Salamo
Toko faha-29 (28)
11 Homen'ny TOMPO hery anie ny vahoakany ka dia hotahiny hombam-piadanana!
Toko faha-30 (29)
1 Salamo nataon'i Davida. Hira tamin'ny fitokanana ny lapany.2 TOMPO o, hankalaza Anao tokoa aho noho Ianao nanafaka ahy tsy ho faty ka tsy namela ahy ho esoim-pahavalo.
3 Ry TOMPO Andriamanitro o, niantso vonjy taminao aho ka dia nositraninao tokoa.
4 Toa efa lasa tany am-pasana aho fa novelominao indray, TOMPO o; toa efa tany amin'ny fonenan'ny maty aho no nakarinao avy any.
5 Mihira Salamo ho an'ny TOMPO, ianareo mpivavaka aminy; manaova fiderana Azy ka tsarovy fa masina Izy.
6 Indray mipi-maso ny hatezerany, fa mandritra ny fiainana tontolo no itosahan'ny fanambinany. Hariva sy mandraka alina mbola misy ny tomany; fa maraina kosa dia hobim-pifaliana.
7 Tamin'ny fiadanako no nilazako hoe: "Tsy hihontsona aho na oviana na oviana.
8 Noho ny fanambinanao, TOMPO o, dia najoronao tamin-toerana avo aho. "Kanjo tsy nanaiky hijery ahy Ianao ka indro raiki-tahotra mafy aho.
9 TOMPO o, miantso vonjy aminao aho; Ianao, ry Tompoko, no italahoako.
10 Inona no soa azonao raha maty aho na aidina halevina any am-pasana? Izay lasa vovoka ve hidera Anao na afaka hanambara fa mahatoky Ianao?
11 TOMPO o, henoy aho ka iantrao; TOMPO o, aoka hamonjy ahy Ianao!
12 Dia navadikao ho dihy ny alaheloko. Nesorinao tamiko ny fitafiam-pisaonako ka nosoloanao akanjom-pifaliana.
13 Izany no tsy hitsaharako ny hisaotra Anao eram-po. Ry TOMPO Andriamanitro o, hoderaiko mandrakizay Ianao.
Toko faha-31 (30)
1 Tao amin'ny tahirin-kiran'ny filohan'antoko-mpihira. Salamo nataon'i Davida.2 TOMPO o, Ianao no fialofako; tsy ho diso fanantenanana oviana na oviana aho. Araka ny fahamarinanao dia afaho amin'ny loza aho!
3 Mba anongilano sofina aho ka vonjeo faingana; aoka Ianao ho Vatolampy fiereko ary ho manda hahitako famonjena!
4 Eny, harambato sy manda fiarovana ho ahy Ianao ; ary mba ho voninahitry ny anaranao, dia aoka Ianao hitarika ahy sy hiandry ahy!
5 Tsoahy amin'ny fandrika harato izay novelarina tamiko aho, satria Ianao no miaro ahy.
6 Eo an-tananao no apetrako ny fiainako ; TOMPO o, Ianao no nanafaka ahy, Ianao Ilay Andriamanitra mahatoky.
7 Halako ny mivavaka amin'ny sampy; fa izaho, TOMPO o, dia mitoky aminao.
8 Te hifaly sy hiravo aho noho ny fitiavanao, satria hitanao ny fahantrako sady fantatrao ny fahoriako;
9 ary tsy navelanao ho azom-pahavalo aho fa najoronao ho eo an-kalalahana.
10 Mba iantrao aho, TOMPO o, fa ao an-katerena ny tena amam-panahiko ary jembin'alahelo ny masoko.
11 Kikisam-pahoriana ny aiko, lanin-tsentosento ny taonako, ritran' ny heloka vitako ny heriko, ka dia indro maina mbamin'ny taolako.
12 Mandatsa ahy avokoa ny fahavaloko, eny, na dia ny mpiara-monina amiko aza; ny olom-pantatro koa matahotra ahy, ka mandositra raha mifanena amiko.
