Salamo
Toko faha-39 (38)
2 Hoy aho hoe: "Hotandremako ny fitondrantenako mba tsy hanota amin'ny teniko aho. Hataoko toy ny tampina ny vavako, raha mbola eo anatrehako ny olon-dratsy."3 Koa tena nangina mihitsy aho, tsy nivolana na dia tsy nahasoa aza. Vao mainka nitombo ny fijaliako,
4 nandevilevy ny foko tato anatiko, toy ny doran'ny afo ny eritreritro, ka tamin'ny farany aho nahateny hoe :
5 TOMPO o, ampahafantaro ahy rahoviana no hifarana ny fiainako ary hafiriana sisa no ahavelomako; aoka ho fantatro fa mihelina aho!
6 Indro fohy dia fohy tokoa ny androm-piainako; ka ny fisiako toy ny tsinontsinona eo anatrehanao. Eny, ny olona rehetra matanjaka aza dia toa tsio-drivotra mandalo;
7 eny tokoa fa ny olombelona dia toa aloka miserana ihany! Misahirana tsy misy antony izy, manangon-karena nefa tsy mahalala izay hanjary ho tompon'izany.
8 Ary ankehitriny, TOMPO o, inona no azoko andrasana? Ianao ihany no antenaiko.
9 Afaho amin'izay rehetra mpamadika ahy aho, aza avela ho fanakoran'ireo adala.
10 Koa mangina aho ary tsy miloa-bava, satria Ianao no nahatonga izao.
11 Nefa aza kapohinao intsony aho, fa mila ho faty noho ny famelezanao.
12 Raha manitsy ny olona Ianao ka manafay azy noho ny helony, dia manimba izay maminy indrindra toy ny zavatra lanin'ny kalalao. Eny tokoa fa ny olona rehetra dia toa tsio-drivotra mandalo.
13 TOMPO o, henoy ny vavaka ataoko ary mandrenesa ny fitarainako; aza odian-tsy hita ny ranomasoko fa olona nasaina aho no eto aminao, mpivahiny ihany toy ny razako rehetra.
14 Mba ampiatoy ny famaizanao hahazoako mitsiky indray, alohan'ny hahalasanako ho any amin'ny varo-tsy mifody.
Toko faha-40 (39)
1 Tao amin'ny tahirin-kiran'ny filohan'antoko-mpihira. Salamo nataon'i Davida.2 Niandry ny TOMPO am-paharetana ahoka niondrehany ary nohenoiny taraina;
3 nosintoniny avy tao an-davaka lalina aho, nakariny avy tao amin'ny fota-mandrevo; ny tongotro najorony tambony vatolampy ka indro azo antoka sy matotra ny diako.
4 Nasiany hira vaovao teo am-bavako,dia hira fiderana an'Andriamanitsika! Maro tokoa no hahita izany, ka hanaja sy hatoky ny TOMPO.
5 Sambatra ny olona manao ny TOMPO ho tokiny ka tsy mba mirona velively amin'ny sampy na miandany amin'ny mpanompo andriamani-tsiizy.
6 TOMPO Andriamanitro o, maro tokoa ny zava-mahagaga izay nataonao; ka tsy misy azo ampitahaina aminao! Ary ny hevitra anasoavanao anay dia maro loatra ka tsy tambo isaina, tsy ary ho voatanisako na ho voalazako.
7 Nampahafantarinao ahy tsara tokoa fa tsy sitrakao ny sorona amam-panatitra ; tsy ilainao ny sorona dorana manontolo sy ny sorona fanalana ny ota.
8 Ka hoy aho hoe: "Inty aho tamy! Ao amin'ny bokin'ny Lalana no ahitako fa voasoratra izay tokony hataoko."
9 Ny hanao ny sitraponao, Andriamanitro o, eny, ny hanao ny sitraponao no sitrako; ary ny lalananao dia ato anatin'ny foko.
10 Ny vahoakanao tafangona maro no hilazako vaovao mahafaly ny amin'ny fanafahanao. Indro tsy hangina mihitsy aho, ary fantatrao izany, ry TOMPO o!
11 Tsy mba afeniko ato am-poko ny fanafahanao, ambarako fa Mpamonjy mahatoky Ianao; ny vahoakanao tafangona amborahako ilay fitiavanao tsy miova ho anay.
