka ny soratra voasikotra ambony vato.

3 Soa indrindra amin'ny samy olombelona ianao sady mahafinaritra ny teny ambaranao; koa aminao mandrakizay ny fitahian'Andriamanitra.

4 Ry ilay mpiady mahery fo o, fehezo amin'ny etra ny sabatrao izay mari-piandrianana sy voninahitrao.

5 Mitaingena kalesy ianao ka mirosoa hiaro ny hitsiny sy hitandro ny rariny. Loza no hafitsoky ny herinao:

6 ho lavo eo ambaninao ireo firenena, satria maranitra ny zana-tsipikanao ka hitsatoka am-pon'ireo fahavalonao.

7 Ny sezafiandriananao dia tahaka ny an'Andriamanitra ka maharitra mandrakizay mandrakizay; araka ny fahitsiana tokoa no itondranao ny fanjakanao.

8 Tia rariny sy mpankahala ratsy ianao. Noho izany ilay Andriamanitra Andriamanitrao dia nanokana anao fa tsy ireo namanao ka nanosotra diloilo fifaliana tamin'ny lohanao.

9 Mamerovero ny fitafianao rehetra fa manitra sahondra sy kanela ary miora; avy ao an-dapanao voaravaka ivoara dia andrenesanao mozika izay ankafizinao.

10 Misy andriambavy iray mitsena anao,dia mpanjakavavy maka toerana eo ankavananao sady miravaka volamena avy any Ofira.

11 Mihainoa, razazavavy, atongilano ny sofinao ary aoka ho tandrinao tsara izao: Aza raharahaina intsony ny firenenao sy ny fianakavian-drainao.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.9045