13 Tsy fantatra intsony aho fa hadino toy ny maty sy toy ny zavatra nariana.
14 Efa reko ny besinimaro mifosa ahy ka mampihorohoro hatraiza hatraiza. Mikaon-doha hamely ahy izy sy miray tetika hanala ny aiko.
15 Izaho kosa mitoky aminao, TOMPO o, ka hoy aho hoe: "Andriamanitro Ianao."
16 Eo ambany fiahianao ny androm-piainako ka afaho amin'ny fahavalo sy mpanenjika aho.
17 Jereo amin-kamorampo izaho mpanomponao, ka vonjeo satria be fitiavana Ianao.
18 Tsy ho diso fanantenana anie aho, satria miantso vonjy aminao, TOMPO o; fa aoka ireo ratsy fanahy no ho menatra ka hangina any amin'ny toeran'ny maty!
19 Ataovy moana ireo fa mpandainga sady sahisahy mamely olo-marina amin'avonavona sy fanamavoana.
20 Kanefa, TOMPO o, akory ny hamaroan'ny soa atokanao ho an'ireo manaja Anao! Eo imason'ny olona no anaovanao izany ho an'izay mialoka aminao hatrany.
21 Ampierenao tsara eo anatrehanao Izy mba ho lavitra ny ankaso ataon'olona; Ao an-tranonao no anafenanao azy mba ho lavitra ny mpifosa manangana ady.
22 Hisaorana anie Ianao, TOMPO o, fa nigagana tokoa ny fitiavanao ahy fony aho toy ny tanana voafahirano!
23 Tamin'ny fahatairako no nilazako hoe: "Indro aho voaroaka tsy ho eo imasonao. "Kanjo nohenoinao ny fitalahoako, rehefa niantso vonjy taminao aho.
24 Ry mpivavaka rehetra, tiava ny TOMPO satria Izy miaro an'izay mino Azy; fa ireo mpiavonavona kosa dia valiany tsy an'erany izay nataony.
25 Ianareo rehetra manantena ny TOMPO, matanjaha sy mahereza.
Toko faha-32 (31)
1 Tononkalo fananarana nataon'i Davida. Sambatra ny olona afa-keloka sy voavelan'Andriamanitra ny otany.2 Sambatra izay tsy heverin'ny TOMPO ho diso sady tsy misy fitaka ny fanahiny.
3 Fony aho tsy mbola niaiky fahotana, dia nihalany hery ny tenako satria nitaraina tontolo andro aho.
4 Andro aman'alina, TOMPO o, no nanasazianao ahy hatrany; ka nanjary reraka mafy aho, toa nasian'ny hainandro migaina.
5 Koa dia naborako taminao ny otako ary tsy nafeniko Anao ny hadisoako. Hoy aho hoe: "Meloka aho, TOMPO o, ka tsy maintsy hiaiky izany aminao." Tamin'izay dia nafahanao ny otako.
6 Ny mpivavaka marina rehetra dia tokony hitalaho aminao toy izany amin'ny fotoana ilany vonjy aminao; ka na toa ranobe hitelina aza ny loza, dia tsy hahatratra azy akory izany.
7 Ianao no fierena miaro ahy mba tsy ho azon'ny fahoriana; ny ahodidinao ahy dia horakora-pihobiana ataon'ireo mifaly fa nafahanao aho.
8 Hoy ny TOMPO hoe: "Hampianariko ianao sady hotondroiko ny lalan-kalehanao, hotoroako hevitra sy harahiko maso:
9 aoka ianao tsy ho ketrina toa soavaly na ampondra izay vy sy lamboridy no ihazonan'olona azy; dia tsy hisy zava-doza hihatra aminao."
10 Fijaliana maro ny an'ny ratsy fanahy; fa izay mitoky amin'ny Tompo kosa dia harovan'ny fitiavany hatrany.
11 Noho ny amin'izay nataon'ny TOMPO, dia mifalia sy miravoa, ry olo-marina; manaova horakora-pihobiana, ianareo rehetra mahitsy fo.