12 TOMPO o, tsy hitsahatra hamindrafo amiko Ianao; ilay fitiavanao tsy miova no hiaro ahy lalandava.
13 Manemitra ahy ny loza tsy hita isa; mizaka ny vokatry ny heloko aho sady tsy mahajery azy intsony noho izy ireny maro noho ny volon-dohako; ka ketraka dia ketraka ny foko.
14 TOMPO o, aoka ho sitrakao ny hanafaka ahy! TOMPO o, faingana hamonjy ahy!
15 Ho menatra sy mangaihay avokoa anie izay olona mitady hahafaty ahy! Hihemotra sy ho afa-baraka anie izay olona maniry loza ho ahy!
16 Aoka ho ankona safotry ny henatra ireo mpanakora ahy hoe: "Akorinao izay!"
17 Izay rehetra mitady Anao kosa anie hifaly sy hiravoravo amin'ny nataonao; ary izay olona mpitia Anao Mpamonjy anie hivolan-dava hoe: "Lehibe tokoa ny TOMPO!"
18 TOMPO o, mahantra sy malahelo aho nefa Ianao tsy mba manadino ahy. Mpamonjy sy mpanafaka ahy Ianao, ka aza ela fa tongava, Andriamanitro o!
Toko faha-41 (40)
1 Tao amin'ny tahirin-kiran'ny filohan'antoko-mpihira. Salamo nataon'i Davida.2 Sambatra izay miahy ny malahelo sy mahantra, fa ny TOMPO hamonjy azy amin'ny andro mahory.
3 Ny TOMPO no miaro azy tsy ho faty ka mahatonga azy ho sambatra eto an-tany sady tsy mahafoy azy ho voatanam-pahavalo.
4 Ny TOMPO no hanohana azy eo am-pandriana ijaliany, ka dia hikarakara azy mandritra ny aharariany.
5 Ka hoy aho tamin'ny TOMPO:"Mba iantrao aho ka sitrano fa taminao no efa nanotako!"
6 Ny fahavaloko maniry loza ho ahy hoe:"Oviana no ho faty io, ka tsy ho tsaroana intsony!"
7 Raha misy tonga mamangy ahy ireo, dia mikendry ny hanendrikendrika ahy; manangona fanaratsiana ao an-tsainy izy, ka vao tafavoaka, dia mampiely izany.
8 Nivory ireo rehetra tsy tia ahy mba hitakoritsidritsika ny amiko sy hanombantombana ny fahavoazako.
9 Hoy ireo hoe: "Voan'ny aretin-dratsy io ka milamaka tsy ho tafarina intsony!"
10 Na dia ny sakaiza tiako indrindra aza, izay nitokiako ka niara-nihinana tamiko, dia nanjary nitsangana hanohitra ahy.
11 Fa Ianao kosa, TOMPO o, miantra ahy; ka areno aho mba hamaliako an'ireo.
12 Izao no hahafantaranao fa tia ahy Ianao: tsy hakorain'ny fahavaloko hoe resy aho.
13 Ary izaho dia hotahirizinao tsy hanan-tsiny ka hampitoerinao mandrakizay eo anatrehanao.
14 Hisaorana anie ny TOMPO Andriamanitr'i Israely, hatrizay hatrizay ka ho mandrakizay. Amen! Amen!
Toko faha-42 (41)
1 Tao amin'ny tahirin-kiran'ny filohan'antoko-mpihira. Tononkalo fananarana nataon'ny terak'i Kora.2 Tahaka ny diera maniry rano velona no aniriako Anao, Andriamanitra o.
3 Mangetaheta an'Andriamanitra aho, dia ilay Andriamanitra velona. Rahoviana aho no hiditra an- tempoliny mba ho afaka hiseho eo anatrehany?
4 Ranomaso no zary sakafoko na andro izany na alina, noho izaho ilazana foana hoe:"Aiza ity Andriamanitrao?"
5 Hontsa tokoa aho mahatsiaro ny fahiny fony aho niaraka tamin'ny besinimaro nandroso nankao an-tranon'Andriamanitra, omban'ny feo fihobiana sy fiderana redonim-bahoaka indray mankalaza.