Salamo
Toko faha-35 (34)
6 ary aoka ho maizina sy halama ny lalany, rehefa hanenjika azy ny anjelin'ny TOMPO!7 Satria tsy misy antony mitombina akory, dia nanao fandrika hamelezana ahy ireo ka nihady longoa hamandrihana ahy.
8 Ho voan'ny loza tsy ampoizina anie izy, ka ho tratry ny fandrika nataony ihany sy hianjera amin'ny longoa nohadiny!
9 Fa ny nataon'ny Tompo kosa no hifaliako; ary ny amin'ny famonjeny no hiravoravoako.
10 Ny heriko tontolo no hilazako hoe:"TOMPO o, tsy misy tahaka Anao satria afahanao ny mahantra amin'izay matanjaka noho izy; eny, afahanao ny malahelo amin'izay mandroba azy."
11 Vavolombelona mandainga no mitsangana, ka zavatra tsy fantatro no iampangany ahy.
12 Valiana ratsy ny soa nataoko, hany ka mila hamoy fo aho.
13 Raha narary izy ireo, dia nalahelo aho ka nitafy lamba fisaonana ho marik'izany; nampijaly tena tamin'ny fifadian-kanina aho ary koa niondrika hivavaka ho azy,
14 fa toy ny namana na mpiray tampo no fitondrako azy tamin'izany; nanjombona sy valaketraka aho toy ny olona misaona ny reniny.
15 Kanjo nony lavo kosa aho, dia faly ireo sady mivorivory, mivorivory mba hamely ahy; vahiny tsy fantatro akory aza no tsy mitsaha-mivazavaza amiko.
16 Tahaka ny olona mihomehy lavo izy, ka mihidy vazana ho fankahalana ahy.
17 TOMPO o, mbola ho ela ve Ianao no hitazam-potsiny? Ny aiko tokana avoty amin'ny mpamely ahy fa toa liona mierona mihitsy izy ireo;
18 ka eo anivom-bahoakanao tafangona maro no hiderako sy hankalazako Anao.
19 Aza avela hanesoeso ahy ireo mpandrafy tsy an-drariny; aoka tsy hifanao pi-maso ahy ireo mpankahala tsy amin'antony !
20 Tsy mba miteny fihavanana izy, fa mamoron-dainga hamelezana an'ireo bonaika eo amin'ny tany.
21 Nitsaontsaom-bava tamiko izy ka nilaza hoe: "Akorinao izay! Ny masonay no nahita ny nataonao!"
22 Nefa Ianao, TOMPO o, dia nahita izay niseho; koa aza mangina, aza manalavitra ahy.
23 Ry Andriamanitro sady Tompoko, mifohaza sy midira an-tsehatra Ianao mba hanome rariny ahy ary koa mba hiaro ny zoko.
24 TOMPO Andriamanitro o, marina Ianao ka ambarao ho tsy manan-tsiny aho, fa aza avelanao ho fanesom-pahavaloko.
25 Aoka izy tsy hiteny anakampo hoe:"Hia! Azonay izy, ka nataonay teli-moka!"
26 Ho menatra sy hangaihay avokoa anie izay olona mifaly amin'ny fahavoazako; ho safo-kenatra sy ho afa-baraka anie ireo manandra-tena mirehareha amiko!
27 Fa izay tia ny hahazoako rariny dia aoka hanao horakora-pifaliana sy ho falifaly hivolan-dava hoe:"Lehibe tokoa ny TOMPO, fa ny hiadanan'ny mpanompony no zavatra tiany!"
28 Izaho koa hankalaza ny fahamarinanao sy hidera Anao isan'andro isan'andro.
Toko faha-36 (35)
1 Tao amin'ny tahirin-kiran'ny filohan'antoko-mpihira. Nataon'i Davida mpanompon'ny TOMPO.2 Voarakitra ato an-tsaiko hatrany ny teny fikomian'ny olon-dratsy hoe:"Tsy misy dikany aminay ny fanajana an'Andriamanitra !"
3 Mandoka tena loatra izy, ka tsy miaiky hadisoana na mankahala izany.
4 Izay teny lazainy dia heloka sy fitaka; nofy azy mihitsy ny hoe hanao ny tsara.
5 Ao am-pandriany no isainany ny heloka heveriny hatao; mikiribiby amin'ny fanao tsy mety izy ary tsy laviny akory ny ratsy.
6 TOMPO o, mahatakatra ny lanitra ny fitiavanao; mipaka eny amin'ny rahona ny toetranao mahatoky.
7 Avo toy ireo tendrombohitra ny fahamarinanao; lalina toy ny ranomasina izany fitsaranao. TOMPO o, samy vonjenao na olombelona na biby.
8 Sarobidy loatra ny fitiavanao, Andriamanitra o, ka mitady fialofana eo ambany elatrao ny olona ;
9 Fenoinao harena avy ao an-tranonao izy, ka diboka ny zava-tsoa mandriaka toy ny ony.
10 Fa ao aminao ny loharanon'aina; ny fahazavanao no manazava anay.
11 Mbola anehoy fitiavanaireo mahalala Anao; ho marina hatrany Ianao amin'ireo mahitsy fo.
12 Tsy hanosihosy ahy anie ny mpiavonavona; tsy haharoaka ahy anie ireo olon-dratsy!
13 Indreo fa lavo etoana ny mpanao heloka, nianjera ka tsy ho tafarina intsony.
Toko faha-37 (36)
1 Nataon'i Davida.Aza tezitra amin'ny mpanao ratsy ary aza mialona ireo mpanao heloka;
2 fa toy ny ahitra ireny ka malaky malazo, toy ny vilo-maitso ka mbola hihamaina.
3 Matokia ny TOMPO, manaova ny tsara, dia honina amin'ny tany nomeny ianao ka hiaina amim-pilaminana azo antoka.
4 Aoka ny TOMPO no hiravoanao, dia homeny anao izay irin'ny fonao!
5 Ankino amin'ny TOMPO ny fiainanao, ka itokio Izy fa hanao izay mahasoa.
6 Ny rariny anananao hasehony ho toy ny mazavatsinanana; ny zo tandrify anao haharihariny ho tahaka ny mitatao vovonana.
7 Aoka hitombina tsara eo anatrehan'ny TOMPO ka hiandry Azy amim-paharetana ianao! Aza tezitra amin'izay mahomby, dia amin'ny olona manao fetsifetsy.
8 Ialao ny hatezerana, avelao ny havinirana; aza misafoaka fa loza no hiafaran'izany.
9 Satria hofongorana ireo mpanao ratsy, fa izay matoky ny TOMPO no handova ny tany.
10 Tsy ho ela dia hanjavona ny olon-dratsy; handinika izay nisy azy ianao, fa tsy hahita na inona na inona.
11 Ny malemy fanahy no handova ny tany ka ho finaritra hombam-piadanam-be.
12 Ny olon-dratsy manao hafetsena hamely ny marinasy mihidy vazana ho fankahalana azy,
13 kanjo izy ihomehezan'ny Tompo Izay mahita fa antomotra ny andro famaliana.
14 Manatsoaka sabatra ireo olon-dratsy ary koa manenjana tsipikamba handavoana ny ory sy ny mahantra ary hamonoana ny mahitsy fomba fiaina.